Vous êtes ici

Miarahaba antsika rehetra,
Mba mangataka ny hevitrareo namana rehetra ny tenako
Izaho dia mpino FJKM ary manana andraikitra ao @ Fitandremana misy ahy.
Amin'izao confinement izao araka ny efa fantatsika rehetra de mihidy avokoa ny fiangonana, misy maromaro izahay ny mpiara-monina izay samy manana ny fiangonany avy (tokantrano 2 eo izahay no FJKM, ary ny ankamaroany kosa dia FPVM). Saika hanao vondrom-bavaka ary izahay t@ Alahady teo (05/04/2020), tezitra mafy t@ izany ireo vady aman-janako fa hoe tsy tokony hiara-hivavaka amin'ny FPVM hono aho. Marihiko eto anefa fa tsy nisy resaka hoe hifindra FPVM mihitsy aho raha hiara-hivavaka amin-dry zareo fa mba ho fiarahana midera sy misaotra ary mifona amin'Andriamanitra noho izao zava-miseho eto @ firenentsika izao no antony.
Marihiko aloha fa tsy nande niaraka t@ dry zareo indray aho fa tao antokatranoko no nanao fotoana izahay mianakavy.
Diso aho ve raha ohatra ka saika hiara-hivavaka t@ ndry zareo.
Misaotra anareo rehetra hamaly ahy.

Par : Sans nom
Enao anie ka mpitandrina ao
Enao anie ka mpitandrina ao anatin ny FFKM ê.
Par : pastera
volohany ts tokon ato ty
volohany ts tokon ato ty sujet ty. faharoa: fantaro ny zvt rht d hazomy zay tsara.
Par : anonymes
matoa ato ianao nanoratra azy
matoa ato ianao nanoratra azy ity de saika hamerina lay video ngamba ianareo, ahahaha
Par : mafyloha
tsy tokony ho ato @ rubrique
tsy tokony ho ato @ rubrique sexualité angamba ity fa valiako ihany , misy antony anie matoa nakatoka aloha ny fiangonana e, ianareo indray no toa te hanangana "secte" hafa eo, tsy mety aminao anga ra ianareo 1 tokantrano ao ihany no miara mivavaka , tsy asiana olona hafa (amzay tsy misy finoana hafa ihany koa) mampihena ny disadisa sady manaraka ilay hoe fihibohana ?
Par : akama kama
mety mbola nitsoutsouka kely
mety mbola nitsoutsouka kely ngamba io zoky io vô nanoratra de lasa tato le izy, hors sujet kos'ee
Par : Confinement
Misy zavatra 2 tsy azonao na
Misy zavatra 2 tsy azonao na tsy azonareo: 1- Rubrique sexualité ny eto fa mety any @ rubrique hafa no nandefasana ilay sujet. Tsy olana amiko izany fa hovaliako ihany rehefa avy eo. 2- Confinement izany dia fihibohana ka aleo fadiana ny famangivangiana, eny na mpihavana aza. Any @ firenena maha-maîtriser ilay aretina @ izao hatr@ mpitondra (piraiminisitra) efa niteny fa tsy hamangy ny reniny akory izy @ ity week end ity fa juste hifampiantso noho ilay aretina. Izany indrindra no naneken'ny FFKM hanakatonana ny rindrin'ny fiangonana saingy hanaovana fanompoam-pivavahana en ligne ary ny isan-tokantrano ihany no miara-mivavaka. Mahereza na izany aza
Par : Dadatoa be
Moramora re isika rey olona a
Moramora re isika rey olona a ,diso rubrique angamba i sakaiza ,tsy maninona izany ,saingy ny hadinony dia ny confinement ,tsy azo hatao ny mivory na aiza na aiza ,ankoatra ny ankohonana ao an trano ,ny fandevenana ary ferana ny isa ,izay ilay lalàna mifehy antsika amin'izao ,mandra paha ,koa amboary ny saina fa tsy azonao hatao izany ary ny nahatonga ny vady amn janakao ho tezitra angamba dia na tsy hiteny ny fiangonana misy anao ary ianao dia fantatro ,fa tsy mifankahazo ianareo ireo ,ady no nisarahana tao dia izao samy manana ny fiangonany .
Par : Anonyme
Tsara kokoa raha ianareo ao
Tsara kokoa raha ianareo ao an trano ihany no miara mivavaka
Par : Stradss
Marina fa diso adiresy fa ho
Marina fa diso adiresy fa ho valiako ihany.Amin'ny vanim potoana sahala amin'zao no ilaina ny firaisakinan'ny samy kristianina.Tsy hifanenjika,tsy hifankahala,tsy hifanavakava manjary manome fitoerana ho an'ny devoly.Raha misy fiombonan-bavaka hanasana anao.Mety amin'ny fony manontolo izany ka mandehana mba tsy haharatsy ny fiaraha monina.Tsy midika akory zany oé hiala amin'ny fiangonanao ianao,Fa Jeso Kristy no tadiavina ka raha mbola mivavaka amin'ny Andriamanitra Ray , Zanaka ,Fanahy Masina dia ataovy ihany.Tsy ny anaram piangonana no hahavonjy,

Ajouter un commentaire

14 + 3 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.