Vous êtes ici

Sao dia mba misy mahalala hoe inona no mety mahatonga sy hialana amin'ity tranganjavatra iray ity. Tao anatin'ny 4 volana dia 4 koa zay ny fianakaviana maty. Ilay iray vao maty amdroany mihitsy ka misalasala ny fianakaviana hoe mbola tokony ho sokafana indray ve ilay fasana sa aona?Sao dia misy afaka manoro hevitra fa tena mampalahelo ny manjo ny fianakavianay amin izao.

fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fahafatesana misesy ao amin ny fianakaviana
Aza minomino foana
Ny antony mampitahotra hoe tsy tsara raha sokafana indray ilay fasana dia mbola vao mivoraka ilay 4volana teo aloha sy ny sasany ka sao dia hisy aretina sy microbe be hiparitaka avy ao.

Hendre tsara fotsiny nareo mpianakavy dia mifampahereza tsara sy mifankatiava tsara fa tsisy hoe azo sorohana izany ny fandaharana.
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fahafatesana misesy ao amin ny fianakaviana
Ze zavatra tsara ihany no tokony hinoana, ze ratsy aza hinoana.
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fahafatesana misesy ao amin ny fianakaviana
Ny tsara ho fantatra dia ny hoe : inona no nahatonga ilay fahafatesana: Olona efa voky andro ve sa loza na aretina kosa.
Ireto farany no tokony hampametraka fanontaniana anao fa raha toa ka efa olo-mody ireo nodimandry ( 'zany hoe any amin'ny génération'ny raibe sy ny renibe any avokoa) dia lŕlam-piainana izany.
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fahafatesana misesy ao amin ny fianakaviana
Misy lalŕana mifehy ihany mantsy ireny fanokafana fasana ireny ,ka ny autorisation dia angatahina . Ny Antony dia io voalazaio ambony io , vao haingana loatra ny razana niditra faranay , ka tsy mety amin'ny fahasalaman'ny velona izay hampiditra razana vaovao ao . Misy ilay fomba atao hoe "haniritra" angamba izy izay , izany hoe manao lavaka eo akaikin'ilay fasana , fa rehefa maina tsara dia afindra miditra ao anatiny izy , azo atao io , fa ny fangatahana dia tsy maintsy atao hatrany .


Ny fahafatesana dia tsy miera , na izy mamely ny marary mafy na izy mamely ny voky taona (antitra na tanora), izay no fetra iainana. Koa mahereza ianareo fianankaviana, mifankatiava tsara , mifanohana hatrany . Tsy maintsy hatrehina ny adidy sy ny andraikitra ,mazotoa koa misakafo na izany aza , satria ny alahelo efa eo fa ny vatana mila matanjaka .

MAHEREZA ARY ANDRIAMANITRA ANIE HOMBA ANAREO MIANANKAVY .
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fahafatesana misesy ao amin ny fianakaviana
Misy zavatra insolite ihany indraindray, mahalasa heritreritra. Nanao fasana ny dadabeanay, dia ny olona niteny hoe asio vatan'akondro fa tsy mety ny mamela fasana foana. Tsy nino an'izany anefa izahay. Un mois aprčs anefa maty ny bebeanay, maty tampoka,tsy nisy oe narary na ohatran'izany. Heritaona tao aorinan'io maty ny nenitoa anay, six mois tao aoriana, maty ny vadiny. l'année d'aprčs, maty ny nenitoa anay iray, avy eo indray maty ny dadatoanay. Zanak'i dadabeanay daholo ireo, to maty tampoka ary nande antanatanatoatra le izy, ny zokiny indrindra no lasa, dia avy eo ny vadiny, dia ohatrizay foana... Somary nampalasa saina anay ihany fa pendant 2 ans teo izany dia nandevina quasiment tous les six mois izahay, ary nalevina tao amin'ilay fasana vaovao daholo ireo olona ireo!
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fahafatesana misesy ao amin ny fianakaviana
Normal b kosa aloha hoe tokony nasiana faty le fasana vao vita. D tsy hisy havana efa Maty azo nafindra tao v. Tsy misy idiran'n'y minomino foana fa n'a d ny mieritreritra oe iza zany ni faty alevinage ao voalohany aza tsy hankarary saina
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fahafatesana misesy ao amin ny fianakaviana
Mandiniha>>>> marina fa olona efa lehibe daholo fa na izany aza dia ao anatin ny fotoana fohy loatra ilay zava-mitranga. Na tsy te hinohino foana aza ny tena dia tsy maintsy lasa iany ny saina.
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fahafatesana misesy ao amin ny fianakaviana
Ezaka : Ka rehefa tapitra ny fetr'andro omena ny olona iray dia tsy maintsy mody ho amin'ny vovoka izay nakŕna azy izy, ary ireo mifanakaiky taona (génération) dia tsy maintsy mifanao aloha sy aoriana amin'ny fandehanana.

Izany rehetra izany koa anefa azo ialŕna tsara, fa miankina amin'ny safidin'ilay voaresaka ihany io (araka ny voasoratra hoe: Efa nataoko ao anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, mifidiana ny fiainana mba ho velona ianareo)
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fahafatesana misesy ao amin ny fianakaviana
Isika dia Gasy aloha vao Kristiana na Silamo, na adventista, na apokalypsa......
Dikany: iaino (vivez d'abord) ny maha-malagasy anao vao minomino ny entin'ny hafa.
Izahay manaraka fivavahana satria notaizana t@ zany, fa mitana ny fomban-drazanay izay fantatray fa tsara kokoa noho ny an'ireo nitondra ny kristianisma teto -
satria ireo olona ireo anie no mpitari-dalana ny mpanjanatany teto e.
Azo tsorina fa raha tsy niditra teto ny misionera kristiana, tsy nahantra sy gisitra toa izao ny Malagasy.
Tratran'ny cas maty nifanesisesy koa zahay t@ 2002, 3 mianadahy iray tampo maty dans 1 mois, dia tsy maintsy natao ny nanarina ny andron'ny fasana (nasiana vato 4 izay satria ratsy fitodika ilay fasana), dia nijanona ny série noire t@ fianakaviana.
tsy hoe tsy nisy maty intsony akory taty aoriana satria ny velona tsy maintsy maty fa nilamina toy ny fiainana rehetra zahay mianakavy.
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fahafatesana misesy ao amin ny fianakaviana
Tsy iraisan'ny rehetra nefa izany fomba izany raha tsy diso aho. Sa manao an'izany koa ireo tompom-pasana eo Anjanahary ? izaho mantsy dia leo an'ity fombafomba ity (fanidy, vatovelona sns...). te-hitroatra ny tena hanao hoe fa maninona moa raha manao fasana tsotra toy ny eny anjanahary dia tsy vohaina intsony rehefa voalevina ao ! mbola mila fomba koa ve izany ? zany hoe lavaka iray maty iray ! dia toy izany hatrany ! fa voatery ho mandrakizay ve ilay lazaina fa fahendrena hoe : velona iray trano maty iray fasana ?

Pages

Ajouter un commentaire

14 + 0 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.