Raharaha 11 miliara Ar : Isan’ny hadihadiana eny amin’ny BIANCO ny Ben’ny tanàna Ramanantsoa Harilala
Efa mandeha ankehitriny ny fanadihadiana, eo anivon’ny BIANCO, momba ilay raharaha 11 miliara ariary mampifandringotra ny CNaPS sy ny SMGD. Isan’ny atao fanadihadiana ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala.
Olona maromaro voarohirohy
Maromaro ireo olona voarohirohy amin’ity raharaha ity, ka voalohany amin’izany ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. Raha tsiahivina dia efa nisy ny fisavana natao teny amin’ny tranony teny Andranobevava, ny alahady 9 novambra lasa teo. Nogiazana nandritra izany ny fiara miisa roa tao aminy, sy ny antontan-taratsy sasantsasany, araka ny loharanom-baovao. Isan’ny atao fanadihadiana eny anivon’ny Birao mahaleotena miady amin'ny kolikoly (BIANCO) moa ny andefimandrin’ity Ben’ny tanàna teo aloha ity ankehitriny.
Ankoatra ity farany, dia fantatra fa miatrika izany fanadihadiana eo anivon’ny BIANCO izany ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ankehitriny, Ramanantsoa Harilala. Tahaka izany ihany koa ny tale jeneralin’ny SMGD (Société municipale de gestion digitale), Andriamananony Thierry sy ny tale jeneralin’ny Tahirim-Pirenena momba ny Fiahiana aea-tsosialy (CNaPS) teo aloha, Rakotondraibe Mamy.
Findramam-bola sy fitantanana tsy mazava
Raha tsiahivina dia tany amin’ny taona 2021 no niandohan’ity raharaha 11 miliara ariary ity. Nanome fampindramam-bola 11 miliara Ar ho an’ny SMGD ny CNaPS, tamin’ny volana febroary 2021, izay tokony hiteraka zanany 7% isan-taona, araka ny fampahatsiahivana nataon’ny tale jeneralin’ny CNaPS ankehitriny, Rahaingonjatovo Vimbina, nandritra ny tafa niarahany tamin’ny mpanao gazety, ny 5 novambra lasa teo. Tokony ho 60 volana no hanefan’ny SMGD ny famerenam-bola amin’ny CNaPS, ary nisy izany, hatramin’ny volana aprily 2024. 5 000 880 000 ariary no vola naloan’ny SMGD tamin’ny CNaPS hatramin’io fotoana io. Mbola misy 7 000 187 000 ariary ny vola tokony aloan’ity orinasa monisipaly ity amin’ny tahirim-pirenena, amin’izao fotoana izao.
Nandray ny fanadihadiana momba ity raharaha ity ny BIANCO, noho ny antony findramam-bola sy fitantanana izany tsy mazava.



