Vous êtes ici

Salama daholo ny namana rehetra ato!
Saika mba hanontany sao misy efa nanao na mahafantatra ny fomba hatao raha te-hijery "Historique SMS" ny operateur iray.
Tsy izany mantsy fa voaporofoko fa mampirafy ahy ny vadiko; ny sombiny amin'ny Sms nifanaovany sy ilay rafiko no tratrako ary niaiky izany izy rehefa nifampiresaka izahay.
Ny tiako ahatongavana dia hoe: "SOMBINY" ihany no hitako satria efa nofafany daholo ny tany aloha rehetra ka izany no hilaiko fanampiana amintsika eto sao misy efa nanao na mahafantatra ny dingana atao sy ny taratasy tsy maintsy homanina dia eny 'zao mba ahazoako tanteraka ny marina.
Marary ny fo ka mba te-hahafantatra ny tena zava-misy mba ahafahana mandray fanapahan-kevitra.
Misaotra mialoha an'izay mamaly!

Par : anonyme
Atao inona jerena sa o atsona
Atao inona jerena sa o atsona lé rafy oe aza mangalabadin'ol, manajà tena d ampidiro ny divorce ref tsy mazak
Par : queen
Tsy manana alalana idevoiler
Tsy manana alalana idevoiler ny sms sy appel'n'ol ny telma orange airtel bip. Raharaha sarotra eny am tribunal zany vo azo. Ny vadinao anarina tsara, ialao nenina raha mbola tinao, mifampiresah e, regleo entre anareo ny olana
Par : haler
Aton'ise inona vakina lé SMS?
Aton'ise inona vakina lé SMS? te ho tapaka lalandra angah? Ref nitsotra izy d zay, tsy azoko oe ilamina ve ny tantara raha ita lé SMS, imehezan'ny opérateur am'zany, fady zany r'ise ah, tena fady
Par : juge
Mila didy avy any @ procureur
Mila didy avy any @ procureur vao afaka mamaky historique-na SMS izany. Tena ilaina ve ilay mahalala azy ? sanatria tsy miaro ilay olona nampirafy aho fa efa nibaboka izy fa nampirafy dia inona koa no tadiavinao ho tohiny ? Nampirafy ve izy dia nandeha nihinana glace de nandeha nitsangatsangana teny andohalo nitazana ny faravodilanitra ? Raha olona manambady no mampirafy dia minoa ahy fa 100% efa nandeha chambre farafaha-keliny indraimandeha. Anontanio azy hoe inona no antony, sao avy aminao kosa saingy tsy noteneninao teto. Miresaha, rehefa hitanao ny antony mazava dia eo enao manapa-kevitra
Par : Nah
Tsy misy procureur mandany
Tsy misy procureur mandany andro amin'izany koa, raha tsy hoe tena tianao ho azo daholo angaha ny fananana rehetra rehefa prononcé ny divorce (gafy zany léizy vo tsikafonina be otrzany). Ary rehefa adultère dia adultère fa tsy misy oe moyen na haut niveau. Raha manampotoana itsikafonana an'zany enao dia ny tenanao dinihina, na lahy ianao na vavy jereo ny andraikitra mety tsy noraisinao, diniho ny forcing mety nataonao azy ohatra, sns. Ny fiovany aloha tsy hay, fa asaivo mitsotra izy raha mbola tia anao, izay no misy fanantenana, fa raha niala taminao ny fitiavany dia mbola hamerina fona izy. Mifampiresaha am fo madio, toy ny mpianadahy aloha dia hitanareo eo izay mahasoa sy ahasambatra anareo na ny tsirairay
Par : eny
Marina daholo ireo voalazza
Marina daholo ireo voalazza eo ambony ireo. Tsotra fotsiny e...efa fantantrao zany fa nampirafy izy ary izy ary efa niaiky taminao, dia inona indray zany no mbola tadiavina amin'ny sms hafa...aretim-po, alahelo bebe kokoa, sns. Rehefa nibaboka izy dia anjaranao no mandray ny décision hoe ekenao ve dia mamela ianao dia alamino ny anareo...na hoe ampidiro ny divorce...Na sms iray no hitanao na sms 100 dia mitovy ihany satria izy efa niaiky
fiber_manual_record rahazahenao
Dernière visite: Il y a 1 month 3 weeks
A rejoint: juin 19, 2018
Ny fahitako ny tompon'ny
Ny fahitako ny tompon'ny sujet dia mitady porofo tsy azo hialana afaka hampidirana divorce.Ny sms aloha izany efa tsy mety iny sady efa tsy hety intsony koa satria efa fantany ny toetranao misavasava ny findainy. Zavatra hafa araka izany atao.Enao ve dia tsy hahafantatra izay fomba mety ahazoana porofo.
Par : win
Raha nitady porofo ianao d ze
Raha nitady porofo ianao d ze kely hitanao no nalainao sary ohatra, nefa tandremo fa misy lalàna ihany koa ny fanangonana porofo, tsy mahazo mitsikilo ianao, na manao manipulation otr'zany oe ndeh anao kolikoly amaky ny sms-ny. J'en doute oe hisy mpiasan'ny telma sns ahafoy ny asany sady higadra amoka info perso tedavinao. Raha tia tsikilo ny toetranao d ahitsio zay, mialoha ny anondrona azy hoe diso d avadiho manondro anao ny fanondronao. Ny vy tsy mikitrana irery
Par : Anonyme (non vérifié)
Izany ve ny olanao dia tsy ny
Izany ve ny olanao dia tsy ny tokatranonao no alaminao fa ilozanao mitady harato amandrihana ny vadinao? Mametrah fanontanina rah mbola tia azy enao, efa niresaka koa inona ndray no tedavnao? Hanafay sa hanagadra azy? Tsy aiko enao na lehilahy na vehivavy fa mapme be lé hamaky historik sms, mety efa piraté koa zay ny compte fb d asinao sarinareo mtsam bdb pour que les gens pensent oe tout va bien? Ndana mtokana mverna mresaka, d mandraisa décision ianareo
fiber_manual_record Volana
Dernière visite: Il y a 1 year 4 months
A rejoint: octobre 22, 2019
Aza mitady aretin'andoha
Aza mitady aretin'andoha hisava historique sms zany r'ise a. Efa nahita enao dia ataovy ampy izay, izay hitanao tao aza efa tsy zakanao kou. Mifampiresaha e, iza no tsy nanota moa fa omeo chance izy raha mbola tianao e

Pages

Ajouter un commentaire

3 + 0 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.