
Vous êtes ici
lehilahy izao no manoratra. izao ny olako manambady aho. 2 izao ny zanako.taloan'ny nanambadiko io vadiko io dia nisy lehilahy tratrako niaraka tamin'io vadiko io.nanda mafy tamiko anefa izy fa ts niaraka izy sy io lehilahy eo.dia nandeha teny ny fotoana.vita ny raharahanay.niteraka ny zanakay voalohany izahay teo aloha dia efa tsikaritro fa tena tsy misy itovizana amiko ilay zaza ka na ny fianakaviako ary dia nilaza izany.nisy fotoana ary izay nifamaly tao atrano ka nahavoaka vava tamiko izy fa tsy zanako io fa zanak' ilay lehilahy nolazaiko fa sipany tery aloha.taty aoriana koa dia nisy ireo olona manodidina iray tanana ipetrahanay fa tena niaraka tamin'io lehilahy io izy.mivarotra moa ny vadiko ary mpiavotra miaraka aminy eo koa io lehilahy io.
efa nisy fotoana izaho ny we isaraka amin'ny nohon'y tsy fahazakako we tsy zanako no velomiko ao antrano sady @ izay io lehilahy io dia itako foana matetika satria mivarotra eo akaiki'ilay vadiko izy.
nandefitra ihany ao anefa rehefa nieritreritra oe.teraka faharoa indray izahay dia mbola misy olona milaza amiko indray ireo mpiray tanana @ko fa mbola miaraka izy sy io lehilahy io.lasa tsy mino intsony aho oe mbola zanako indray io faharoa io ka tena very hevitra aho.
ny asako moa dia tsy mijanona @ toerana iray fa dia mivezivezy matetika @ faritany ka dia tsy eto antrano matetika nohon'ny fitadiavana.
inona no tokony ataoko fa tena kivy ao.izaho koa anefa tsy te ihaino fotsiny ny vavan'olona dia tena tsy itako izay atao.
- Créé par le 25/02/2019
- Connectez-vous
Pages
Ajouter un commentaire