Vous êtes ici

Niasa t@ domaines maro aho fa ny resaka ladoany, transit, import/export no tena nahitako tantara henjana be indrindra raha sexe no resahana. Tantara anankiroa no hotantaraiko:

Sipa akama iray niasa t@ orinasa tantanana vazaha izay midina any Tamatave isaky ny misy entana tonga ao @ port, i vazaha manome vola be miampy pression toy ny hoe: Omeko anao ny moyen rehetra hahafahanao mamoaka entana ka mila ny entana tonga eto Tanà aho @ alakamisy sinon tsy mila anao miverina ato am-piasana intsony aho, ilay sipa ny alatsinainy maraina no mandeha midina. Vao midina ilay sipa dia miantso inspecteur des douanes milaza ny olany, avy dia rendez-vous ny alin'iny any @ hotel-ny. Ny ampitso mandeha douane manao ny déclaration, mametraka ny dossier any @ ilay inspecteur, mandeha ny contrôle dia magataka ny anjarany koa ilay visiteur dia any @ chambre ny talata alina. Alarobia maraina ikala manara-maso ny fampiakarana entana @ camion dia miakatra mandeha taxi brousse ny hariva.

Tantara faharoa, niasa t@ orinasa mpiara-miasa @ ladoany izay aho ary nisy conteneur nila natao inspection nefa efa tonga Tanà. tokony ny après-midi no hatao ny inspection ary ny atoandro tao an-trano teo am-pisakafoanana aho naharay appel-na vhv ao @ ilay transitaire:
- Allô! Mr .......? mba te-hiresaka aminao aho mialoha ilay inspection hatao rahariva raha mety aminao fa ilay inspecteur-nareo manko efa ni-fixer RDV hoe @ 14h no hatao ny Inspection
- Ok ! mandalo any aho satria lalako mandalo eo mialoha ny handehanako ao am-piasana

Tonga teo aho t@ 13h30 dia efa niandry ahy tao anaty fiara 4x4 double cabine olona telo, sipa commerciale teo @ devant, sipa agent de transit ary ilay bandy inspecteur avy ao aminay tao aoriana. Avy dia niala ilay inspecteur niteny hoe "aleo ianareo samy lehibe no hiresaka angamba fa izaho hiandry ery". Teo dia nifandimby nandresy lahatra ahy izy 2 vavy mba tsy hanaovana inspection an'ilay conteneur fa mihoatra kely hono ny isan'ny carton ao anatiny fa tsy ilay voasoratra eo @ taratasin'entana. Aminay moa raha conteneur 40 pieds izany raha mihoatra hatr@ 10 cartons tsy dia azo atao hoe tsy conforme satria mety ho diso fanisa teo @ fi-charger-na entana ka nanontaniako hoe firy ny carton ao ? Tsy nety namaly izy roa fa ni-insiste; farany ilay commerciale sady nanganohano ny masony no niteny tamiko:
- Ataovy izay tianao hatao amiko Mr...... fa stp aza atao inspection io conteneur io, vehivavy aho miresaka aminao
Iny koa ilay agent de transit fa nivoaka ilay fiara sady nanamafy
- Izany ary Mr....... fa izy aza vehivavy manaiky izay tianao hatao aminy, ka aleo ianareo avelako @ izay hifanarahanareo eo fa izaho hamonjy ery @ ilay inspecteur-nao
Teo ilay sipa nihazona ny tanako sady nijery ahy, nanganohano ny masony nefa mbola nanambitamby ihany hoe izay takalony tianao avy aty amiko tenenina fa tsy asiantsika resaka any @ lehibe ity....

Nikitikitika ahy ny devolikeliko hoe sipa mamelatra amiko ity miteny ity ka araraoty.
Etsy ankilany ilay anjely mpiambina kely toa miteny amiko hoe matoa sahy toy izao izy dia misy zavatra grave be ao anatiny ao. Niezaka nisikotra aho hoe firy ny isan'ny carton tena ao hahafahako mijery hoe afaka tsy atao visite ve sa tsia. Tsy nety namaly izy fa nanomboka nisafosafo ny tanako sady niteny hoe: Miandry ny teninao aho.

Sady novohaiko ny varavaran'ilay fiara, nantsoiko ilay inspecteur ary nomeko instruction: Ataovy ny inspection hatr@ dernier carton, mila sary dy détails rehetra aho ary miandry ao am-piasana aho na @ firy na @ firy no vita ny inspectino, dia iny aho nandray ny fiarako lasa nankany am-piasana. tazako nitomany be ilay sipa commerciale tao anaty fiara.

T@ 6 hariva ilay inspecteur vao tonga tao am-piasana nitondra ny rapport:
3 fois -n'ny isa déclaré no isan'ny cartons tao anaty conteneur, misy entana tsy azo ampidirina teto madagasikara sady tsy azo amidimidy toy ny entam-barotra mahazatra tao anatiny, feno entana tsy misy factures.

Niakatra avo ny raharaha satria efa nisy tsolotra hafa nataon-dry zareo hafa tany ary namoaka ilay infoormation ka voasazy tsy afaka miasa @ fampidirana entana intsony ilay orinasa transitaire, nigadra ny inspecteur des douanes iray niray tsikombakomba t@ rizareo. Iiay bandy inspecteur avy tao aminay nisaotsaotra ahy hoe soa fa tsy nifanaraka t@ ratsy tany aho raha tsy izany dia mety niara-nigadra tany koa ary voaroaka @ asa mazava ho azy.
2 taona taty aoriana, nisy fahoriana tao aminay dia nipetraka niaraka t@ mana-manjo aho, nisy fianakaviana lavitra namangy tao ary teo @ 1ere ligne tsara ilay sipa commerciale nanao ilay proposition indécente, efa saika adinoko ilay tantara raha tsy nahatazana azy tampoka indray aho, dia nojereko tsara izy, izy anefa tena hitako menatra be nahita ahy ka niezaka tsy nijery mihitsy saingy tsy maintsy nandray tanana anay nony vita ny famangiana. Tsy nanadala azy aho fa somary lasa saina hoe raha tsy iny resaka inspection iny angamba mety nahavita nikôty azy ihany fa noho iny dia naleoko nilamina tanteraka t@ fifandraisana taminy. Mbola tafahaona matetika izahay @ occasion hafa fa tsy nasiako resaka intsony ilay tantara

fiber_manual_record rahazahenao
Dernière visite: Il y a 5 days 20 heures
A rejoint: juin 19, 2018
Misaotra ny mpitantara.Tsy
Misaotra ny mpitantara.Tsy ilaozan'ny zava-mitranga ohatra izany mihitsy any amin'ireny toera-piasana maro samihafa ireny.Ny tena mahafinaritra ahy dia ilay toe-tsaina feno fahendrena niatrika ny fakam-panahy: mametraka ambony foana ny fanajana ny fitsipika mifehy rehefa anatin'ny asa.Raha mba maro angamba ny olona marina tahaka anao anivon'ireny toera-piasana be afera ireny mba mba mety ho lasa lavitra ihany ny firenentsika an !
Par : Tafa
Mampatsiaro ahy ny tantarako
Mampatsiaro ahy ny tantarako ity resaka ity. Zaho ndray vehivavy azo lazaina fa mba misy jerevana ihany. Tamin'ny mbola nianatra tamin'ny universite dia nisy chef de departement nikoty ahy foana fa tena tsy nanaiky mihitsy aho. Indray mandeha anefa nisy offre bourse mande aty ivelany, zaho mahay ihany fa tsy voalohany kosa aloha. Miresaka moa ny mpinamana dia hoe hanao an'ilay offre koa ilay bandy major tao aminay, dia efa hoe tsisy chance ho ahy izany fa any anaty selection dia efa ho raraka. Nandeha tao amin'ny Chef departement zaho dia nifanaraka taminy fa amboarina ny notes-ko fa hainareo ihany ny takalony. Nanao rendez-vous zahay, indray mandeha tsy niverina ary natao daholo izay tiany. Tao aorina an'izay dia namboarina ny notes-ko. Olona 5 zahay no voaray tamin'ilay selection de dossier, samy tafiditra na zaho na ilay bandy major tao aminay dia nisy ankizy 3 avy amin'ny universite hafa. Entretien moa amin'ny teny Anglais dia zaho efa zatra be miresaka, zaho no nahazo ilay izy sy naharesy lahatra indrindra. Tsy hanenenako ny vita fa kosa dia secret-ko notazomiko ho ahy irery io tantara io. Tsy namerina intsony fa io indray mandeha io iany.
Par : ladoany
Tantara hafa iray, t@ izaho
Tantara hafa iray, t@ izaho mbola tao @ ilay orinasa niara-niasa t@ Ladoany ihany no nifandraisako t@ sipa transitaire iray ary entana tonga @ avion matetika ny azy no atao dédouanement, izaho moa nikôtikôty azy fa tsy nahazaka ary nivadika finamanana ny anay ary izy nahavita ni-confier zavatra betsaka tamiko. Anisan'izany ity tantara ity. Noho ny fifampikasokasohany t@ inspecteur iray teny Ivato no lasa naha-mpisipa azy ireo, ilay inspecteur efa manambady fa ilay sipa mbola vadibe. Vokatr'io fifandraisana io dia adiny iray aorianan'ny atterissage-n'ny avion dia efa afaka raisina ny entana, formalités fotsiny sisa ny ambiny. Raha misy vol avy any france in-telo isan-kerinandro farafahakeliny dia in-telo koa farafahakeliny ilay sipa miaraka @ le inspecteur, maka entana @ 3 hariva dia mitohy mandrapaha alin'ny andro. Misy fotoana, ilay bandy vadibe an'ilay sipa tonga any an-tranony miandry azy, ilay sipa sy ilay inspecteur mbola manao ao anaty fiara eo akaikin'ny vavahadin'ny tranony, dia miandry an'ilay bandy mandeha hody ilay sipa vao mivoaka avy ao anaty fiaran'ilay inspecteur sao tratra ny fofona (parfum sy sperme). rava tanteraka mihitsy ny fiarahan'ilay sipa t@ ilay vadibe-ny fa dia tamana be @ ilay inspecteur, moa koa izy homen'ny orinasa vola misimisy kokoa hitsolorana ladoany kanefa tsy alefany any ilay vola satria izy efa manana relation @ io inspecteur io. Mazava ho azy tsy misy reçu ny tsolotra fa dia any am-paosin'ilay sipa. Nanambady ihany ilay sipa taty aoriana fa ilay inspecteur kosa rava tokantrano tanteraka ary tsy stable intsony teo @ resa-pitiavana
Par : Abcbd
Mankasitraka @ fizarana fa
Mankasitraka @ fizarana fa mba ahitana karazana situations maro ny partage toy izao, ary misy hakana lesona. Soa fa tsy nanaiky ny tetika anzareo ianao. Mahonena ihany ny vehivavy miharitra pression be toy izany @ asa! Mirary Soa ho an'ny rehetra :) !
Par : Irène
Izaho manokana tena sahirana
Izaho manokana tena sahirana vao nahita asa, ary tena mila vola amelomana ny ankohonako, ka nataoko fadindrazana ny milalao fitiavana sy mangalapinana any ampiasana zany, une fois ianao manaiky dia vita ny aminao. Ekeko fa misy risque rah mandah nefa aleoko voroka toy zay anaiky anzany misy ressaka sexe sns zany. Mpiara-miasa zay nanatitra anah, za nanaiky service ampahatsorana, kay izy mtady zavatra hafa, izy aloha catégorie ambony, nampanatena ahy fa anome ahy ze tiko, saingy na sahirana aza aho aleoko amzao. Taty aorina fosain'olona daholo ireo mpanao plan Q ato ampiasana, dia hoy aho hoe soa ihany aho fa tsy nidikizo
Par : ouff
misaotra anao t@ tantara ary
misaotra anao t@ tantara ary tena chapeau be mintsy t@ ilay tsy nanaiky nanaovana kolikoly avo lenta. raha misy fotsiny 10 toa anao mety hiova sy handroso ity Firenentsika ity. resaka sexe moa le ato fa na izany aza tena nitsiky kely mihintsy aho namaky ny tantaranao . Nde atao oe nanavotra ain'ny Malagasy maro ianao.
Par : Abcbd
Irène, marina mihitsy io
Irène, marina mihitsy io voalazanao io hoe aleo mijanona sahirana na voaroka raha misy toy izany ao ampiasana fa ny honneur sy ny dignité no bafoué voalohany. Maty fosa mihitsy avy eo. Saingy indrisy fa vitsy ihany no toy izany fa dia roboka daholo tsy lahy tsy vavy ! Maro2 aloha ny gasy ohatran'ny tompon'ny topic na izany na tsy izany az.
Par : Ladoany
Malaza ity resaka ladoany ity
Malaza ity resaka ladoany ity.... Malaza ry Inspektera....
Par : conflit
Nitondra département iray
Nitondra département iray izay aho taloha t@ orinasa iray izay, DAF no sefoko ary misy 10 teo ho eo ny teo ambany fahefako ka 2 @ ireo ihany no lehilahy. Nisy fotoana aho ni-flirter t@ sipa iray tao anatin'io département io, kanefa vetivety ihany fa tsy tonga hatrany am-pandriana akory. Somary nisy conflit izaho sy io sipa io taorianan'izay ka tazan'ny mpiara-miasa sy lehibe-ko hoe tsy nety nitovy fijery izahay ary lasa sakana ho a'ny fandrosoan'ny département. taona vitsy taorianan'io dia nametra-pialana mihitsy aho ka ilay sipa no-flirter-ko no nasain'ny lehibe-ko namindrana fahefana. Herintaona ihany no nitondran'io sipa io an'ilay département dia niala koa izy fa tsy nahazaka tsiny t@ ilay lehibe. Nisy periode de flottement kely vetivety fotsiny ilay izy dia sipa anankiray efa tao ihany no nandray ilay département. Rehefa natao ny fanadihadiana dia io sipa io kay no nanao ny manipulations rehetra mandra-pahatongany teo @ io toerana io satria hay izy sipan'ilay DAF. Izy no nanome pression tany @ DAF nahatonga ny DAF lasa en conflit tamiko sy t@ ilay sipa iray koa ka niteraka ny fialanay. Izany resaka voretra izany no mameno orinasa maro eto Madagasikara ary saika nanefa hatr@ fiainan-tokantrano mihitsy moa.
Par : Radiry
Conflit
Conflit Somary hahitsiko kely ny zavatra ambaranao manao hoe (resaka voretra no mameno ny orinasa any Madagasikara ,izaho dia mpitantana orinasa fa aty ivelany ,tsoriko aminao fa mbola pira ny aty ivelany ,satria miady ny ho tsara toerana daholo ,dia saika isan 'andro aho dia manao tribonaly kely foana mitsara ny adin'izy rehetra ,fa nony tato aoriana nisy nanome sopapa aho hoe ,ny hiaraka amiko hono no tanjon dry zareo ,ary ny tena loza dia saika hanaovany afindrafindrao aho ,(miala ny eo dia miditra ny manaraka ) ny tena antony dia manao asa cool mahazo cadeaux sy revy ary augmentation tsara ,soa ihany fa nahafehy tena aho ,fa raha tsy izany efa ela no voadaka .

Ajouter un commentaire

1 + 6 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.