Vous êtes ici

Bjr daholo! tsy aiko na za rery no efa tratran'izao fa aiza ve dia isakiny mandeha any rafozako za sy ny vadiko dia alohany andehanana mody dia asainy mando ny hetra tranony zareo, misy androny JIRAMA. (Tsy mipetraka any izahay fa mandalo) Dia ny olako tsy mahay manda ny vadiko nefa manana zanaka mbola tsy manambady izy afaka irahiny fa dia ny vadiko foana. Marihako fa ny vadiko dia lahimatoa. Dia tena mampiady anay foana ilay izy!

Par : Bera Pôlisy
Hetra-trano izany ve tsy
Hetra-trano izany ve tsy indray mandeha isan-taona e ! Dia sarotiny ery ianao izany. Mety mba ny vadinao no itokisany kokoa dia mba irahiny... Ny zandriny mety hisy risika hangala-tety ... Mbola averiko indray fa amiko manokana, tsy tokony ho olana ny fanirahan'ny raiamandreny ny zanaka. Hevitro manokana izay.
Par : mpandalo
Isan-taona izy izany no
Isan-taona izy izany no mandalo na indroa satria indraindray mandoa JIRAMA. Hahaha
Par : Anonyme
Mety ny vadinao no atokisany
Mety ny vadinao no atokisany kokoa noho ilay zanany tsy manambady. Aza maka lagy re fa mba ampio izay azo hanampiana azy ny ray aman-dreny.
Par : Fitia
Maka lagy tsy maka lagy eo
Maka lagy tsy maka lagy eo ihany e! 1) ilay maka tety aloha efa voasoratra eo ilay vola tsy possible! 2) zanany tsy manambady efa 25 ans na manao copie aza bol hanontaniana satria tsy zatra manao. 3) efa niditra hopitaly ny rainy tsisy hita daholo satria tsy zatra manao fa mataotra hopitaly. Fehiny: Samy zanaka daholo dia mba ampianaro mandray andraikitra fa aza raisina hoe izay in1 mande @ taona fa io matetika fa ohatra fontsiny zay!
Par : Falikely
Ny marina koa, dia izay efa
Ny marina koa, dia izay efa zatra ihany no am-panaovina e! Tahaka ny tsy mahavantana fotsiny ny maniraka ireo izay tsy zatra manao izany! Anefa lesona hoan'ilay tsy mpandray andraikitra ao an-tranon-draimandreny ilay fanaovana ireny iraka ireny satria tsy ho eo foana ny zokiny sy ny RAD fa tsy maintsy izy no anao izany indray andro any

Ajouter un commentaire

8 + 9 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.