Vous êtes ici

Vehivavy no manoratraTsy afaka angalako hevitra @ réseau sociaux izy ity fa tiako ho anonyme dia eto @ forum no resahakoMianadahy izahay, izaho sy ny zandriko lahy,kamboty mbola kely izahay fa accidenté ny RAR ny ko, dia taizan'ny raibe sy renibe anay, izaho 12 taona ary ny zandriko 8 taona, namela lova betsaka taminay ny RAR ko talohan'ny nahalasany, tsy nisy naha ory na vola na fitiavana, diso nampihantan'i Nenibe loatra aza, indrindra ny zandriko lahy, izaho moa izany lehibe tsy fidiny satria ny dadako nanana société izay noraisin'i dadabe an-tanŕna nony maty izy dia izaho no nofaniny hitantana miaraka aminy, sady nianatra aho izany no niasa vao feno 16 taona afaka bacc, matotra vetivety satria voatery nikojakoja sy nitantana ny fanananay mianadahy, ny raibeko rahateo efa 70 taona mahery, feno 21 taona aho dia io zandriko io 17 taona, izaho efa niasa tanteraka, efa nitokan-trano, mifanakaiky eto ihany izahay fa izy t@ izany mbola nipetraka tao @ nenibe izay antsoiny neny, nanomboka @ zay ny ditra, misotro toaka, mifoka sigara, mitondra vehivavy isan-karazany ao an-trano, miady foana izaho sy ny renibe ko @ fitaizana azy, ny renibe ko entin'ny fo dia miaro azy foana na inona ditra ataony na inona, ny raibeko kosa mampirisika ahy ho hentitra aminy, indrindra moa fa lasa izaho izany no tuteur légal ny, korontana ary ny tao an-trano inndray andro fa naha bevohoka zanak'olona izy izay tsy ampy taona toa azy ko, saika niafarana t@ fitoriana fa nanaiky nalamina ihany ny RAR n'ilay zazavavy dia nilamina, nifindra nipetraka tao aminay ilay zanak'olona dia sady nitaiza no nianatra, izaho moa izany efa mahalala ny toetran'ilay zandriko dia nampirisika azy hianatra tsara fa tsy hiankin-doha @ rain-janany, dia nilamindamina ratsy teny ny fiainanay, ilay zaobaviko hitako miezaka be @ fiainana, vitany ny fianarany, voataiza tsara ny zaza, efa 4 taona izy izao, ary efa manana anton'asa tsara, fa ity anadahiko dia tena...kivy tanteraka aho, efa vita soratra, mariazy fa tsy kivadivady intsony mbola manondrana ihany, misipa @ mpiasa an-trano, misotro, mamo lava, tsy mety miasa fa manantena vola bojo avy any @ nenibe, narary mafy ny raibeko dia maty fa talohan'ny hafatesany dia niteny tamiko izy hanoratra ny zanaky ny anadahiko ho isan'ny mpandova @ fanananay satria hoe izay foana no hirahirain'io anadahiko io hoe raha vao feno 21 taona izy dia hivarotra, izaho moa izany tsy mahalala izay lohany sy vodiny @ resaka taratasy dia nanantona ny notaire nay ary dia natao ny procédure légale rehetra. Teo @ zay ary vao tena ady be tsy nifankahitana, isan'andro moa izany efa hanaovany toetra tsy zaka ao ny vady aman-janany fa rehefa fantany @ zay fa tsy misoratra aminy ireny ny fananany fa @ izy sy ny zanany dia nodarohany tao ny vadiny fa manodikodina ny fananany hono, dia mitsoaka aty amiko ilay zaobaviko, izy sady efa tsy mamelona no tsy mandray anjara @ famelomana ny zanany, tena manontany tena aho hoe fa inona no tena hilainareo lehilahy fa io anadihiko io tena tsy hitako izay maha ory azy, ny vady sady tsara tarehy no miasa no nanome zanaka no maha karakara tokantrano, mba niangaranny vintana dia mba misy ihany no ho antokona, mifandramatra foana izahay mianadahy fa izaho miaro ny vadiny sy ny zanany, izy milaza fa ahodikodiko ny fananany, ny renibe ko tsy maha tena fa mananga-torana foana vao misy fifanazavana. Ilay zaza no tena mampalahelo ahy fa korotan-dava no hihainany, tafateny @ zaobaviko mihitsy zah ny farany hoe zah hoa tsy hanambady

fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Inona no tena besoin anareo lehilahy ireto eh?
zahay lehilahytsy mety ho matotra na koa hoe tsy mety ho lehibe raha tsy matahoatra ny vadinay, indrindra koa ampihataina, sarottra ny ahahendry raha ny iray miteny hoe ŕ gauche no lalalna, ny bebenareo miteny hoe aoka izy.... raha za manokana dia resaho izy, mahaiza milefitra ambany be miresaka aminy, izy eo taonany tena mampitrifa azy, ento izy iresaka @ ireny mpanabe ireny, @ ecole catholique manontany na mangtaha fotoana @ General Ramakavelo (aza @ maha mpanao politika azy no jerena fa @ maha mpanabe azy)
zara ary izy mbola manana anabavy mbola eo, aza manome tsiny akory ny bebenareo fa tsy hiova zany, fa raha azonao tenenina fotsiny bebenareo hoe rehefa miteny aza za hoe dia aza contrer-na eo imasony fa mampaditra azy zany fa miresaka rehefa tsy eo izy
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Inona no tena besoin anareo lehilahy ireto eh?
1/Na ny lehilahy na ny vehivavy dia samy olom-belona daholo,mandalo fotoanan'ny tsy fahamatorana,ny fiainana dia miankina @ Fitaizana (Education)daholo,misy ihany ny saonjo iray loha saha...

2/ tsy azo atao anaty sobika iray daholo ny lehilahy rehetra(tsy mitovy daholo ny besoin'ny na samy lhl aza)

3/rehefa tsy misy tsy mety ataon'ny anadahinao dia:

a/ Aza tapahina ny firesahana aminy ,atao @ fomba feno fitiavana
b/Ataovy ny "prévention ,atoroy azy mora˛ny conséquence ny zavatra ataony

c/mba henoiny anareo dia ampiarao @ art de communication

3/ TOHIZO @ FOMBA MAHOMBY NY EDUCATION ny fa raha tiana ny havana dia adidy izany
4/ilazao izy @ fomba diplomate fa samy mijinja izay hafafiny any aoriana

Ny mpandrongony aza mbola azo raisonné'na REHEFA MAHAY NY MPANORO!!!

Ajouter un commentaire

3 + 4 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.