• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Naître Et Grandir
Image
Reny&Zaza

Ireo fiovana ara-batana mety hitranga mandritra ny fitondrana vohoka

07/07/2026 10:42 © Moov.Mg

Fotoana iray mampiova zavatra maro eo amin'ny vatan'ny vehivavy ny fitondrana vohoka. Efa fantatry ny maro moa ny fiovan’ny haben’ny kibo sy ny maloiloy, saingy mbola misy ihany koa ireo fiovana hafa mety hahagaga na hampanahy ny reny bevohoka rehefa tsy ampoizina. Amin’ny ankamaroan’ny tranga dia fiovana ara-dalàna ihany izy ireo ary tsy tokony misy mampanahy. Ireto manaraka ireto àry ny santionany amin’ireo fiovana ara-batana mety hitranga mandritra ny fitondrana vohoka.

Fiovana ara-batana mety hitranga eo amin’ny bevohoka : miova endrika ny hoditra

Misy fiantraikany lehibe amin'ny hoditra ny hormonina mandritra ny fitondrana vohoka. Misy amin’ireo bevohoka no mahatsikaritra fa mamirapiratra kokoa ny tavany, izay antsoina hoe "éclat de la grossesse". Misy kosa ireo lasa misy na be mony, lasa be menaka na maina ny hoditra.
Ankoatra izay dia mety hisy tsipika mainty mitsangana hiseho ihany koa eo afovoan’ny kibo, pentina na tasy matroka amin’ny tarehy (masque de grossesse). Mety mihamaizina ny lokon’ny nono sy ny elakelam-pe. Matetika moa dia mihena tsikelikely ireo fiovana amin’ny hoditra ireo rehefa avy miteraka.

Miova ny volo

Mety ho lasa matevina sy mangirana kokoa ny volo ary mihena ny fihintsanany mandritra ny fitondrana vohoka noho ny fiovan’ny hormonina. Mety hihintsana be tampoka kosa nefa ny volo rehefa afaka volana vitsivitsy aorian’ny fiterahana. Toe-javatra ara-dalàna izany ary miverina amin’ny laoniny tsikelikely ihany ny fanirian’ny volo.

Mety hitombo ny haben'ny tongotra

Maro ny reny bevohoka no gaga rehefa lasa tery tampoka ny kirarony. Noho ny fiovan’ny hormonina dia mihamalefaka ny tonon-taolana sy ny hozatra mampifandray ny taolana ka mety hampivelatra kely ny tongotra. Ankoatra izany dia eo ny fitazonan’ny vatana rano izay mety hampivonto ny tongotra sy ny kitrokely, indrindra amin’ny hariva sy amin’ny telo volana faran’ny vohoka. Ho an'ny vehivavy sasany dia mety tsy hiverina amin’ny laoniny intsony io fiovan'ny haben'ny tongotra io.

Mitombo ny tsiranoka mivoaka amin'ny fivaviana

Matetika dia mitombo ny tsiranoka fotsifotsy mivoaka amin'ny fivaviana mandritra ny fitondrana vohoka. Raha fotsy, malama ary tsy misy fofona ratsy izy io dia ara-dalàna ary manampy hiaro ny fivaviana amin'ny aretina. Raha toa kosa ka mavo, maitso, misy fofona ratsy na miaraka amin'ny mangidihidy izany dia mila manatona mpitsabo.

Mora mandeha rà ny hihy

Mitombo ny fivezivezen'ny rà ao amin'ny vatana mandritra ny fitondrana vohoka ka mety hahatonga ny hihy hivonto, ho mena ary ho mora mandeha rà rehefa miborosy nify. Zava-dehibe arak’izany ny fitandremana ny fahadiovan’ny nify sy ny hihy mandritra ny fitondrana vohoka.

Mahatsapa voan’ny sery foana

Misy vehivavy sasany mahatsapa fa jenjina foana ny orony na dia tsy marary aza. Ny fiovan’ny hormonina mandritra ny fitondrana vohoka dia mampivonto ny « muqueuses nasales » ka mety hanasarotra ny fifohana rivotra na hahatonga fivoahan-drà kely avy amin’ny orona. Izany moa no antsoina hoe « rhinite de grossesse ».

Marary ny valahana sy ny tonon-taolana

Mba hanomanana ny fiterahana dia mampahalefaka ny tonon-taolana sy ny hozatra mampifandray taolana ny hormonina sasany. Izany no mety hahatonga fanaintainana eo amin'ny valahana, ny lamosina, ny andilana na ny taolana eo anoloan'ny valahana. Na dia toe-javatra mahazatra mandritra ny fitondrana vohoka aza izany dia tsara ihany ny mampandre mpitsabo raha mafy loatra ny fanaintainana.

Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?

Na dia ara-dalàna aza ny ankamaroan'ireo fiovana ara-batana mandritra ny fitondrana vohoka ireo, dia misy kosa ireo famantarana tokony hampanahy ka ilàna fitsaboana haingana:
-mandeha rà be avy amin'ny fivaviana;
-mivoaka rano betsaka ka ahiana ho vaky ny ranon-dohany;
-mivonto tampoka ny tarehy na ny tanana;
-marary andoha mafy na manjavozavo ny fahitana;
-marary mafy ny kibo;
-mihena be na tsy tsapa intsony ny fihetsiky ny zaza amin'ny faramparan'ny fitondrana vohoka;
-misy tazo;
-misy tsiranoka tsy ara-dalàna mivoaka amin'ny fivaviana.

Lire la suite

Articles Similaires