Vous êtes ici

Salama!inona daholo kay ireo vakisiny atao amin'ny zaza? Dia eo amin'ny faha-firy volany avy? Misaotra indrindra.

Par : anonyme
Tsy dia haiko tsara ny
Tsy dia haiko tsara ny anarany fa vao teraka dia efa misy vaksiny any amlé hopital mapiteraka. Avy eo une semaine izy manao vaksiny, avy eo misy atram faha 9 volana. Ny tsara manantona CSB II dia efa misy carnet manokana omena anao, izy iany no mametraka ny date iverenana manaraka
Par : izaho ihany
Misy sivy (09) izy ireo ka
Misy sivy (09) izy ireo ka ireto avy izany : Ny vakisiny BCG izay miaro amin’ny aretina « BK » ary vao teraka ny zaza dia efa tokony hatao an’io vakisiny io. Ny vakisiny DTCHépB kosa indray dia miaro amin’ny aretina « Diphtérie », »Tétanos », »Coqueluche » ary ny « Hépatite B ». Misy karazany telo (03) izy ireo ka ireto avy izany: DTC1HépB1 no voalohany ary natao ho an’ny zaza enina erinandro (06 semaines); DTC2Hép2 no manaraka azy izay natao ho an’ny zaza folo erinandro (10 semaines); Ary ny DTC3Hép3 no farany izay natao ho an’ny zaza efatra ambiny folo erinandro (14 semaines). Ny vakisiny VPO ihany koa dia misy sokajiny efatra (04) mazava tsara,izy io moa dia miaro amin’ny aretina « polio ». Ny vakisiny Polio 0 dia natokana ho an’ny zaza vao teraka ; Ny vakisiny Polio 1 dia natokana ho an’ny zaza enina erinandro (06 semaines); Ny vakisiny Polio 2 no manaraka azy ary natao ho an’ny zaza folo erinandro (10semaines); Ary mamarana azy ny vakisiny Polio 3 izay natokana ho an’ny zaza efatra ambiny folo erinandro (14 semaines). Ny vakisiny VAR no mahafeno azy ho sivy, vakisiny izay miaro amin’ny « rougeole ». Ity vakisiny farany ity dia natao ho an’ny zaza sivy volana (09 mois).

Ajouter un commentaire

3 + 0 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.