• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Mangeons-Local.Bzh
Image
Fahasalamana&Sakafo

Sosety : Tsy laokan'ny sahirana mihitsy fa tena mitondra vokatsoa

14/03/2023 08:06 © Moov.Mg

Sakafo tsy zovina amintsika intsony ny sosety. Efa maro no manao azy fangaron-daoka sy lasary. Tsy vitsy ihany koa anefa no tsy tia azy ity. Tsara anefa ny mampahafantatra fa mahatsara ny fahasalamana ny sosety. Indreto ary ireo zava-tsoa azo avy amin’ity farany.

Miaro amin’ny aretina maro ny sosety

Manan-karena otrik’aina maro ny sosety. Ahitana kalsioma, fer, vitamine B2 sy B3 ary vitamina C ao aminy. Miaro amin’ny olana na aretina vokatry ny tsy fahampian’ireo singa ireo noho izany ny fihinana sosety matetika. Anisan’izany ny aretina toy ny sery, gripa sy ny aretin’ny fo. Mazotoa mihinana lasary sosety sy voasarimakirana raha voan’ny sery matetika. Ho hitanao fa hitombo ny hery fiarovana ao amin’ny vatanao. Ny antioxydant ao amin’ny sosety ihany koa dia manala ny poizina sy ny tavy miandrona ao amin’ny vatana ka miaro amin’ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà.

Manampy amin’ny fandevonan-kanina ny sosety

Manampy betsaka amin’ny fandevonan-kanina ny sosety noho izy mitahiry tahana fibres ambony. Mahatsara anao ny fihinanana sosety matetika raha toa ianao ka marary vavony na tsinay. Haingam-piasa ihany koa ity legioma ity ho an’ireo mafimafy fivoahana, mora mitohana na tsy mahalevon-kanina. Manafisaka kibo haingana ihany koa ny fihinanana sosety tsy misy menaka ka azo hanaovana « régime » mampihena tsara izy noho izany.

Mahabe nonon-dreny

Mahabe nonon-dreny mampinono ny fihinana sosety matetika. Ahitana singa voajanahary mandrisika ny tsiry mpanentan’ny vehivavy amin’ny famokarana ronono tokoa mantsy ity legioma iray ity. Amporisihina hatrany izany ny vehivavy tsy ampy nono, na manan-janaka vao teraka hatramin’ny faha-2 taona mba hinana azy. Azo atao tsara ny manafangaro sosety amin’ny totom-boanjo mba hamparihitra sy hampatsiro tsara ny nonon-dreny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo