Vous êtes ici

Bevohoka 3 mois aho izao ary tena marary lamosina be indrindra rehefa vizaka,na manao zavatra mafimafy,mila tsy hahafindra ny tongotro rehefa mihetsika ilay izy ary tena mivilana mihitsy ny fandehako.
Rehefa avy matory kosa anefa aho dia allégé ilay douleur,zah anefa tsy afaka atory foana satria miasa ary mipetraka foana ny ankabetsahan'ny fotoanako ato ampiasana.

Mba mila torohevitra azafady fa matahotra hoe ambany toerana ve ilay zaza sa tsy salama,inona no mety ho antony sy ny azo atao.
Misaotra izay mamaly.

Par : Missi
Sahady ve? Tsy maintsy mihafy
Sahady ve? Tsy maintsy mihafy ianao. Mitsangana matetitetika. Ny zaza tsy afaka faritana hoe ambany toerana raha tsy ny mpitsabo no mamaritra izany. Tsara manantona dokotera mihitsy aloha, aza manao vizana mihitsy fa aleo aza ny asa na zavatra hafa no afoy.
Par : Ginah
Tsy tokony ho taitaitra ianao
Tsy tokony ho taitaitra ianao, miova ny vatana rehefa bevoka. Manaova repos matetika, mitsangana kely mandendeh dia misakafo tsara koa e
Par : moi
Misaotra anareo rehetra
Misaotra anareo rehetra namaly fa mba efa azoazo izy zao,repos no tena itako fanafodiny.
Par : anonyme
Rehefa teraka ianao dia afaka
Rehefa teraka ianao dia afaka io e, aza manahy fa mafy anie izany mitondra vohoka e, saingy alaivo tsirony, manaova repos matetika mihitsy. Vitan'ny hafa dia vitan'ny tena ihany koa e
Par : Ursula
Ilay kibo no misintona makany
Ilay kibo no misintona makany aloha dia lasa ny valahana no mizaka an'ilay izy. Conseil ihany maman a. Aza manao vizaka loatra fa aleo maka mora ihany. Tongava soa ny vahiny kely e

Ajouter un commentaire

2 + 5 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.