Vous êtes ici

Miarahaba antsika rehetra.
Ialana tsiny aty ampihandohana fa somary lavalava ilay tantara.
Olon-droa avy nifanam-bady, saingy efa nisaraka an-taonany maro, nifampiteraka 01. Ny renin'ilay rangahy no mitaiza ny zanak'izy ireo rehefa nisaraka ry zareo. Samy efa nanam-bady avy ny andaniny sy ankilany taty ahoriana: ny vavy nanam-bady vazaha, ny lahy kosa nanam-bady malagasyy ihany.
Mifandray tsara amin'ny havan'ilay vadiny taloha io ilay ramatoa efa nanam-bady vazaha, noho ilay zanany tezain'izy ireo hono. Ary mbola ilay rafozany taloha io no nampitehirizany ny passeport, livret de famille sns momba azy sy ilay vadiny vazaha.
Ny message alefan'io ramatoa io amin'ilay vadiny taloha anefa dia sary manao kitapo nono sy silipo fotsiny (maro karazana ilay sary). Rehefa nanontany an'ilay rangahy ilay vadiny vaovao, dia hoe efa tsy misy resaka fiarahana intsony hono eo amin'izy ireo, fa asa izay mampandefa azy an'ireny sary ireny. Zareo ireo anefa matetika miaraka mandeha boîte de nuit, misotro toaka eny amin'ny Bar,...
Raha ianareo no nahita izany trangan-javatra izany, inona no fandraisanareo azy?

Par : Anonyme
Ataon'le sipa fitadavam-bola
Ataon'le sipa fitadavam-bola fotsiny le vazah ahafahany mampirevy ilay vadiny taloha! Mbola miaraka ireo e!
Par : jama
Tena bandy miahaka zany
Tena bandy miahaka zany vazaha izany, araraotin'le sipa sy ny vadiny taloha fotsiny marina

Ajouter un commentaire

4 + 10 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.