Vous êtes ici

Vehivavy zaho. Nijaly be fona zaho nandritra ny 6 taona nivadianay izay. 2 ny zaza. An’hetsiny foana ny trosa apetrany any ivelany isambolana ary tsy fantatro ny antony nakany azy sy zay toerana andaniany azy. Anefa izy dia tsy mahaverina trosa izany, na indremandeha monja aza. Ny asany koa ataony kitoatoa satria orinasampianakaviana, te hiasa tsara izy dia miasa, tsy te hiasa dia amin’izao. De izaho indraindray na servieta tsy voavidy nefa tsara asa sy karama, ary manambatra asa maro mihitsy. Akanjo tonta sy kiraro midecolle no mba ananako, sns. Na firy tapitrisa aza no raisiko isambolana dia tsy ampy foana fa lany ny dikany raha vao hitan’ny masony. Tena tsy nisy fitsaharany tompoko ny olana io, ary toy io foana. Anaovany herisetra ambava sy vono mihitsy refa tsy omena, ary mahita hoforonina foana izy hakako ny vola. Na ny zaza aza ampihafiana be satria laniny. Sady afabaraka amin’ny manodidina ko aho hoe pangalatra sy pisoloky nefa tena tsy fanaoko fa izaho aza victim no sady pamerina ny volan’olona mba hanakonana ny hadalany. Izy moa dia a chaque fois mi-jurer devant Dieu sy ambonilohan’ny zaza reo fa hoe marina ny teneniny, nefa indrisy fa voaporofo après fa lainga. Diso ve aho raha leo tanteraka ka solafaka tamina bandy hafa ary mieritreritra hanao divorce mihitsy fa tsy hody any aminy intsony. Misaratoerana izahay noho ny asako ary taty no nahatonga ilay fampirafesana.

Par : zah iany
vao efabolana izao ilay
vao efabolana izao ilay fisarahantoerana fa niaraka trano foana teo aloha.
Par : Nah
Ianao izany efa misy olona
Ianao izany efa misy olona miaraka aminao? Tandremo sao tratrany ka hogafiany sy hotoriany dia alainy ny zaza. Raha izaho ny eo am toeranao dia mijanona ho tokan-tena mihitsy hanabe ny ankizy. Nisy tonton-ako tratra otranao io dia ny farany nametraka taratasy tany am fokontany izy oe tsy responsable tsony satria foana hatramin'ny entana tao antrano. Tonga dia apetraho ny divorce miaraka am preuve raha efa tapakevitra ianao, fa aza atao oe fitiavana ilay bandy iray no antony. Mila mandinika be mihitsy vao miditra am'ol afa sao probleme hafa eo ndray
Par : kalie
raha zaho enao , tsy maika
raha zaho enao , tsy maika hiaraka aman'olona aloha fa miezaka manamboatra ny fiainako , raha tena leo le vadinao enao de tsy manina fa mialà aminy saingy aza mbola midi kizo am lhl hafa tsy mbola hainao akory ny toetrany . raha zaho enao mipetraka fotsiny de mitady vola hioharana .
Par : blotany
mandainga sarotra ry zareo fa
mandainga sarotra ry zareo fa io resa-bola io no tena mihazona ny tokantrano na inona lazaina na inona a! tsisy mpivady tsy mikorontana refa tsy ampy ny eo am-pelatanana, araka le hiran'i Tsialonina razafindratapaka oe "na ny mijery an-drafotsy aza efa mahakamo"
Par : marina
Marina daholo ny lazain'ny
Marina daholo ny lazain'ny teo aloha, aza atao hoe ianao niaraka tamin'olon-kafa no antony isarahana fa tena ho anao tokoa. sao miala am kotozafy dia lexis indray. Rehefa tena tapa-kevitra ianao dia mialà dia mandiniha tena. Courage be enao
Par : zah iany o
Misaotra indrindra amin'ny
Misaotra indrindra amin'ny torohevitra ry namako isany. Tena tsy mbola maika hiaraka amn'olona za fa aventure sendra nandalo fotsiny ilay nolazaiko. Mba nanalako sorisory e. Zaho rahateo tena efa tsy manampitiavana intsony mihitsy ilay vadiko fa tofoka. Ny ankizy no antony lehibe anaovako divorce satria sao tsy hotafitako ireo raha somparan'ny rainy daholo zay hoentimanana natokana ho amin'izany. Ary efa matetika pitranga ilay sompatra.
Par : diaaona
Raha sanatria tratrany ianao
Raha sanatria tratrany ianao mapirafy ka ivadihany d ho sahirana, ny olona toa ny vadinao mahefa zavatra tsy ampoizina. Ny conseil-ako manantona avocat dia divorce tsy misy fifanatrehana. Raha te hananatra azy farany ianao, tsy mahafaty ny manao carte sur table amoahanao ny alahelonao rehetra, sao arahiny alahelo eo avy eo
Par : Narin
Manao divorce aloha vao
Manao divorce aloha vao mnorina fiainana miaraka @ olon-kafa sao sahirana eo ianao. Aza asiana fialana nenina izany intsony fa tsy azo antoka ny mbola hiovany @ fanaony. Matoa ity olana ity tonga ety @ forum dia efa afa-nenina t@ fifampiresahana ianao
Par : Narin
Manao divorce aloha vao
Manao divorce aloha vao manorina fiainana miaraka @ olon-kafa sao sahirana eo ianao. Aza asiana fialana nenina izany intsony fa tsy azo antoka ny mbola hiovany @ fanaony. Matoa ity olana ity tonga ety @ forum dia efa afa-nenina t@ fifampiresahana ianao
Par : zah iany
oui, tena efa afanenina. Misy
oui, tena efa afanenina. Misy ny fiteny hoe jamais deux sans 3, fa ny azy efa nihoatra lavitra, ary vola amantapitrisany fona. Tsy mbola afatrosa ny tenako hatrizay nanambadiko azy, nefa izy no mindrana ireo sy mandany azy fa tsy zah velively. Ary tsy hoe tsy ampy ny azoko fa na mandray 2 millions d'ariary aza ny tenako, na ny atsasakizay dia laniny foana e. Kolikoly ve azafady sa aradalana izany divorce tsy misy fifanatrehana?

Pages

Ajouter un commentaire

2 + 11 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.