Vous êtes ici

Manahoana nareo,Vhv 32 taona aho. Mandalo fotoan-tsarotra ny tokatranoko ankehitriny. 6 Taona nivadiana izahay, mbola tsy niteraka, ary mbola mitsabo tena amizany. Na mody tsy miteny amiko aza ny vadiko dia fantatro fa manomboka mieritreritra lalan-kafa ahazoana taranaka izy. Ny saiko anefa mbola tsy vonona amizany mihintsy, indrindra hoe zana-drafy.Izay rehetra hakako conseil, na havana, na pasitera, ny mpiandry dia io teny ao amin'ny biboly io no azoko.Mba fanotaniako anareo: Ahoana ary hatraiza ny fampiharana sy ihainana izany fitiavana manarona fahotana izany.Misaotra izay mamaly tompoko

fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fa ny fitiavana mahasarona fahotana maro Petera 4:8
olona tena farak'izay dondrona amin'ny baiboly raha izaho ary angamba indray mandeha isan-taona no mba manokatra izany.
angamba ny fahazoako io teny io dia raisiko amin'ny coca cola :
fantatrao daholo ny mahatsara azy : mahafaka hetaheta , mangatsiatsiaka , mitondra hery ; fa fantatrao koa ny vokadratsiny : manimba aty,vavony,tsinay, mampisy cancer ...
fa izao :
na eo aza izany rehetra izany dia nosotroinao izy : ny misotro dia azo adika koa hoe minono na "mino" : misy safidinao ao hampiditra azy any anatinao.

inona no ifandraisany ?
safidinao no hanarona ireo faharatsiana amin'ny fitiavana , na marimarina kokoa dia ny hoe saromanao fitiavana izay ota miseho satria ny fitiavana no lehibe indrindra .

ny tsara andinihanao azy angamba dia ny hoe raha ny zanakao lahy no manambady vehivavy tsy afaka niteraka dia inona no natoronao azy ?

na inona na inona anefa ny ho filazako azy eto dia mety ho hafatra hafa mihitsy koa no tokony ho horaisinao amin'io fa tsy voatery koa hoe hitady zanaka any an-kafa ny vadinao : fa maninona mihitsy moa no tsy aminao no anaovany izany ?

azo jerena amina fomba fijery iray koa mantsy io hafatra io hoe : "mba manaova am-pitiavana rehefa manao" sa hoe "tsy ampy ka tsy mahasarona ny rehetra ny fitiavanareo ?"

hafatra io fa androany dia ataovy izany !

mirary soa !
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fa ny fitiavana mahasarona fahotana maro Petera 4:8
Mitandrema : ny fitiavana tsy mamporisika ho any amin'ny fahotana mihitsy. Abrahama dia tena nanota teo anatrehan'ny Tompo raha niteraka tamin'i Hagara, ka mba ataovy anatra ireny.
Raha efa niteny taminao ny Tompo hoe tsy hiteraka intsony ianareo, dia mahaiza mihaina an'izany fa mahasoa anareo izany.
Raha mbola tsy niteny anareo kosa ny Tompo hoe tsy hiteraka ianareo, de raiso amin'ny finoana izao soratro izao fa mbola hiteraka ianareo fa aza de maika ny hanota fa tazomy ny finona ho ampinga tsy hahatongavana amin'izany.
Resao ny vadinao ary aza ekena hatramin'ny farany izany hitaiza zaza tsy naloaky ny kibonao izany fa zanaky ny vadinao avy amin'ny vehivavy hafa fa mitaiza sy mikolokolo fahotana ianareo amin'izany zanaky ny fijangajangana izany. Tadidio fa i Ismaela de tsy afaka nolehibiazina niaraka tamin'i Isaka na dia samy zanak'i Abrahama avokoa aza.
Mazotoa, dia hanazava ny masopanahinareo anie ny Fanahy Masina.
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fa ny fitiavana mahasarona fahotana maro Petera 4:8
Tsy manosika ny vadinao handeha hampirafy anao io andalana io fa manentana anareo mivady hanamafy hatrany ny fitiavana. Manarona izay tsy maha-"tonga lafatra" anareo roa ny fitiavana. Fisedrana isan'ny mafy eo amin'ny mpivady ny tsy fananan-janaka, ary mazana dia couple tena mafy orina no mahita fiadanana sy fahasambarana rehefa mandalo na miaina io fisedrana io ; ny couple tsy dia mafy orina dia rava.

Aza volena ahiahy ny sainao. Inoako fa tena mivavaka ianao matoa hoe maka hevitra any amin'i Pasitera etc. Miezaha miresaka tsara ianareo mivady. Raha tena tsy anjaranareo ny hanan-janaka, ahoana ny fahitanareo ny ho avy ? Aleo miresaka tsotra na dia mety mampatahotra aza izay resaka izay, toa izay mieritreritra hoe izao sy izao angamba no sainin-drangahy. Manjary lasa ianao koa no hanesika hevitra ao an-tsainy. Ny hasarotam-piaronao no ho lasa aloha dia hampitombo ny olana ao an-tokatrano.

Ankoatra ny fitsaboana, dia mila manana saina milamina ihany koa ianao, ary ny fieritreretanao zavatra toa izany tsy hampilamin-tsaina anao mihitsy. Sarotra fa ezaho hatrany.
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fa ny fitiavana mahasarona fahotana maro Petera 4:8
* Valiha

@ ilay tsy mety mipetraka ny zaza:

- efa ina avy daoly ny traitement efa nataonao?

Aiza matahotra anao, fa za dia mi comprendre anao, satri mitovy cas tsika (néna efa 1 taona nitédiavana)
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fa ny fitiavana mahasarona fahotana maro Petera 4:8
Izaho vonona hamaha ny olanao, teny avy ao am-po ary tsy hamitaka anao
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fa ny fitiavana mahasarona fahotana maro Petera 4:8
izany ny olan'ny mpivavaka, tsy misy mahafantatra ny tokony ataony fa ny baiboly sy fiangonana no asaina mitondra tonkantrano sy mibaiko, ny anay izao efa 15ans de mariage sady tsy mivavaka no tsy maka hevitr'olona ary zahay mivady ihany no mamaha ny olanay rehetra
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fa ny fitiavana mahasarona fahotana maro Petera 4:8
tsy olan'ny mpivavaka izany fa vao maika aza tombotsoa lehibe
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fa ny fitiavana mahasarona fahotana maro Petera 4:8
Misaotra indrindra anareo namaly,
miorena mafy/ Misaotra akia, fa saingy sarotra be ilay hoe tony ny saina, satria ny fotoana mandeha, ny taona mitombo, ary ilay vadiko efa tsapako mieritreritra lalan-kafa, satria resahiny amiko ny tantaran'olona nanangana zana-drafy izao.

Elle8/ Za akia efa tamina dokotera gynecologue teo Andravoahangy eo akaikin'ny caisse d'epargne io, efa tao @ specialiste HJRA, sns...
Nisy fotoana tsy tonga 2mois ny regle-ko fa nidobodoboka ny foko kanjo de niverina indray, Leo be ny saiko akia...

Ny tsy azoko anie reto de ny ifandraisan'ilay fitiavana manarina fahotana maro resahin'ny olona amin'ny probleme-nay e?
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fa ny fitiavana mahasarona fahotana maro Petera 4:8
rehefa manahirana be anao ka tsy takatry ny sainao izay tian'ny hafatra lazaina , na ny tena marina: tsy tianao ny tian'ny hafatra ampitaina dia handeha io hafatra io ka tsy hiverina intsony ....
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Fa ny fitiavana mahasarona fahotana maro Petera 4:8
ntssss/ Aza mba manao an'izany moa e, f'angah tena tezitra amiko enao? Tsy hoe tsy tiako, fa tsy fantatro ny ifandraisan'ny ilay teny amin'ny baiboly sy ny olana mianjady amiko.

Pages

Ajouter un commentaire

1 + 5 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.