Vous êtes ici

Restriciton si mineur: 

Miarahaba antsika rehetra, mikasa ny hividy huyndai grand starex izahay mivady nefa mbola tsy mahay sy mahafantatra tsara ny détails (avantage et défaut) momba azy ka mangataka ny conseils, ny avis ho antsika izay mampiasa na efa nampiasa azy. Misaotra mialoha amin'ny valin-teny. Aoka mba ho matotra azafady

salama zalah,mbol ts de tena mahay tanteraka resaka ny mazda ny tenako,ef nihina menaka le moteur de noentiko tany am meca de oe maty valve soupape, de nosoloina de nihena kely le fihinanany menaka 2 semaines lasa zay, omaly nef zahay nde hody eny andalana miasa iny in 3 mamonotena lery teny, ny farany de tena maty ts nety velona tsony.jereko ny maraina ny andro, ary am minimum ny menaka tavela,

Salam aby, rah mivoaka menaka v eo @ lay tuyau kely eo @ turbine iny de possible ho lay turbo no voa? ka rah simba d aiza no mety mis mahay manamboatra tsara? ny fiara rehefa mampiditra première sy deuxième de somary miraikidraikitra (fiakarana moa d miraikitra mits ny première) troisième tonga d mahazo reprise tsara fa lay menaka aloh de mitete foana raha vao mandeh na velona ny fiara. merci hoanizay efa mbô mety efa tratranio blem

Araka io sujet io, mikasa hividy fiara fa mba haka conseil aminareo efa mpahay azy avy, inona avy no tombony na lesoka @ireo fiara ireo? Manaoa ahoana ny consommation, inona no moteur tsara sy mora kojakojaina @reo ?
NB: Tsy hatao taxi-brousse aloha fa mba taizana fotsiny.
Sao misy mahalala koa hoe hoatrinona no vidiny izao, raha misy bonne occasion, na ny efa nahazo numero gasy.
Merci ee

Salama isika rehetra,Mba ady hevitra misokatra ity ny hevitrareo amin'ny comparaison avantage sy inconvénient avy ny moteur essence sy diesel rehetra. Mba hahafahana manao choix tsara no tena tanjona.Marihiko fa mba hezahina ho objective kokoa fa tsy atao hoe nena essence dia izao na nena diesel dia izao.Ireto no fantako fa tsy aiko hoe izy rehetra ve ireto.Mazava be tsy azo discutena, mora ny litren'ny gasoil nefa raha fiara roa mitovy marque kely foana ny consommation litre au 100 km ny diesel nohon'ny essence.

Bonjour daolo,Mba mila fanampiana kely ry zareo, indraindray le fiara tonga de mironfle oazy tonga atram 2500 tr, de vonoina de velomina de afaka ,de misy trou d'acceleration a bas regime, ny temoin check nefa tsy mirehitra, possible ve ra atao diag ita ve le panne nefa le temoin check ts mirehitra akory.Merci daolo

slt daholo audi b4 td 1.9l ny ahy, misy lalana fanaovako mafimafy zay, miditra 140 za eo, nisy fuite le pompe nefa mbola nahatratra anzay ihany, nosoloina ny joint torique de tss fuite tsony fa lasa 120 za eo, in no mety tsy milamina, pompe bosch le izy, mba mila toro hevitra, merci

Salama , dia miarahaba antsika rht tratry ny taombaovao.Mikasa hividy fiara kely hoentina miasa, dia mirona am KIA MORNING ny tena, kelikely ka mety ho mora hoentina kokoa hoanay vehivavy. Manao ahoana izy ireny hoan'ireo izay efa manana , inona no matetika pb nareo ? misaotra sahady tompoko

salama daholo zareo ao am club SPmba mila fanampiana kely zareo a, vao nividy 313 caros cdi fa efa nosoloinle olona tompony moteur sangyoung le iz saika mba hanotany aho inona no mba mety olana any aorina any aminio moteur io, misy namako niteny oe ny olananio moteur io de izy mora maty volant moteur fa akoatrizay hoy izy tsy de mis olana!!!! marina ve io zfd, ary ny zavatra tsapako tato ato ko zao (asa mety zaho ko no tsy mahay mitondra azy) fa oatrany kely aina le iz 4 cylindre le iz . mba mangataka fanampina fanazavana zala misotra betsak e

Salama daholo!Saika hanotany kay oe mbola fiable ve ireny vw touareg 2003?Mora aitana piece v, sa tonga dia borina ra misy simba, ary idrindra iany koa ny coté electrique?Misaotra mialoha.

Pages