• Cours de change
  • 5100.51 AR
  • |
  • $4471.09 AR
Copyright Image : © Groupement Gn Boeny
Image
Vaovao

Ambato Boeny : Nanamafy ny fiaraha-miasany hampanjaka ny fandriampahalemana ny vahoaka sy ny Zandary

12/11/2025 15:51 © Moov

Nohamafisina ny fampiharana ny Tagnamaron’ny Fandriam-pahalemana ao Madirovalo, Ambato Boeny. Nisy ny fivoriana narahina fanentanana izay notarihin'i Kolonely Faniry Randriamahery kaomandin'ny vondron-tobim-pileovan'ny zandarimariam-pirenena niarahana tamin' Atoa Rakotonirina Bruno, Lehiben'ny Distrikan'Ambato Boeny.

Mpandray anjara marolafy

Nomarihina tamin’ity fa manana ny anjara toerany lehibe eo amin’ny fifehezana sy fametrahana ny fandriam-pahalemana ny vahoaka eny ifotony. Nandray ajara lehibe tamin’ny dinika nifanaovana araka izany ny sefo fokontany, ny mpikambana ao amin’ny DINA rehetra, ary ny fokonolona, izay notronin’ireo Ben'ny Tanana sy ireo tompon’andraikitra samihafa. Nisy ny fifanakalozan-kevitra nandraisan'ny fokonolona anjara fitenenana manoloana ireo trangana tsy fandriam-pahalemana ao antoerana. Nahafahan'ny mpitandro filaminana sy ny Tompon'andraikitra eny ifotony nandinika ny vahaolana sy ny paikady iadiana amin'izany tsy fandriampahalemana izany ao Madirovalo izany. Vokatr’izany dia misokatra ho an'ny fifandraisana ny loharanom-baovao mari-pototra ny mpitandro filaminana sy ireo zandary any an-toerana ahafahana mamongotra ireo olon-dratsy.

Fampiharana ny Dina sy ny Kalony

Teboka maromaro no niompanan'ny fivoriana izay nandinihana ny fandrindrana ny fandriampahalemana ao antoerana ary narahina fanentanana. Isan’ny nisongadina tamin’izany ny fanamafisana ny fampiharana ny Kalony. Ity farany ity izay natao hampandraisana anjara ny tovolahy manomboka amin’ny 18 taona amin’ny fitandroana ny fandriam-pahalemana. Etsy ankilany dia nohamafisina ny fampiharana ny Dina mba hahazoan’ny tsirairay tombony, amin’ny fandriam-pahalemana.
Manoloana izany ihany koa dia atao hentitra ny fanarahamaso ireo olona mivezivezy ao an-toerana amin'izao vanimpotoana fahavaratra sy ny fotoana akaiky fetin'ny faran'ny taona izao. Isan’ny voaresaka ihany koa ny ady amin’ny kolikoly izay tokony handraisan’ny rehetra anjara ihany koa. Araka izany, nanamafy ny mpitandro filaminana ny amin’ny hizarana ny loharanom-baovao eo amin'ny vahoaka sy ny mpitandron'ny filaminana.

Lire la suite

Articles Similaires