Vous êtes ici

Voatery nanoratra aho raha nahita t@ Matv film FANGARO (mandeha isan-kariva, miverina amin'ny atoandro). Raha ny zavatra hita ao amin'io fila io mantsy dia tena mifanipaka mihitsy amin'ny tokony ho andraikitry ny haino aman-jery, dia ny fitaizana sy ny fanabeazana izany.
- Ahitanao fanaovana an-keriny zazavavy ao,
- ahitanao fanaovana KIDNAPPING ao(kidnapping izay tena manahirana ny fitondram-panjakana sy ny vahoaka Malagasy amin'izao fotoana izao),
- ahitanao fomba filalaovana ODY ratsy ao,
-mampianatra ny zaza malagasy hifoka ZAVA-MAHADOMELINA ao, sns...

Eto aho dia tena MAMPIERITRERITRA ny rehetra: Tompon'Andraiki-panjakana, ny MaTv, ny tontolon'ny mpanjifa rehetra, ny raiamandreny, ..., mba handray ny ANDRAIKINY sahaza azy tsirairay avy amin'izany
Misaotra tompoko.

Par : Missi
Tsotra fotsiny, aza alefa ao
Tsotra fotsiny, aza alefa ao an-tranonareo rehefa tsy mety aminao. Ny film rehetra tompoko tsy maintsy misy resaka problème, sexe, sns. Tsy mbola nahita film aho teto ambon'ny tany ka filaminana hatram volohany hatram farany. Tantaram-piainana tsinona. Na ao anaty baiboly aza misy resaka ditra maro isankarazany, rehefa tsy mahazaka ianao dia aza mijery, fa ny an'ny olona hazonina mafy izay tsara
Par : Bera Pôlisy
Henjana koa izany valintenin
Henjana koa izany valintenin'i Missi izany an !!!
Par : Bekotro maroholatra
Raha io fanazavan'ny tompona
Raha io fanazavan'ny tompona sujet kosa aloha dia tena RATSY ny film alefa @ antoandro e !!! Azo atao ny mandefa azy @ alina be rehefa tapi-matory ny zaza. Isan'ny fanabeazana anie ny télé e . Ary aza dia bontolo fotsiny hoe rehefa tsy te-hijery dia aza mijery, fa tsara raha mba sosonkevitra hafa no aroso. Mety hanararaotra hijery ny zaza rehefa tsy eo ny lehibe. Azo atao ny mandefa film comédie (charlot, les dieux sont tombés sur la tête...) @ antoandro, fa tsy resaka sexe no alefa ao. Jereo fa na @ Canal + aza dia alimbe vao alefa ny chaînes "charmes" fa tsy antoandrobenanahary. Misy dikany izany...
Par : Anonyme
Vali -boraingina be. Mbola
Vali -boraingina be. Mbola tsy niteraka angamba Missi
Par : dunne buik
Izany daholo izao ny film, na
Izany daholo izao ny film, na dessin animé koa aza. Fa mivadiha chaine tokoa rehefa tsy mety e. Mino ah fa efa misy lalàna mandrara ny fandefasana film visa A amn atoandro
Par : anonyme
Raha ireo fahitalavitra
Raha ireo fahitalavitra malagasy samy mapiana-dratsy, fa anjaranao no mametra ny jeren'ny zanakao. Misy tv iray izao resaka coréana daholo ny serie sy ny pub alefa, dia lasa adinon'ny ankizy ny kolontsaina malagasy. Ilay manonona anarana orinasa aloha tsy mety, sao mampigadra, fa raha manana fitarainana manokana ianao, ohatra hoe nandefa film X t@ andro atoandro izy dia alaivo sary dia manao plainte eny amin'ny tompon'andraikitra ara-panjakana. Ny ankoatr'izay tsy mitombina ilay fitarainana

Ajouter un commentaire

12 + 8 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.