Vous êtes ici

Miarahaba ny rehetra ny tenako

Mitady fanampiana aminareo namana rehetra ny tenako (tsy voatery ho vola akory izany fa na hevitra na vavaka dia tena ilaiko tokoa) satria marary ny vadiko, rehefa nentina niditra hopitaly izy izay resaka glycemie miakatra no tena nidirany dia nampanaovin'ny docteur fond d’œil izahay. Teo no hita fa miakatra be ny tension oculaire-ny (72 ono nefa eo @ 16 eo no normal) ary tapaka ny lalan-dra eo @ masony gauche "glaucome néovasculaire" no mahazo azy ary tsy azo avotana intsony io masony io fa tsy afaka ny hahita intsony saingy mila vonoina maika be satria manaintaina azy ny lohany havia rehetra sy io masony io noho ny ra mivaingana ao @ lohany nefa hatreto noho ny tension-ny sy ny glycémie mbola ambony loatra dia mbola tsy afaka manao izany izy ireo fa asainy mampiasa collyre sy minana fanafody izay tena sarotra tadiavina no lafo vidy (eo ho eo @ 116000Ar isaky ny 6jours ny valeur-ny).
Ny masony havanana kosa dia "décollement rétinien" no mahazo azy ary mila didina farak'izay haingana mba hisorohana ny fahajambana tanteraka satria efa tena manjavona io masony io @zao.
Hopitaly iray eny Ambatoroka ihany no mahavita io chirurgie io eto Madagascar. Niezaka nanontany ireo clinique sy institut maro hafa izahay niala nenina satria tena tsy zaka ny prix t@ proforma nomen'ilay hopitaly teny Ambatoroka io (eny tonga hatrany @ province) saingy nilaza avokoa izy ireo fa tsy misy mahavita io "décollement" io fa ra tsy hande eny Ambatoroka dia entina any ivelany.

Eo indrindra ny olana satria ny maso izany dia tena ilaina eo @ olombelona, hatreto aloha dia ny hoenti-manana no tsy ampy ka izany no iangaviako fanampiana aminareo namana sao mba mahita moyen ianareo fa tena veri-hevitra izahay.

Dia misaotra anareo mialoha ny tenako

Par : za iany e
Misaotra anareo mankahery fa
Misaotra anareo mankahery fa hita ho tena manana fiadanam-po kokoa rehefa nozaraina teto ny cas-ny ary nisy anareo nankahery. Mankasitraka
Par : Manjakely
Efa tena trop be le aretina
Efa tena trop be le aretina de tsitako zay ambara fa onena ny tena maita le soratanao, mafinaritra be aloha le oe mivavaka, fa miezaha ihany mitady solution, narary ny nenitoanay ary diabetika izy efa intelo niditra hopitaly tam taona 2019, de notenenin dokotera izy oe : "nga enao nahery nihinana pates" de tena namaly izy oe oui, de nanafatrafatra mafy mitsy izy ny tsy ihinana pates, ny tiko ho tenenina de oe mba mitandrema ian isika zay mahita izao e ! refa minana siramamy de siramamy mena vidina. Tandremo ko ny fihinanana compsé matetika, tena aleo ary mihinana hanikotrana. De mankahery de ho tahian'ny Tompo e !
Par : Anonyme
Izay vao hitako ity sujet ity
Izay vao hitako ity sujet ity fa tsy haiko rah mbola mahita ilay tompona sujet.Manana cas mitovy amin'ny anareo izahay,ny mamako diabetique efa taona maromaro izay,mitsindrona insuline izy(efa amantaonany koa),1 ans et demi teo ngamba zay nanomboka nanjavona ny masony ary tena hita hoe miharatsy ny fijeriny. Nanjavona no niantombohany dia avy eo sahirana izy rehefa av an antokotany ka miditra trano,tena lasa mila notantanana mits,tapakevitra nanao consultation any tan am Institut de la vision zay tam debut d'année teo,dia nolazain'izy ireo fa ts vitany tsony fa mila fandidiana,hopital mauricien otrn en ambanidia sa tsy haiko tsara fa za ko ts nandeh tamzai no nandefasan Institut anay. Tonga tao d nataony n devis,tena mila anle scan sy sary maromaro mialohan'ny fandidiana alaefa any @ ilay dok mpandidy satria moa ts eto izy fa any ivelany. Manodidina ny 12 millions ariary eo ny sarany,ary hita fa tena mavesatra,asa aloha rah ho vitanay na tsia fa hatreto dia fantatray fa Andriamanitra no mpanazava azy hatrmzay,any am toerana mazava izy mbola mahita nefa mirary ny hitsaboana azy zay raha afaka mijoro vavolombelona ny efficacité ny fandidiana ianao. Marihiko fa retinpathie diabetique no mahavoa azy,ary ny masony gauche koa no efa voa be ka mila avotana malaky,misy lalandra tapaka dia lasa misy rà kely mivaingana,manahy izahay ny hahatongavan'ilay aretina ho @ fahajambana tanteraka nefa ny mamako mbola azo lazaina ho tanora ihany (cinquantaine),mbola tena ao anatin'ny fotoana ilana azy izahay sy ny zafikely izay mbola zaza latsaky ny 10 ans ary misi amambolana.

Pages

Ajouter un commentaire

4 + 4 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.