• Cours de change
  • 5097.01 AR
  • |
  • $4464.44 AR
Copyright Image : © Fierce Lynx Designs
Image
Vaovao

Harena an-kibon’ny tany : Efa miverina ny fitrandrana eladrano ao Sahasoa, taorian’ny fitokonana

14/11/2025 16:40 © Moov.Mg

Efa miverina ny fitrandraha eladrano (mica) any Sakasoa, Distrikan’Iakora, Faritra Ihorombe, taorian’ny fitokonana nataon’ireo mpanangona eladrano misehatra any an-toerana, ka nahatonga ny ministeran’ny Harena an-kibon’ny Tany niditra an-tsehatra.

Fangalana vola tsy ara-drariny

Raha tsiahivina dia saika niteraka savorovoro tany amin’ny Distrikan’Iakora ny fangalana vola tsy ara-dalàna amin’ireo mpitrandraka sy mpanangona eladrano, tao anatin’ny herinandro maromaro lasa. Isan’izany ny fitakiana vola 80 Ar isan-kilao amin’ireo mpanangona eladrano, izay tsy voasoratra ao anaty fifanarahana, na aiza na aiza. Nisy mihitsya aza ny olona sasany no nilaza, fa miisa 15 ny sakana (barrière) tsy maintsy andalovana rehefa mamoaka ny vokatra ela-drano avy any an-toerana, ka andoavana vola avokoa ireo, toy ny tamberim-bidy sy ny tsolotsolotra madinika.

Vokatr’izany dia nitokona ireo mpisehatra amin’ity fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ity, efa hatramin’ny volana ôktôbra. Manoloana izany dia nandeha nandravona ny raharaha tany amin’ny Faritra Ihorombe ny delegasiônina avy eo anivon’ny ministera foibe sy ny fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon'ny Tany ao Fianarantsoa, ny 5 hatramin’ny 7 novambra 2025 lasa teo. Fanapahan-kevitra noraisina ny fanakatonana vonjimaika ny toeram-pitrandrahana ao Sakasoa.

Fandaminana hialana amin'ny gaboraraka

Efa miverina ny fitrandrahana eladrano any Sakasoa, taorian’ny namoahan’ny ministeran’ny Harena an-kibon’ny Tany ny naoty izay mandrara ny fakana vola tsy mifanaraka amin’ny fepetra misy. Araka io naoty io, izay nivoaka ny 10 novambra lasa teo, dia Faritra maro manerana an’i Madagasikara no nahitana fanararaotana fangalana vola, tahaka izao nitranga tany amin’ny Distrikan’Iakora izao. « Ny biraom-panjakana tandrify izany ihany no tokony handray ny vola tokony haloan'ny mpisehatra amin'ny harena an-kibon'ny tany », hoy ilay naoty, ka raràna ny fakàna vola amin'ireo mpisehatra, ankoatra ny voalazan'ny lalàna ihany. Ho henjehina amin'ny alalan'ny fitsipika mifehy ny mpiasam-panjakana sy/na ady heloka izay minia mandika izany.

Nanazava ny solombavambahoaka Sambo, voafidy tao amin’ny distrikan’Iakora, omaly 13 novambra 2025, fa misy ny fandaminana noraisina, mba hialana amin'ny gaboraraka. Amin’izao fisokafan’ny fitrandrahana ao Sakasoa izao indray, dia izay manana « zone d’encadrement » ihany ho afaka mitrandraka sy mividy eladrano ao an-toerana, noho izy ireo manana ny taratasy ara-dalàna sy ara-panjakana. Fikambanana miisa roa ihany, araka ny nambarany, no mahafeno izany fepetra izany hatreto, dia ny « groupement Miharisoa » sy ny « groupement Fahasoavana ». Raha misy kosa anefa olona na vondron'olona maniry ny hitrandraka sy hividy eladrano ao Sakasoa, dia azony atao ny mikarakara ny taratasiny ho ara-dalàna sy ara-panjakana, ka raha efa izany dia malalaka izy ireo miasa ao.

Lire la suite

Articles Similaires