• Cours de change
  • 5097.01 AR
  • |
  • $4464.44 AR
Copyright Image : © Vaomieran'Ny Eveka
Image
Vaovao

Fiainam-pirenena : Miantso ny fanovana tanteraka ny fanaovana politika ny Fivondronamben’ny Eveka

14/11/2025 15:09 © Moov

Nanatanteraka fivoriana teto Antananarivo toy ny fanao isan-taona ny Evekan’i Madagasikara ny 4 hatramin’ny 14 nôvambra 2025. Fotoana izay nandinihan’izy ireo mikasika ny fiainam-pirenena ihany koa, io fotoana io. Saika nandray anjara tamin’izany avokoa ireo Eveka rehetra manerana ny Nosy.

Miandrandra fiovana ny Malagasy

Nandritra izany dia nametraka hafatra ho an’ny olona rehetra izy ireo, ao anatin’izany ny mpitondra fanjakana, ny mpino krisitianina katôlika, ny tanora malagasy ary ny mpiray tanindrazana. Nanao jery todika ny zava-niseho nandritra ny fihetsiketsehana nisy izy ireo ka nanambara fa maharary ny vahoaka Malagasy, ary tena ny famaliana ny filàny no angatahiny. Nanamafy izy ireo tao anatin’izany fa miandrandra fiovana marina eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny vahoaka maharary sy mangirifiry. Notsipihany fa mila ovaina tanteraka ny fanaovana pôlitika. « Fanovana toe-tsaina tsy ho tia tena sy ny kinamanamana no notadiavin’ny vahoaka. Mitranga sahady anefa ny ahiahy fandrao mivaona amin’ireo zavatra notakian’ny tanora sy ny vahoaka ny fizotran’ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny firenena, ka vao mainka handetika an’i Madagasikara ».
Manoloana izany ahiahy izany no nanaovan’izy ireo antso, ny tokony hamongorana ireo fomba ratsy nentina nambotry ny firenena ka mahatonga izao fahantrana izao. Ny tena maharary ny vahoaka no aoka ho jerena hatrany, fa tsy ny tombontsoan’olom-bitsy. « Aoka tsy hatao tompony mangataka ny atiny intsony ny vahoaka malagasy, fa mba hisitraka kosa ny fampandrosoana marina sy maharitra », hoy hatrany ireto Ray aman-dReny am-panahy ireto.

Fampandrosoana avy any ifotony

Nanome hafatra ho an’ny mpitondra ihany koa izy ireo. Namafisin’izy ireo tamin’izany fa vinavinam-pampandrosoana mazava sy maharitra ary azo ampiharina avy hatrany no ilain’i Madagasikara. Manoloana izao kihon-dalana vaovao atrehin’ny firenena izao, hoy hatrany ny hafatra dia ny fikaonan-doham-pirenena miainga avy any ifotony no hahafahana miroso amin’izany, ka hanomanana fanjakana marin-toerana sy matanjaka. Izay tena ilain’ny vahoaka tokoa no aoka hatao lohalaharana na amin’ny tombana fohy ezaka izany na amin’ny tombana lavitr’ezaka. Mila hajain’ireo mpitondra ihany koa ny roa taona voalaza sy napetraka ho an’ny fitondrana tetezamita. Voalaza fa lesoka teo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara hatramin’izay ny tsy fahaizana mifampihaino sy mifampatoky ka tokony samy ho tonga saina amin’izany, ny rehetra.
Isan’ny tokony ho valian’ireo mpitondra haingana, mba hisian’ny filaminana ihany koa, raha ny voalaza ny fitakian’ny vahoaka. Ao anatin’izany ny jiro, ny rano ary ny lalana. Hatao laharam-pahamehana hatrany ny sehatry ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fitandrovana ny tontolo iainana sy ny fandriam-pahalemana izay miantoka ny fahafahan’ny vahoaka mamokatra.
Mitondra am-bavaka ny rehetra, ireto Eveka ireto, namaranany ny fanambarany.

Lire la suite

Articles Similaires