
Sahirana ity Reny niteraka, dia nomeny olona nitady zaza ilay zanany, taona vitsy taty aoriana anefa dia maty ity Reny nanangana dia niady irery teny ilay Ray zay efa voadoan'ny aditsaina maro : ny faniriana te hananjanaka hatry ny ela, tsy fahasalaman' vady nandritra ny taona maro ary zao niafara tamin'ny fahafatesana zao. Nifanena tamin'ny vehivavy ary izy taty aoriana ary dia nifankatia tamin'io vehivavy io.
Ny olana anefa dia hita fa tsy mankasitraka ilay zaza, hany ka maneho ny heviny amin'ny herisetra any ampianarana, hakamona hianatra, famalivaliana sns
Tany amboalohany dia mbola compréhensive Ramatoa raha nahare ny tantaran'izy mianaka dia nalahelo ary raikipitia, nahatasapa fa mila fitiavana, mila beazina ity zaza ary tolorana fitiavana Rangahy, fa saingy arakaraky ny nitoamboan'ny taonan'ilay zaza dia mitombo ihany koa ny tsy fitiavany ilay Rtoa. Nanapakevitra ilay Ramatoa ny nampadefitra ny fitiavany ary niataka rehefa nanao zay azony natao tamin'izy mianaka mba tsy hankarary fo azy sy ilay zaza.
Fehiny :
1-Ilay zaza :
Efa nalahaha fa tsy reniny ity miaraka amin’ny rainy dia saro-piaro ny fitiavandrainy izy
Zaza efa gaté teo amin’ny Rainy sy reniny koa izy, ary efa zatra nisy mpanampy tao antrano
ka nony tonga ny olom-baovao dia tsy manaiky ny discipline apetraka izy
2-Ny Rainy :
Tsy mandray ny andraikiny, mapanara-po zaza hany ka ny olona tonga ampitiavana indray no lasa fahavalo voalohan’ilay zaza
Ahoana ny fitiavana amin’zao ?
Raha vehivavy ianao ka mipetraka eo amin’ilay toeran’ilay Ramatoa dia inona no nataonao ?
Raha lehilahy ianao no mamaky ity ka mipetraka eo amin’ny toeran’ilay Rangahy dia inona no nataonao ?
- Créé par le 09/01/2019
- Connectez-vous
Ajouter un commentaire