Vous êtes ici

[tif ] - Recette PANCAKES indray no atolotra antsika anio
ZAVATRA ILAINA
-Lafarine 250g
-ronono 30cl
-atody 2
-dibera 30g
-siramamy 20g
-sira 1 tsongo
- levure chimique 1
FIKARAKARANA
1)afangaro ny lafarine+atody+siramamy+sira ,araraka moramora ihany koa ny ronono.
2)arotsaka ny levure chimique sy ny dibera.apetraka mandritra ny 1 ora
3)afanaina ny lapoaly,ary osorana menaka kely fotsiny
4)araraka eo amin'ny lapoaly ny paty ary avadika rehefa misy ilay endrika masotantely iny(atao afo malefaka)
Manasa anao ary hikarakara ee,mety sakafo marina an,afaka atao goûter ihany koa,ampiarahana amin'

[tif ] - Miarahaba antsika rehetra e☺
Sakafo tsotra,mora karakaraina
CORDON BLEU fait maison
ZAVATRA ILAINA
Nofon'akoho 1/2kg
Fromage 100g
Chapelure 6sotro
Lafarine 6 sotro
Atody 2
Sira
FIKARAKARANA
Tetehina fisaka toy ny amin'ny sary ny nofon'akoho(mahavita maromaro)
Kikisana ny fromage,araraka eo amin'ilay nofon'akoho
Enrouler-na toy ny manao crêpe avy eo izy roa
Alefa anaty lafarine,dia atsoboka anaty atody voakapoka,ary farany chapelure( averina indroa io )
Afanaina tsara ny menaka ary arotsaka .
Vita ny CORDON BLEU
Mirary anao hazoto hikarakara

[ma ] - Mofomamy vita ami'ny vomanga
Akora ilaina · Vomanga 1kg · Siramamy menamena ¼ kg · Lafarina 2 cas· Dibera 200g · Atody lehibe 4 · Lavanila tahony 1 · Rhum 4 cas

Fikarakarana azy

1. Andrahoina miaraka amin’ny hodiny aloha ny vomanga

2. Tsy atao be rano rehefa mahandro azy mba tsy ho potika

3. Rehefa masaka dia voasana ary potsehina

4. Mandritra izany fotoana izany dia hafanaina ny lafaoro

5. Afangaro amin’ireo akora rehetra voalaza etsy amin’ny lisitra

6.

[tif ] - Inona ny biscuit tena nahafapo anao ny tsirony ?

Ny ahy manokana dia biscuit bip bip de kip coco

[ma ] - Recette nstika anio : fromazy fondu amboarina ao an-trano

Akora ilaina · Ronono 1,5 litatra · Ranom-boasarimakirana 3 cas · Vovo-dronono 30 g · Dibera 50 g · Sira 2 tsongo · Ranony avy nanafihazana ny ronono 2 cas
Fikarakarana
Afanaina ny ronono. Tsy avela hangotraka fa vao mangorovitsika dia vonoina ny afo ary bataina. Andrarahana ranom-boasarimakirana dia tantavanina amin’ny lamba manify madio. Fihazana tsara.
Tsy miandry ela fa izy mbola mafana dia afangaro amin’ilay ventiny ny dibera sy ny vovo-dronono ary ny sira.Asiana 2 sotro amin’ilay ranon’ny ronono vao notantavanina teo.

[tif ] - Inona avy sakafo mampiavaka antsika gasy amin'ny firenena hafa ?
Ohatra : varin'apango sy siramamy

[ma ] - Inty indray ary ny recette hozaraintsika androany
Ranomanonaka
Kobam-bary 125g
Lafarina 125g
Sira 1 sotro kely mitafotafo
Siramamy 1 sotro
Rano mangotraka 700ml
Atao ao anaty sopiera na saba ny kobam-bary rarahana rano mangotraka 350ml aroina haingana tsy mijanona mba tsy hisy mivaingambaingana arotsaka indray ny ranomangotra 350ml ambiny, arotsaka ny lafarina mbola aroina tsy mijanona ihany ary farany ny sira sy siramamy

[ma ] - Ho an'ireo izay tia mihinana soupe tamatave de ireto misy bon plan culinaire ana soupe tsara ao tamatave
1 - Mahatehotia : soupe + demi-lune eo am 10.000ar ny vidiny, n aoka fotsiny ny tsirony, trano hazo tsotsotra kely eo ampitan'ny alliance française Anjomà no misy azy.
2 - Plaque jaune Ankirihiry : tsy dia lafo satria 8.000ar ny soupe plaque jaune spéciale, be garniture tsara ary matsiro, somary tsotsotra koa ilay toerana
3 - Longo : soupe flocons de neige garnie spéciale sy soupe longo koa (ankoatra ny misao du maitre moa fa lasopy aloha ny resaka eto), misy iray eo Anjomà ary tra

[tif ] - Efa kelisisa dia ho tonga ny fotoanan'ny litchis ka aoka re isika mba samy hanary ny hodiny eny am daba pako fa tena mampalaehlo le fahadiovantsika gasy e

[li] - inona ny tianao rehefa mijanona misakafo iny fiara na taxi brousse raha hidina na hiakatra amin'ny faritra hafa ianao ?

Ohatra eo maevatanana: poisson sauce , hena ritra

Pages