• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Nyvaovao Maneran-Tany
Image
Vaovao

JIRAMA : Andrasana ao amin'ny Foibe Andekaleka ireo razana 3

19/03/2023 17:09 © Moov.Mg

Efa nentina ao amin'ny foiben'ny Jirama Andekaleka amin'izao fotoana ny nofo mangatsikan'ireo mpiasa miisa 3 izay nodimandry : Jacky, Julice ary Toky.

Maty tsy tra-drano noho ny lozam-pifamoivoizana an-dalam-by nahatsiravina nitranga teny amin’ny tobim-pamokarana herinaratra Andekaleka izy telo mirahalahy. Fifandonan'ny lamasinina sy ny fiara no nahatonga ny loza.
Tsiahivina fa ny JIRAMA no mandray an-tanana ny fikarakarana rehetra ireo naratra ary mivonona hanampy ny fianakavian'ireo niharam-boina.
Ny minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran'Afo dia manantitrantitra ny maha zava-dehibe ny fanarahana hentitra ny toromarika momba ny fiarovana eny anivon'ireo tobin'ny JIRAMA ary handray ny fepetra ilaina hanamafisana ireo fiarovana efa misy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo