Fanavahana fako : Mandray ny tetikasa ho fanovana ny fomba fanao an-tanàn-dehibe ny ao Ambohitrakely
Nitohy teo Ambohitrakely ny tetikasa fitaratra mikasika ny fitantanana sy ny fanavahana fako, taorian’ny teny Ampefiloha. Tanjon’ity hetsika ity ny hanofanana ny mponina mba hampihena ny fako ariana eny amin’ny fanariam-pako hiraisana ary hanamafisana ny fahadiovan’ny tanàna.
Atrikasa andrana vaovao ho an’ny tanàna
Teny amin’ny Lapan’ny Tanàna Ambohitrakely no natao tamin’ny fomba ofisialy ny fanombohana ity tetikasa faharoa ao anatin’ny Fandaharan’asa GESDA ity. Izany dia rafitra natao hanatsarana ny fanavahana sy ny fanodinana fako eto an-dRenivohitra. Vokatra avy amin’ny fiaraha-miasa akaiky teo amin’ny Minisiteran’ny Rano, ny Fidiovana sy ny Fanadiovana, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny Société Municipale d’Assainissement, miaraka amin’ny fanohanana ara-bola avy amin’ny JICA, ity tetikasa ity . Mikendry indrindra ny hampiorina fomba fanao vaovao eo amin’ny fitantanana fako eny ifotony.
Anisan’ny laharam-pahamehana napetraka ny fanofanana ny mponina mba ho « mpitarika amin’ny fanavahana fako », afaka mampiely ny fomba fanao tsara eny amin’ny Fokontany misy azy. Mifantoka amin’ny tanjona telo lehibe ny tetikasa dia ny hampihena ny fako entina any amin’ny fanariam-pako, hanamafy ny fanodinana ny akora isan-karazany, ary hanafoana tsikelikely ny fiparitahan’ny fako eny rehetra eny.
Avy amin’ny vokatra tsara hita tao Ampefiloha
Miantehitra betsaka amin’ny traikefa sy vokatra tsara azo tao Ampefiloha ity tetikasa faharoa ity. Raha ny vokatra teny antoerana dia tokantrano miisa 2 000 miparitaka amin’ny velarana 7 hektara no nametrahana rafitra fanavahana fako isan-tokantrano. Nanamafy ny vokatsoa azo ireo lehiben’ny Fokontany, toy ny arabe madio kokoa, fihenan’ny fako angonina, ary ny fifampitokisan’ny mponina.
Noho ireo vokatra ireo dia kasain’ny Programa GESDA hitarina hatrany ny faritra iasana ka hahatratra 66 hektara. Handray anjara betsaka amin’izany i Ambohitrakely, izay natao ho sehatra hanaovana andrana lehibe alohan’ny hanitarana ny tetikasa amin’ny Fokontany hafa eto an-dRenivohitra. Nandritra ny fandraisam-pitenenana dia nasongadin’ny tompon’andraikitra ny maha-zava-dehibe ny fandraisana anjaran’ny vahoaka sy ny fifehezana iombonana ny asa. Nomarihina moa fa raha mitohy hatrany ny vokatra tsara dia ho tratra ny tanjona hoe « Madagascar Madio » amin’ny taona 2030.



