Vous êtes ici

Miarahaba ny rehetra ny tenako

Mitady fanampiana aminareo namana rehetra ny tenako (tsy voatery ho vola akory izany fa na hevitra na vavaka dia tena ilaiko tokoa) satria marary ny vadiko, rehefa nentina niditra hopitaly izy izay resaka glycemie miakatra no tena nidirany dia nampanaovin'ny docteur fond d’œil izahay. Teo no hita fa miakatra be ny tension oculaire-ny (72 ono nefa eo @ 16 eo no normal) ary tapaka ny lalan-dra eo @ masony gauche "glaucome néovasculaire" no mahazo azy ary tsy azo avotana intsony io masony io fa tsy afaka ny hahita intsony saingy mila vonoina maika be satria manaintaina azy ny lohany havia rehetra sy io masony io noho ny ra mivaingana ao @ lohany nefa hatreto noho ny tension-ny sy ny glycémie mbola ambony loatra dia mbola tsy afaka manao izany izy ireo fa asainy mampiasa collyre sy minana fanafody izay tena sarotra tadiavina no lafo vidy (eo ho eo @ 116000Ar isaky ny 6jours ny valeur-ny).
Ny masony havanana kosa dia "décollement rétinien" no mahazo azy ary mila didina farak'izay haingana mba hisorohana ny fahajambana tanteraka satria efa tena manjavona io masony io @zao.
Hopitaly iray eny Ambatoroka ihany no mahavita io chirurgie io eto Madagascar. Niezaka nanontany ireo clinique sy institut maro hafa izahay niala nenina satria tena tsy zaka ny prix t@ proforma nomen'ilay hopitaly teny Ambatoroka io (eny tonga hatrany @ province) saingy nilaza avokoa izy ireo fa tsy misy mahavita io "décollement" io fa ra tsy hande eny Ambatoroka dia entina any ivelany.

Eo indrindra ny olana satria ny maso izany dia tena ilaina eo @ olombelona, hatreto aloha dia ny hoenti-manana no tsy ampy ka izany no iangaviako fanampiana aminareo namana sao mba mahita moyen ianareo fa tena veri-hevitra izahay.

Dia misaotra anareo mialoha ny tenako

Par : anonyme
Mitondra ambavaka anareo. Tsy
Mitondra ambavaka anareo. Tsy misy vahaolana afatsy izay proposen'ny dokotera aloha raha resaka toy izany. Fa ny sakafo manatsara ny maso atao au max sao mba misy fanavotana azo atao, carotte tena atao jus, izay misy vitamine A rehetra. Matetika mantsy rehefa marary dia varina am sakafo efa mahazatra fona. Mirary soa indrindra
Par : za iany e
Misaotra anao nankahery. Ny
Misaotra anao nankahery. Ny olana kely dia noho izy diabetique ka ny sakafo maha-tsara maso dia mambitombo glycemie daholo (oh io jus de carotte voalazanao io). Tsy hita e, tena sarotra
Par : bl
Eo Mahazo, misy centre
Eo Mahazo, misy centre fijerena maso, anisa'ny tena mahay raha eto antananarivo. Misy tsy vitan'io ambatoroka io ary alefa zareo eny Mahazo
Par : za iany e
Bonjour, IVM no anaran'ilay
Bonjour, IVM no anaran'ilay eo mahazo ary efa teny koa izahay fa tsy vitany ilay izy e Efa tapitra naleha daholo eny h@ any Fianarantsoa aza saingy tsy misy mahavita. Misy sary sy B Scan ary OCT izay asain'ilay eny Ambatoroka ataonay halefa any ivelany ka jeren'ireo expert any ivelany hoe mbola azo atao ve ny fandidiana alohan'ny hahatongavan'izireo aty hanao azy saingy tena ny vola no tsy ampy e.
Par : anonyme
Mivavaka ho anareo e, mazotoa
Mivavaka ho anareo e, mazotoa mivavaka fa Andriamanitra mahay ny zava-drehetra, nataony tsy mahita vahaolana mihitsy nareo mba hifantoka Aminy irery, aza matahotra, mifalia sy misaora Azy isan'andro
Par : kalie
Mivavaha ka aza mitsahatra ,
Mivavaha ka aza mitsahatra , fa hain'andriamanitra ny zavatra rehetra
Par : za iany e
Bonjour daôl, vita ny B-scan
Bonjour daôl, vita ny B-scan sy ny fondus photo ary rehefa nojeren'ilay specialiste ilay izy dia mbola azo didiana tsara ono. efa miha-manjavona isan'andro ny masony ary tena ontsa tanteraka ny foko mahita azy mivavaka sy mandohalika isan'andro izay zavatra tsy dia fanaony hatrizay fa na mivavaka alohan'ny hatory sy rehefa mifoha aza izahay h@ zay dia eo ampandriana ihany dia vita. Tsy dia mazoto @ fandidiana ny tenany, ny resa-bola aloha no tena niandohany, rehefa niresaka t@ ilay mpitsabo azy @ resaka diabete iany koa mou dia niteny io Dr io hoe sarotra iany le cas satria ny olona diabetique sarotim-pery ny ao anaty maso anefa mando lava ka ho sarotra iany. Après operation iany koa dia tsy mahazo mijery io masony havanana io pendant 2mois à 6mois eo ho eo satry mety hiverina hi-décolle indray ra ahiratra avy hatrany, zany hoe tsy afaka ny hahita mintsy zany izy noho ny maso gauche efa maty tanteraka. Nisy koa mou ireo marary tratry ny décollement rétinien toy ny azy io tafaraka taminay teny @ hopitaly t@ alarobia teo t@ fotoana nanaovan'ilay spécialiste avy any inde contrôle anay, ary nilaza ireo olona roa izay mitovy cas aminy ireo fa tsy efficace ilay chirurgie ho azy ireo. ny iray efa nodidiana 3fois ary tena nanenina ny famille satry tsy maintsy handalo 4eme chirurgie indray io lehilahy io @zao nefa efa 200millions izay ny depensen'izy ireo. Ilay faharoa indray mbola indray no nididy saingy raha ny filazany dia arakaraky ny nandidiana azy no nahatonga ny masony ho nanjavona be mitady tsy hahita intsony. Ireo rehetra ireo no nahakivy azy ka dia tsy hitako intsony ny hatao fa mangataka vavaka aminareo namana hatrany ary raha misy mahita solution hafa (an-koatry ny ody ratsy sy ny fanantonana ombiasa) dia mba izarao eto iany. Mankasitraka e
Par : anonyme
Vavaka no tena vahaolana.
Vavaka no tena vahaolana. Ataovy toy ny antson'Andriamanitra ilay aretina. Mifalia fa voasoratra any andanitra ny anarany ary tsy very izy refa tonga ny andro ialany eto antany, victoire lehibe izany. Misy olona salama tsara fa very any am elo ny fanahiny. Manantona an'Andriamanitra bebe kokoa, au lieu de mitady dokotera ohatra dia ny asa fanompoana atao, mety sarotra ny manazava azy fa ref mino ianareo dia ho hitanareo ny voninahiny
Par : za iany e
Misaotra anareo manome
Misaotra anareo manome courage e! tena lasa tia mivavaka tokoa izy ao antrano ao ary ny hariva alohan'ny hatory sy ny vao mifoha maraina dia tsy maintsy mandohalika mintsy izy rehefa mivavaka. Ny atoandro mou zany tsy haiko satry za aty ampiasana. Mankasitraka e!
Par : Nah
Mazotoa mivavaka fa itanareo
Mazotoa mivavaka fa itanareo eo ny tanan'Andriamanitra mahery

Pages

Ajouter un commentaire

3 + 10 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.