• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Jono : Fiofanana ho an’ireo mpanaramaso ny jono

20/03/2023 17:23 © Moov.Mg

Taorian’ny fiofanana notanterahina tao mahajanga ny volana desambra lasa teo dia mitohy indray ny fiofanana ho an’ireo mpanaramaso ny jono.

Antananarivo, faritra Analamanga no hisitraka io fampiofanana io amin’ity adian’ny faharoa ity. 40 mianadahy izy ireo no hiofana ho Mpanaramaso ny jono na « inspecteur de pêche » ato amin’ny faritra Analamanga. Nanomboka anio ilay fiofanana, ka haharitra 7 andro. Tsy hifarana izany raha tsy ny alatsinainy 27 marsa ho avy izao. Marihina fa ho raisin’ny Sekolim-pirenenana Mpanofana Mpitsara sy Mpiraki-draharaha eto Madagasikara(ENMG) ny fanatanterahana izany ho amin’ity andiany faharoa ity.
Tanjona amin’izao fampiofanana izao tokoa ny hahafantaran’ireo mpanaramaso ny làlana mifehy ny jono. Manampy amin’ny fiadiana amin’ny fanondranana hazan-drano antsokosoko sy amin’ny fampianarana ireo mpisehatra hanaja ny taom-panjonoana izany.
Eny maro tokoa ireo trangana fanondranana tsy nahazoana alàlana tratra tato ato, sy ireo olona manjono ao anatin’ny vanim-potoana voarara. Ny faran’ny herin’andro teo izao dia trondro milanja 2 taonina izay saika aondrana ho any Mayotte no tratran’ny zandary tao Nosy Be. Ny fampiofanana tahaka izao dia tafiditra tanteraka ao anatin’izany ady amin’ny tsy fanarahan-dàlana izany sy ao anatin’ny fiarovana ny hazan-drano.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo