Vous êtes ici

Vehivavy aho no manoratraEfa manambady ary efa mananjanaka roaFolo taona nivadiana izao izahay, tsy midoka tena akory sanatria aho fa tena mahasahy miteny kosa anefa fa vehivavy hendry aho,tsy mbola nanitsakitsaka ny vadiko ary tsy mbola tonga tao an tsaiko izany , indraindray anefa toa variana aho fa hitako sahala amin'ny mitady tsy hatoky ahy izany io vadiko io, mirava miasa aho dia maka ahy izy , tsy hoe tsy tiako izay fa vao me aza tena tiako satria aho dia saro-tahotra be ka ra tsy misy azy maka ahy dia matahotra foana aho ny andeha bus hodyMatetika izy mody milaza fa tsy maka ahy anefa dia io izy nony mirava za fa mody miafina tsy haiko na tena miafina fa ohatrany tsapako izany hoe te i amandrika ahy angamba ilay vadiko ka te ahita hoe inona no ataoko raha tsy maka ahy izy, tena matetika be mihitsy io. Indraindray aho sorena amin'izay fihetsiny izayTena mety tsy mahatoky ahy tokoa ve io vadiko io? tsy maninona ve raha lazaiko azy hoe tsy tiako ilay miafonafona sahala amin'ireny fa ohatran'ny tsy mahatoky ahy ny fandraisako an'irenySa ahoana no tokony ho lazaina azy sa inona no tokony hataoMisaotra tompoko

fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Inona no antony?
Lhl no manoratra...

Izany no hoe Asan'ny devoly, na hino ianao na tsia.

Izaho izao taloha dia tena faran'ny saro-piaro, ka manao io ataon'ny vadinao io. Rehefa apetraka @ Andriamanitra anefa ny fiainana dia lasa natoky tanteraka ny vadiko aho. Tsy ao anatin'ny saiko intsony izany hasarotam-piaro izany satria MATOKY ny vadiko aho. Nisy fifampiresahana lavalava vao tanteraka io.

Ny hahatongavan'io fahatokisany anao io no tanjona hitako hahafahany miala @ izany.

Ny manodidina anefa jereo fa tena manahirana. Na dia ato @ forum fotsiny aza anie dia tena mampiteny ny moana mihitsy ny toetry ny sasany e. Misy lazain'ny sasany hoe toa anjely mihitsy ety ivelany, kanefa petahan'ny patron eny ambony Birao rehefa mirava, dia mody hoe be asa dia tsy tafody mialoha ... Ny vady amin'io tsy mahalala n'inon'inona

Maro ny vehivavy (na lehilahy) manana tokantrano ato, saingy ny fijangajangana dia MAROBE tokoa. Ka raha mieritreritra izany ny vadinao... ataoko fa sarotra ny hanome tsiny azy.

Ny solution dia tsy misy afa-tsy ny fifampatokisana, miaraka @ fifanajana ary ny fitondran-tena mendrika.

Sarotra tanterahina anefa izany.

Mahereza tompoko.
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Inona no antony?
eritreritro fotsiny ity ry Moa ve? asa raha mety. misy antony mahatonga azy manao an'izay. rhefa tsy lazainy anao moa ilay antony dia aza anotaniana. fa kosa, tsy manao ratsy ianao ka vao maika tsara na miafonafona aza izy. aza miteny aminy akor hoe tsy tinao izany satria lasa hiteny indray izy hoe misy hafeninao matoa ianao mailo. ataovy toy ny isan'andro ny zavatra ataonao dia aleo izy hiafonafona any hahahaha tsy lasa mapme ve ilay izy? lhl lehibe io ka hanao ankiafona fa avelao izy hanao foana e dia asehoy am fa faly foana ianao rehefa mipotra tampoka eo izy. rehefa tsy mahita n'inon'inona izy mijanona ho azy eo
fiber_manual_record dgagaenao
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: août 18, 2017
Inona no antony?
Moa ve?>Aza maka L amizany retsy a,na miafina izy na tsia,ary aza manotany azy akory ny antonizany satria ianao efa voalazanao fa hendry dia tohizo ny fahendrenao.
Ary raha sendra tsy tonga mitsena aza ndraindray dia teneno mihitsy hoe fa naninona elah no tsy tonga nitsena ahy nefa za efa nierikerika ery dia nangasihasy fotsiny nody irery avy eo,dia rehefa @izy lay mody miafina iny kanefa efa hitanao lavidavitra,dia tonga dia antsoy hoe efa eto aki za fa aiza elah.
Zany hoe ataovy tsapany fa tsy manana olona ankotrany hianao miaraka aminao,fa dia izy no prio aminao,mety anongo tena ary izy @zay fotoana zay ka hiomehy irery @ adalany.
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Inona no antony?
Misaotra antsika rehetra e, ho ezahana hatao ireo toro-hevitra ireo
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Inona no antony?
Moa ve>> raha tena madio ny eritreritra dia tokony tsy haka lagy amin'izany ianao. Mety hoe mahamenatra ny mpiara-miasa ve? Aza raharahiana. Tena tsara izany mitsena izany satria mba hitanao koa izy hoe mody aloha koa. Ary raha mody ianao indray no miafona kely dia ahoana hoy izy? hihi Laingako zany fa sao raikitra eo ny gidraka an. Aza mandrangitra azy fa avelao izy hooainina rehefa mahita anao hendry be. Tsara ny hendry fa ny mpijanganjanga sy mpila vadin'olona....


Tohizo ny fahendrena fa mila olona toy izany ity firenena ity. Amin'ny lafiny rehetra io ary manomboka any an-tokatrano.

Mirary soa e!
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Inona no antony?
Moa ve : Aleo mba hiova kely indray ny toro-hevitra fa sao izay no hahatsara zavatra, ilay vadinao mahatsapa tena ho ambanin'ny hafa (sous-éstimé par ses pensées).
Somary hanao fampihŕrana kely ianao mandritra ny fotoana vitsivitsy: ataovy tsapan'ilay vadinao fa izy no lafatra indrindra (meilleur) amin'izay zavatra ataony, na ananany ...
Dokafy matetika izy ary ampio mihitsy aza (satria mpanampiny tandrify azy ianao), ho tonga amin'izany toeran'ny lafatra izany.
Araho fahazotoana sy faharetana io fampihŕrana io fa ho hitanao ny fiovŕny.

Mahereza :-bye
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Inona no antony?
misaotra aby e,

Ajouter un commentaire

6 + 9 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.