Vous êtes ici

[Pou] - Miarahaba antsika !
Otrinona eo eo kay ny budget ilaina raha hanao château d'eau ho an'izay efa nanao ? De aiza no misy mora2 ?
Misaotra sahady

[temaka] - miarahaba o
intéressant ve ry zareo ny chauffe eau solaire? sao mba misy afaka mizara traik'efa na ny solaire na ny electrique azafady?
misaotra mialoha

[Stone Cold] - Miarahaba ny rehetra ato,

Tsy aiko raha eto no toerana mety amin'ity fanontaniako ity.

Fanontaniana dia izao hoe aiza kay no toerana misy manao analyse rano amin'ny lavadrano raha toa ka azo sotroina na tsia?

Misaotra mialoha

[Mpandalo ihany] - Mpandalo t@ forum endriny taloha ary sendra mandalo androany.
Mikasa hanangana trano. Efa vita ao ny plan, mitady olona hanangana azy amin'izay.
Mba olona manana fahaizana @ trano tsara ilay hanao ny trano ary afaka manaraka sy mamaky plan d'exécution , saingy afaka manao soso-kevitra fanatsarana "hanamaivana ny coût nefa mijanona mafy ny zavatra hatao". Manana équipe mahay ihany koa ary mba mahavita haingana, manaja fotoana sy ny fifanarahana rehetra.

[Rainilita] - Mikasa hanao piscine 8*4 : 32 m²
Manao ahaona ny dépense am zany ,
Tuyauterie JIRMA tsotra io ihany ve sa mila manalehibe
Tsy misy lay motera bac à chlore iny ve
Mandany ve ny traitement rehefa vita lay izy

Salama daholo oh,

Eo ampanaovana trano ety talatamaty izahay. Efa voalalotra ilay izy. Afaka volana vitsivitsy dia nisy tritra nipoitra 3 eo amin'ny rindrina samihafa. Milaza ilay mpanao trano fa tsy maintsy mipoitra izay rehefa manomboka maka toerana ny trano fa amboarina fotsiny rehefa hametaka ny loko. Tena marina ve izany ?

Misaotra mialoha

[Aina] - Salama daholo,ba mangataka torohevitra avy @ tsika. Toy izao ny zavamisy : mis tany izay miendrika « rectangle » anjara lova anreo Dadabe sy Bebe-ko izay mzara efatra (4) mazava tsar. @io fizarana 4 io nf ny anjaran’ny Dadabe-ko d namidiny t@ Nenitoa-ko ary ny Nenitoa-ko nivarotra ilay tany t@ Mama-ko.Tsy bol vita partage nf ilay tany. Mis n kadasitra ara-dalana an’ilay tany ary mis ny taratasy fifampivarontana an’ilay tany teo @ Dafabe-ko sy ny Nenitoa-ko. Ka ny torohevitra ba angatahako @ tsik d oe ra tiko o soratana @ko ilay anjara tany d aon ny procedure tkn o arahiko?

[Raphi ] - Salama tompoko, saika mba hanontany oe aiza kay no mis manamboatra du mivarotra ireny poutrelles préfabriqué reny eto antananarivo? Ny tena tsara de akaiky aty Tanjombato.
Misaotra mialoha tompoko!

[tax2] - Miarahaba ny mpikambana rehetra,mikasa ny hanangana rarivato (batery) 2m ny ahavony,(Tsy tany nototorana fa hady ny ao ambaniny)16m ny alavany izahay .mety mahalany vato gaborarka 20*20 firy isa,simenitra,fasika m3? ny karama ihany koa ,manodidina ny ohatrinona eo? misaotra

[Hanao trano] - Salama daholo oh,
Mba manana fanontaniana vitsivitsy ry reto amin'ny fanaovana trano ah:
Momba ny fototra :
- raha mafy ilay tany, tsy maintsy mila semelle v sa béton de propreté (8 à 10cm d'épaisseur) + fototra moellons dia efa mety? Ilay trano dia tsy hoe hisy étage fa combles aménageables
- Ilaina v ny mampiasa film polyane alohan'ny hi-couler-na an'ilay béton?
- Ilay tany en pente, dia ny noheritreretina dia hi-épouser an'ilay pente ilay construction donc misy demi-sous-sol izany izay vao RDC, tsy mampaninona v izany?

Pages