Vous êtes ici

Miarahaba antsika rehetra, vehivavy aho ary manambady aman-janaka ara-dalàna. Ny fanontaniako dia hoe "AZOKO ATAO VE NY MITORY NY VADIKO FA TRATRAKO NANAO ADULTERE IZY?". Ny faharoa dia hoe "AZOKO ATAO KOA VE NY MITORY ILAY VEVAVY MIARAKA AMINY SATRIA FANTANY TSARA FA TSY METY IO ATAONY IO ARY (TSY AIKO FA ENGANIE KA MBA MISY LALàNA @ ZANY.

Misaotra betsaka ho an'izay mamaly

Par : Eny
Eny afaka mitory soa aman
Eny afaka mitory soa aman-tsara ianao raha misy porofo mazava,
fiber_manual_record rahazahenao
Dernière visite: Il y a 2 days 8 heures
A rejoint: juin 19, 2018
Miarahaba an'i Aina ,
Miarahaba an'i Aina , Omen'ny lalana zo tokoa enao hitory raha izay no mety aminao ,saingy tsy ianareo mivady irery no ao an-tokantrano fa misy ny zanakareo.Ho tantinao ve ze mety ho alahelon'ireo zaza sy izay mety ho fahankalany anao fa oe enao reniny no nampigadra ny rainy ??? Sao dia tokony hieritreritra zavatra hafa ihany hamahana ny olana.
Par : anonyme
Azonao atao ny mitory. Saingy
Azonao atao ny mitory. Saingy inona no tanjonao? Hisaraka ve sa hanafay? Tsarovy fa ny fitiavanareo no misy tsy milamina matoa izy manao an'izany. Tsy ho lasa tiny indray ianao raha mitory azy fa vo maika halany aza. Raha hanao divorce ianao dia torio izy tsy maninona, fa raha mbola mikasa ny hijanona aminy dia aleo mifampiresaka sy mandini-tena. Ny fitiavana tsy azo terena, garde pénitentiaire no iafaranao raha hanafay sy hanery azy ianao, sady ianao ihany no hijaly eo.
Par : Nah
Ny vadinao aloha no torian
Ny vadinao aloha no torian voloh, zay vo ilay vehivavy, fa raha mandà zareo sarotra be an. Olona miara-miaina aminao ve d mahfnartra anao lé ifampitarika eny am tribonaly, tonga d vitao ny divorce rah andeh any amzay lalana izay. Efa tsis ftiavana tsony zany tantara zany fa ifamotika eo ftsn.
Par : Anonyme (non vérifié)
NY VADINAO ANARINA, SA
NY VADINAO ANARINA, SA MIERITRERITRA VE IANAO FA HO TIANY BE REF AVY MIGADRA IZY, SAO MBA NITENY ANAO IZY FA IANAO NO TSY MAHALALA TSY TIANA? NY VY TSY MIKITRANA IRERY
Par : eny
Azonao atao ny mitory kanefa
Azonao atao ny mitory kanefa mila porofo ianao toy ny rehetra ihany fa raha vava fotsiny tsy misy lanjany eny amin'ny tribonaly. Noho izany diniho tsara aloha hoe mety hitombona ve ny porofonao (ohatran'ny constat de flagrant délit d'adultère na constat na huissier ihany manko no mitombona fa raha ny teninao fotsiny dia sarotra be)
Par : eny tokoa
azo atao tsara mihitsy ny
azo atao tsara mihitsy ny mitory azy roa : -mitory ilay lehilahy noho ny fanitsakitsahany tokantrano sy ny zo fototra araka ny fifanekena nataonareo roa sonia tany @ firaisana : higadra izy na mety andoa honitra aminao na koa ho rava ny fifanekenareo roa ( divorce) raha kinga ny mpisolovava anao , n'inoninona aloha tsy maintsy hahazo onitra ianao. - mitory ilay vehivavy noho ny fanakorontanana ny tokantranonareo sy fanodikodinana ny loham-badinao : figadrana sy onitra no hiandry azy . mety tsara daholo ary azonao atao io!
Par : koja
ny tiko hanontaniana anao oe:
ny tiko hanontaniana anao oe: t@ izy tratrano ve mba nahalala nihaiky ny hadisony, ka nifona? raha nanao izay izy de aleo tsy miditra @ fitoriana, fa mamela azy, ts misy olona ts diso akory fa ra mihaiky ny hadisony sy mifona de efa zava-dehibe izay, raha mbola mamerina anefa ao aoriana de mandraisa @ izay fanapahak'hevitra
Par : kalie
fahitako azy de tezitra mafy
fahitako azy de tezitra mafy enao satria navadiky ny vadinao , nefa milamina , aza manambany tena mitory azy zany fa refa tsy zakanao fotsiny de mialà , na makà recuul fotsiny , refa tena dinihina manko de lasa enao no ridicuule manenjika azy fa izy tsy ahatsapa tena diso mihitsy , meteza ho vhv hendry ka hipetraka tsara , raha mifankatia zareo de tsofy rano fotsiny fa aza miasa saina amin'izay hanimba azy , ataovy tsaratsara kokoa ny fiainanao sy ny zanakareo de aatovy zay mahasambatra anareo , fa za miteny kosa hoe aza manao vengeance ka hampirafy azy indray fa mandehana fotsiny de tohizo ny fiainana , raha tsy anjaranao izy de mety hisy indray andro anjaranao fa ny zanakao aloha hiatrehana
Par : Ledada
Vitsy ny vehivavy manana toe
Vitsy ny vehivavy manana toe-tsaina toa an'i Kalie. Eny tokoa e, adinon'ny maro fa "Fitiavana" no basen'ny tokantrano ka rehefa foana io dia tsy misy azo atao. Tsy aleonao ve mandany andro mitady izay nampikitrana ny vy, mamerina ny fifankatiavana. Lehilahy aho no miteny, fa raha mampirafy aho ka mitory ny vadiko dia maka avocat aho dia vita ny tantara, tsy azoko mihitsy hoe torina dia potehina ve izany ilay olona, asio eritreritra ihany na izany aza

Pages

Ajouter un commentaire

15 + 1 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.