Vous êtes ici

Nanokatra ity sujet ity ato aho mba te hifampizara hevitra mahasoa mikasika ny fibrome.Izaho izany dia tratran'izy io fa tany amboalohany tsy fantatro mihitsy fa dia noheveriko fa rčgle foana no miseho. Nisy fotoana aza taty aoriandriana tonga matetika ny rčgle dia noheveriko fa fikorontanan-tsaina avy amin'ny asa ilay izy fa tsy noeritreretiko ho zavatra hafa.Efa somary natetika loatra ilay izy vao taitra ka nanatona dokotera dia nanao echo dia voalaza fa fibrome ilay izy.Raha ny fanazavana azoko tamin'ilay dokotera dia hoe fandidiana vao mety aminy, nefa misy olona sasany milaza amiko fa azo levonina toy ny kambo ihany. Dia very hevitra aho satria, iray aloha matahotra aho amin'ilay hoe hodidiana.Ny manahirana ahy nefa, ary tsy afenina, fa na dia firaisana amin'ny vadiko aza efa tsy misy loatra intsony satria kiriko izy amin'ilay hoe misy rŕ foana. Mahamenatra fa dia tsy maninona fa tsoriko hoe ohatra izay ilay izy. Ny lehilahy, lehilahy eny foana ka sanatria izay no handeha hitadiavany any an-kafa.Misaotra anareo amin'ny torohevitra

Ajouter un commentaire

4 + 1 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.