• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Croq'Kilos
Image
Fahasalamana&Sakafo

Kafe be loatra : misy fiantraikany miafina eo amin’ny tebiteby sy ny torimaso

20/02/2026 11:07 © Moov.Mg

Maro ny manana fahazarana misotro kafe maraina. Lasa ampahany amin’ny fiainana andavanandro izy io, na ao an-trano na ao am-piasana. Saingy ao ambadik’io fahazarana tsotra io dia misy zavatra miafina mbola vitsy mahalala : rehefa be loatra ny kafe sotroina dia mety hampitombo ny tebiteby sy hanakorontana lalina ny torimaso. Araho eto ny andinindininy mikasik’izany.

Ahoana no fiasan’ny kafeinina ao amin’ny atidoha ?

Ny kafe dia mitahiry singa atao hoe kafeina. Ity farany dia singa manaitaitra voajanahary miasa mivantana amin’ny « système nerveux central ». Izy io dia manakana ny « adénosine », akora tompon’andraikitra amin’ny fahatsapana havizanana. Vokatr’izany, lasa mahatsiaro ho mailo kokoa, mifantoka kokoa, ary indraindray mahavita asa tsara kokoa rehefa misotro kafe.
Na izany aza nefa dia mampiakatra ny hafainganan’ny fitempon’ny fo sy mampitombo ny famokarana « adrénaline » io fanaitairana io. Eo amin’ny olona sasany mpisotro kafe izany dia mety hiteraka :
-Fahakizitinana,
-Fitempon’ny fo mafy (palpitations),
-Fikorontanan-tsaina,
-Fahasarotana miala sasatra,
-Fahatsapana tsy mahazo aina.
Rehefa be loatra ny fatran’ny kafe na misotro matetika be, dia mety hitovy amin’ny soritr’aretin’ny tebiteby na hampitombo azy io ireo fiantraikan’ny kafe ireo.

Kafe sy tebiteby : misy rohy tsy dia tsikaritra

Ny fisotroana kafe be loatra dia mety hampitombo ny olana ara-tebiteby, indrindra amin’ireo olona mora voan’ny rarintsaina na efa misy tebiteby lava (anxiété). Ny kafeinina mantsy dia mampitombo ny famokarana « cortisol », ilay hormonina mifandray amin’ny rarintsaina, ka mahatonga ny vatana hijanona ho mailomailo (état d’alerte) maharitra.
Misy àry moa ny olona sasany mety hisy “tebiteby ateraky ny kafeinina”: fihovitrovitana, hatsembohana, adin-tsaina, na krizy tampoka (panique).
Ireto no olona mora voakasik’izany:
-Ireo olona efa mora mitebiteby,
-Tanora,
-Ireo tsy ampy torimaso,
-Ireo misotro kafe imbetsaka isan’andro.

Torimaso: izy io no voa voalohany

Ny kafeinina dia mety hijanona ao amin’ny vatana mandritra ny adiny 6 ka hatramin’ny 8 ora, ary indraindray mihoatra izany, arakaraky ny vatan’ny tsirairay. Raha misotro kafe amin’ny tolakandro na hariva, dia mety:
-Hahatonga fahasahiranana mahita tory,
-Hampihena ny torimaso lalina,
-Hanapaka imbetsaka ny torimaso,
-Hampihena ny kalitaon’ny fitsaharana.
Ny olana ? Rehefa tsy ampy torimaso dia mitombo ny tebiteby… ka indraindray mitarika ilay olona hisotro kafe bebe kokoa hanalana havizanana. Dia lasa miditra ao anatin’ny faribolana tsy mety tapaka (cercle vicieux).

Toy ny ahoana no heverina ho fatra antonony ?

Araka ny torohevitra ara-pahasalamana, ny fisotroana kafeinina eo amin’ny 200 hatramin’ny 400 mg isan’andro (mitovy amin’ny kaopy 2 kely hatramin’ny 4 eo ho eo) no fatra heverina ho azo antonony ho an’ny olon-dehibe salama.
Na izany aza, tsy mitovy ny vatan’ny olona tsirairay. Misy mahatsapa vokatra ratsy na dia amin’ny kaopy iray aza, ary misy kosa toa tsy dia voakasika firy.

Lire la suite

Articles Similaires