Vous êtes ici

Tsy dia arakaraka izay nantenaina no nitranga rehefa tena nivady.
Fitiavana sy fiainana ohatra ny ahoana no nandrasanao t@ vadinao ka nahatonga anao ho tratran'ny fahadisoam-panantenana ?
Misokatra ny ady hevitra ho antsika rehetra sendra izany na te haneho ny heviny mikasika ny lohahevitra.
Mankasitraka mialoha ho an'ireo izay hamaly.

Par : Te iomehy
Ny ahy lé resaka beauté
Ny ahy lé resaka beauté nandiso fanantenana. Isaky ny mihaona impéccable volo vita avec maquillage bien soignée, hay tonga tao antrano tsy dia tsara be araka ilay fahitako azy, kivikivy mahita azy mifoha maraina
fiber_manual_record rahazahenao
Dernière visite: Il y a 13 heures 26 min
A rejoint: juin 19, 2018
Izay izao resaka endrika
Izay izao resaka endrika ivelany fa misy koa toetra ratsy tsy navoakan'ilay novadiana mihitsy raha tsy efa tao anaty fanambadiana.
Par : Natti
Ny ahy tena be dia be, zah
Ny ahy tena be dia be, zah rahateo ko moa tsy nahalala fiainana loatra ka dia nijoboka, rehefa zao misy zanaka zao vao tonga saina hoe tokony niaina fiainana aloha zay vao niditra tamin'ny mariazy. Tamin'ny voalohany izy manaiky ze zavatra teneko foana fa refa aty aoriana kay dictateur be sady manipulateur mahery fihetsika be mintsy. efa indroa niala niaraka tamin'ny zaza aho nakany amin'ny RADko. ZAo nefa mbola miverina ny toetrany ka leo be ah fa te ande tsy hiverina intsony.
Par : anonyme
Natti> Raha vehivahy ianao
Natti> Raha vehivahy ianao dia sao dia dongy tafahoatra kosa ilay hoe "manaiky ny teneninao fona", ny lehilahy anie no lohan'ny tokatrano e. Sao mba tsy ny vadinao no dictateur fa ianao no te hitondra azy am sangany? Mila apetraka fona mantsy ilay père de famille no chef de la maison, tout comme le Christ est le chef de l'église
Par : Dad
Ny ahy ilay tsy mahafoy
Ny ahy ilay tsy mahafoy havana. Eny andalana sy eny imason'olona ianao ve rangah miramirana sy anjelikely ery madama. Fa vo miditra ny trano dia miova; isaky ny avy any am havany dia manindry manambany ary mila ady tsy misy farany
fiber_manual_record Felantsoa
Dernière visite: Il y a 1 jour 10 heures
A rejoint: août 1, 2018
Ny ahy indray tsy dia tena
Ny ahy indray tsy dia tena hoe diso fanantenana. Effectivement ny fanambadiana dia fialana @ zone de confort nitaizana anao ho any @ zone de confort izay tokony efa nomaninareo nandritra ny fotoana fifampizahan-toetra (fotoana naha-mpisipa) raha nanana an'izay fotoana izay ny couple. Nahalala couple koa anefa aho vao niaraka 1 semaine dia nanomana mariage. Saika tsy nino ny namana sy ny havana fa dia notanterahiny tokoa ary dia nateza tokoa ny tokantranony. 5 ny zanany ary hita ety ivelany hoe milamina ihany ilay tokantranony. Marina koa anefa hoe misy ny olona mahay manafina ny toetra ratsiny fa nitetika fotsiny ny hahazo ilay ankilany ho vady (par intérêt ???) fa nony tafiditra vao tonga saina hoe tsy ho tafa ity fa toa hafa ny notazaniko avy any ivelany fa nony tafiditra dia hafa ny zava-misy. Eo vao tonga @ hiran'i Eagles hoe "You can check out anytime you like but you can never leave" Ny niainako dia mi-découvrir défi rehefa ao anaty tokantrano. Ahoana ny fomba fiadiana hevitra @ io vadinao io ? ahoana ny fomba fijeriny ny havanao ? ahoana ny susceptibilité-ny rehefa misy havany toheriao sns... dia ianao koa mieritreritra hoe ahoana raha mifamadika indray ny toeranareo arakaraka ny situation misy. Tsy évident ireo saingy ireo no raisinao ho défi. Raha maka re******* kely ianao dia ho hitanao fa misy azo raisina positif foana izany, mety hanova ny fomba fijerinao io nefa mety hanova ny toetranao ratsy koa ary mety hanova ny toetra tsaranao ho ratsy ihany koa. Tout est possible. Ny tena important indrindra dia ilay fanafatry ny vavolombelona sy ny mpitondra fivavahana nanamasina ny fanambadianareo: Fifandeferana izay samy hafa be @ hoe fandeferana ka tsy maintsy hisy ny mandefitra ary hisy ny tsy mandefitra mihitsy. Rehefa hay hatrany am-boalohany ireo dia hay foana ny mandamina izay olana, eny hatr@ izay karazan-javatra be dia be mety haharava ny tokantrano aza mety hanamafy orina ny fifankatiavana rehefa mahay mi-gerer an'io fifandeferana io
Par : Anonyme
Natti >> tena marina ny tenin
Natti >> tena marina ny tenin'i anonyme fa mba diniho tsara kosa aloha. Ny hanampiako azy fotsiny dia oe ny lahy no mitarika fa mba ifampidinihina sy ifanarahana daholo ihany kosa ny fanapahan-kevitra e ! Dad >> Manambany @ resaka harena ve ? sa fahaizana ?....Matoa izy nanambady anao d'efa tokony naharesy lahatra azy ny momba anao rehetra.Mila manitsy azy enao @ izany fomba fijery diso izany. Raha harena no olana,mila mahay mihary sy miara-mifofotra ny mpivady dia tonga ho azy eo foana io e ! Felantsoa >> Ny olana ange mazana ilay tsy fahatantesana ilay fiovana eo @ tontolo manodidina iainana mihitsy e ! Fiainana hafa no niainana h@ izay teo anivon'ny ray aman-dreny.Mety oe fiainana somary goragora sy diso nalalaka loatra,fiainana diso nirobaroba koa.Kanjo vao tonga ao an-tokantrano tratran'ny fifampifehezana mba ilaina ihany kosa mba hananana tokantrano vanona,na tratran'ny fiainana tsotsotra mba mitsinjo ny ho avy.Dia izay ilay miteraka fahadisoam-panantenana.
Par : dad
Ny olana zokiko izy dia
Ny olana zokiko izy dia mitondratondra be (fahadisoko satria tsy nanaraka ny tenin'Andriamanitra aho oe ny lahy no noforonina alohan'ny vavy, nihevitra ny tenako ho hendry noho ny mpahary aho taloha). Nanao asa tena aho, dia miteny azy daholo ny havany oe mila mba miasa birao fa asa tsy mihaja io. Very asa aho ary nanana olana be avy eo. Miasa izy dia mahazo lagy oe lehilahy velomimpotsiny sns. Tena tsy haiko ny mitondra azy dia aleoko mihitsy niova fiainana fa tsy azo tenenina. Mody mandangolango androany dia mivadika rahampitso. Bref, personne ne change jamais, rehefa efa toetrany ilay mpanambany sns dia efa zay, fa tsy oe mivady dia hiova. Tandremo ihany ry zareo mbola tsy tafiditra e.
fiber_manual_record rahazahenao
Dernière visite: Il y a 13 heures 26 min
A rejoint: juin 19, 2018
Natti >> tena marina ny tenin
Natti >> tena marina ny tenin'i anonyme fa mba diniho tsara kosa aloha. Ny hanampiako azy fotsiny dia oe ny lahy no mitarika fa mba ifampidinihina sy ifanarahana daholo ihany kosa ny fanapahan-kevitra e ! Dad >> Manambany @ resaka harena ve ? sa fahaizana ?....Matoa izy nanambady anao d'efa tokony naharesy lahatra azy ny momba anao rehetra.Mila manitsy azy enao @ izany fomba fijery diso izany. Raha harena no olana,mila mahay mihary sy miara-mifofotra ny mpivady dia tonga ho azy eo foana io e ! Felantsoa >> Ny olana ange mazana ilay tsy fahatantesana ilay fiovana eo @ tontolo manodidina iainana mihitsy e ! Fiainana hafa no niainana h@ izay teo anivon'ny ray aman-dreny.Mety oe fiainana somary goragora sy diso nalalaka loatra,fiainana diso nirobaroba koa.Kanjo vao tonga ao an-tokantrano tratran'ny fifampifehezana mba ilaina ihany kosa mba hananana tokantrano vanona,na tratran'ny fiainana tsotsotra mba mitsinjo ny ho avy.Dia izay ilay miteraka fahadisoam-panantenana.
fiber_manual_record rahazahenao
Dernière visite: Il y a 13 heures 26 min
A rejoint: juin 19, 2018
Dad >>> Ny asa angamba tsy
Dad >>> Ny asa angamba tsy misy oe tsy mihaja sy ratsy izany fa ny fanajanao azy ihany no hampidirany vola aminao.Ny hitako vahaolana angamba dia mila mijery asa mampidi-bola misimisy kokoa enao fa na ny vadinao aza mety mba hiova koa @ izay.

Pages

Ajouter un commentaire

2 + 0 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.