Vous êtes ici

Tsy haiko na ato izy ity no tokony apetrako na atsy @ sexualité. Resaka mpivady ihany moa izy ity. Vehivavy no manoratra ary zao le olana misy aminay sy papa amin'izao.

Manambady aho ary mananjanaka. Nisy fotoana nifankahita t@ ex-ko za.Le talohan'i papa mihitsy io. Ary nifampiresaka izahay. Asa na azon'ny voa tsy manadino aho fa tafaverina niaraka izahay ka nisy RS mihitsy aza. Papa tsy kopy amin'io.
Fa ny loza de zao. Le ex indray no lasa milingilingy mandrangitra ny vadiko @ mp. Tantarainy ao daholo ny RS rehetra nataony. Tena nisafoaka i Papa ary tezitra be tamiko. Raikitra ny enquete sy ny fanadihadiana isankarazany. Ary nolazaiko azy ny marina satria tena tsy azo hihodivirana intsony. Tezitra izy. Hitako hoe normal izany. ARy milaza hampiditra divorce amiko. Sahirana tsaina aho. Inona no ataoko fa rainjanako izy ary mbola tiako.

Par : dyamondra
Sao tezitra raha lazaiko hoe
Sao tezitra raha lazaiko hoe vhivavy adala enao. Tsy ampy anao angaha ny RS omeny vadinao no lasa nanina ny tongolo ny egypta tany ? Maninona no any mitady. Die zakao ny vokany ramatoa ty aaaa. Za maka ny vadinao amin'io decision ny io. Koa raha tsy paoma izyk= na paiso ka otazana fotsiny eo. Mahereza.
Par : nary6b
Maty ah !!!! Norma be ny
Maty ah !!!! Norma be ny décision ny vadinao. Ataov amnao kosa ny toerana. Raharaha tadiavina nenao. Le ex indray apekarina atao solony. Sa.. tsisy apoaka.
Par : anonyme
okalouny, aza tenenina lé
okalouny, aza tenenina lé terme oe "fitiavana" fa tsy azonao ny dikany. Iza no tinao, le ex sa ny vadinao, valiny? Lé ex, rah tinao ny vadinao tsy nampirafesinao. Inona no nilingilinginao nanambady raha tia olonkafa ianao? D zao koa zakao ny vokany, tsy ahtoky anao tsony n vadinao na hisy miracle aza, soit nareo hijanona marié fa par raison et sans amour. Ny azonao atao dia ny mifona, nefa rah tsy misy azo atao d antanio ny tanjon'lé ex oe ampakatra anao v
Par : nax
Rah mbola tsy manambady lé ex
Rah mbola tsy manambady lé ex mety tsy hanary anao izy kah, fa en tout cas tandremo sao miala an'ankatso d miditra ambohidempona. Endraso fotsiny ze tohiny e, anjaranao n mandinika na mbol iresaka amn ex na tsia
Par : sipamalaelo
Tena tiako ny vadiko fa izaho
Tena tiako ny vadiko fa izaho nefa mbola manana sentiment kely @ le ex-ko foana. Asa na le angalarina na inona fa ohatry ny hafa mihits rehefa miaraka aminy. Vao avy nifampresaka mihitsy izahay androany hariva teo ny amin'ny tohin'ny tantara. Samy maka saina kely aloha ary afaka herinandro no miandry ny valiny. Mangingina kely izany aho nody. Toa olona malahelo voadoam-pahoriana ireny. Nandeha bus za nody ary na ny arrêt saika nialako aza tsy tadidiko. Verivery saina aho teny an-dalana. Averiko ihany fa tiako ny vadiko ary tsy tiako ny hisarahanay. Nefa le sentiment etsy an-daniny lasa any @ le ex daholo. Very hevitra aho.
Par : RA LEMSS
tsy manome tsiny anao aho fa
tsy manome tsiny anao aho fa mbola maro ny olona miaina an'izany zavatra izany. ny problème antsika gasy nge tsy mba franche ôtranao fa milaza hoe hendry foana na de mety hoe niaina anizany koa aza e! calmeo fotsny PAPA e
Par : meg
nenao ko zan be indrindra
nenao ko zan be indrindra.ezao tambatambazina ian lo ramose e!ref tsis fika ve ts o itanw fona varavaran nivoahana??
Par : Mahaliana
Hozaraiko roa ny zavatra
Hozaraiko roa ny zavatra lazaiko : ho antsika maneho hevitra, mila hevitra izy dia tsy voatery mandatsa ianao na manozona na maninona azy satria izy efa mahalala ny erreur vitany, ny olantsika Malagasy dia isika jamais mba manana empathie fa vao misy zavatra dia tsiny sy latsa no voalohany ary mametaka adjectif qualificatif. Alohan ny handatsana olona sy ilazana azy hoe adala sy tsisy saina sns dia jereo fiainanao hoe parfaite ve? raha parafite afaka atao fitaratra dia teneno izay tianao lazaina, mety çà va enao am couple fa mety faragidamaimbo enao am fitedavam bola na zavatra hafa anaty tokantrano, ka aoka tsy maika hitsara satria tsy miaina izay iainany ianao, ny filazako anzany tsy midika fa manaiky ny zavatra nataony, tsia, fa tsy anjarako ny handatsa sy hitsara azy satria ny fiainako na zaho koa tsy tanteraka na parfaite. Ho an'ilay tompona topic, ny tsara indrindra dia tsapanao ny fahadisoanao, ny erreur am fiainana dia fakana lesona, anaty erreur no tena mampitombo sy hanana fahendrena any aoriana, dia miezaha mampiseho fa maka lesona ianao, nanenina ary te hiova, sy hanaja ny vady. Ny fitiavana manarona fahotana maro, dia miezaha tsy hamerina intsony fa mampiseho fa tianao marina ny vadinao; nefa koa, diniho tsara tokoa aloha izay tena tianao atao, maka ré*******, aza mihaona na miresaka am ex-nao intsony, analyseo ilay situation, hafa ny atao hoe vady, ary hafa ny sipa. mila mandinika ianao satria tsy hoavinao irery ity fa ny tokantranonao sy ny zanako indrindra indrindra. ianao ihany no tompon ny decision. torohevitra ihany no eto. ny fitia angalarina dia matsiro kely foana fa tsy voatery mitondra mankaiza, satria koa ny resakareo tsisy afatsy nareo fa tsy miresaka zay problema fitedavambola ao antrano na ny ankizy na otrzany sns... be dia be ny zavatra hita anaty tokantrano fa mila matanjaka ny saina sy ny fo mandresy fakam-panahy. ny réaction à chaud an vadinao aloha dia normale, fa tsy midika hoe catégorique ilay décision ny, fa miezaha foana mifona, sy mampiseho aminy fa nanenina sy hiova, mila maharitra. mirary soa anao
Par : sipamalahelo
Efa nifona taminy aho. Efa
Efa nifona taminy aho. Efa nitalaho. Fa tena tezitra ary naleoko nisafidy nangina. Fo ranomafana ka sao mampangotraka ny efa mangotraka. Miandry azy ho tony angamba dia entina ambavaka.
Par : Anonyme
Nifona ahoana moa ianao ?
Nifona ahoana moa ianao ? Inona no dikan'ny fifonana ? Mijanona eo imolotra fotsiny ve ? Nilaza mantsy ianao fa tsy adinonao mihitsy ny ex-nao, sady misy feeling hafa rehefa miaraka aminy !!! Milaza ho tena tia ny vadinao ianao : sao dia fitiavana ara-materialy fotsiny ihany izany (fiaraha-monina, zaza, ny fitaovana rehetra ao an-trano, ny fianakaviana...), sa ilay famaritana ny fitiavana no samy manana ny azy ? Araka ny fahitako azy dia Bolokilahy homam-boatseva ianao, ka mamy ny atsy, fy ny aroa. Tsy hitako izay antony tsy hizakanao ny vokany, na farafaharatsiny miresaka @ vadinao (mandresy lahatra azy hatramin'ny farany) dia manao ménage à 3.

Pages

Ajouter un commentaire

2 + 0 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.