Vous êtes ici

Araka io sujet io, ny mpivady izay manana compte commune ve dia mitovy ny zoany amin'ilay compte sa samihafa! Mila fanazavana, tsy izany mantsy fa misy namako iray izay efa manambady ary miteraka telo, manana anton'asa izy ( épicerie), ny vadiny dia miasa am societe afaka aba matanjaka! Marihina moa zany fa manana compte iraisana zareo ary raha ny filazany dia ilay rangah iany no manana fahefana ampiasa ny vola ao amin'ilay compte! Indray andro anefa ramatoa ity dia nampisehoan'ilay vadiny relevé de compte , ka gaga izy satria be loatra ny retrait ataon'ilay rangahy vadiny anefa ts fantatra hoe makaiza ilay vola! Lasa ary ity ramatoa nanatona ilay banky rehefa lasa niasa rangahy vadiny ary nanadihady tao! Nilaza ireo mpiasa tao fa misy kaonty hafa misoratra amin'ilay rangahy ka afindrany any ny vola isaky ny tapa bolana! ankona sy gaga ilay ramatoa! tsy izany iany nefa fa mbl manao versement am kaonty an'olona ts fantatra i rangah! Code amzay i ramatoa fa soit manana vadikely soit misy zanaka an-jorony rangah! Tsy nijanona teo moa izy fa narahiny maso ny dia alehan'ilay rangah ka tratrany miaraka amina mpianatra eny am lycée! tena nalahelo ramatoa kanefa ts itany izay atao! mila toro hevitra

Par : Bera pôlisy
Inona ilay hoe compte
Inona ilay hoe compte iraisana ? compte iarahana mandrotsa-bola fotsiny ve fa misoratra tanteraka @ ilay rangahy ? Sa tena compte joint ? Ary raha ito farany, moa ve ny signature ET sa OU ? Dia arakarak'izay ny valiny. Raha misoratra manokana @ ilay Rangahy dia izy irery ihany no afaka mampiasa azy, raha tsy hoe manome mandat an'ilay ramatoa izy hampiasa azy. Raha compte joint indray dia raha signature OU, dia samy afaka mampiasa izy roa (mahaleo tena) Raha compte joint double signature ET, dia tsy misy afaka mampiasa ilay compte raha tsy miaraka (double signature). Raha tsy ireo : didy jadona na machisme Mirary soa.
Par : Alice
Ka ny olana anie izy daholo
Ka ny olana anie izy daholo no mitahiry ny taratasy e! sady tam nanao contrat dia asainy manao sonia fotsiny ah fa ts nanazava mihitsy izy
Par : Bera Pôlisy
Aleo hazava ny resaka hoy
Aleo hazava ny resaka hoy ilay ranamana izay. Manao sonia taratasy tsy fantatra ???? Mampanontany tena Angaha tsy mba azonao atao ny mankany @ banky manontany ? Mila relevé bancaire ianao na dia 1 fotsiny aza dia manontany any. Amin'izao andro mazava be izao ve dia mbola toy izany ny fifampitondrana eo @ mpivady... Asa aloha Toa figadrana amiko izany fa tsy tokantrano. Manantona Ray amandreny na ara-dra, na am-panahy ... Sitrano ny tokantranonareo fa danz be ...
Par : Bera Pôlisy
Fa ianareo ve aloha tsy vita
Fa ianareo ve aloha tsy vita mariazy tany am-piangonana e ? Raha izay mantsy zavatra hafa ...

Ajouter un commentaire

1 + 1 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.