Atodintariana (ganglions) mivonto : ireo tsara fantatra mikasik’izany
Ny vatana dia manana hery fiarovana hiadiana amin’ireo otrikaretina sy ireo karazana herisetra avy ety ivelany mitondra aretina. Anisan’ireo hery fiarovana ireo ny atodintariana. Ankoatra izay dia mandray anjara amin’ny fiasan’ny vatana moa izy ireo. Fa inona tokoa moa ny atodintariana ? Aiza no misy azy ? Inona no mety mampivonto azy ?
Inona no atao hoe atodintariana ?
Ny atodintariana na ny « ganglions » dia taova kely miendrika tsaramaso isan’ny mandrafitra ny « système lymphatique ». Ity farany dia fitambarana « vaisseaux lymphatiques », atodintariana sy rafitra samihafa mandrafitra ny hery fiarovana. Ny atodintariana dia miasa amin’ny fanasivanana ireo « cellules » sy ireo « germes » avy any amin’ny « liquide lymphatique ».
Ny atodintariana dia manampy amin’ny fiadiana amin’ireo otrikaretina sy ny homamiadana. Raha mahatsikaritra otrikaretina na homamiadana izy ireo dia mivonto. Matetika koa nefa tsy voatery hambara izany ny fivontosan’ny atodintariana fa mandalo fotsiny ihany.
Amin’ny ankapobeny dia eo amin’ny hatoka, ny tenda, ny valanorano, ny helika ary ny foto-pe no faritra misy ny atodintariana. Mety misy azy ireny ihany koa nefa eo amin’ny kibo, ambadiky ny sofina sy amin’ny faritra maro samihafa amin’ny vatana.
Inona avy ireo aretina mety mampivonto ny atodintariana ?
Araka ny voalaza teo ambony dia manana anjara lehibe amin’ny fiarovana ny vatana amin’ny aretina samihafa ny atodintariana. Amin’ny alalan’ny fanasivanana ny « liquide lymphatique » sy ny « globules blanches » mba hanesorana ireo bakteria, viriosy, mikraoba… ao aminy. Manampy amin’ny famokarana ny « globules blanches » sy ny fitehirizana izany ihany koa izy ireo.
Noho izany antony izany no mampivonto ary mety hampanaintaina ny atodintariana raha sendra misy otrikaretina, toy ny sery, gripa, areti-tenda, areti-nify… indrindra rehefa vizaka be na be adin-tsaina ka lasa mihamarefo ny hery fiarovana. Misy ihany koa ireo aretina vokatry ny fikorontanan’ny hery fiarovana toy ny « lupus » na ireo « maladies infectieuses/bactériennes » mety mampivonto azy, toy ny « toxoplasmose », VIH, « mononucléose »… Ny tranga hafa, tsy mpiseho matetika, mety mampivonto ny atodintariana ihany koa dia fisian’ny « tumeur » izay mety mahatonga na manambara ny fisian’ny homamiadana.
Oviana no tokony hampanahy ny atodintariana mivonto ?
Tsy voatery manambara aretina sy atahorana ny fivontosan’ny atodintariana. Mila fantarina kosa nefa ireo fambara tokony hampanahy ka ilaina fanantonana mpitsabo raha sendra mivonto ny atodintariana, ka anisan’izany ny hoe :
-Lasa manaintaina be ilay atodintariana ;
-Misy nana mivoaka avy eo aminy ;
-Mafimafy ilay atodintariana rehefa tsapaina ;
-Mihalehibe ilay fivontosana (mihoatra ny 2sm) ;
-Manavy ;
-Tsemboka be rehefa amin’ny alina ;
-Mihena ny vatana nefa tsy misy antony manokana.
-Fièvre.