Vous êtes ici

Faly miarahaba antsika reetra ato forum, manana olana aratokantrano aho ka inona no mba hevitra omenareo ahy?ty izao ny tantara Lehilahy aho, manambady, 5 taona nivadiana, ary manajanaka 2: ilay voalohany lahy, ary ilay faharoa vavy, izaho dia manao varomandeha ny asako ka misy fotoana tsy eto andrenivohitra.Ny olana dia ity:fantako fa tsy zanako ilay faharoa(ilay vavikely) satria tadidiko ny fotoana nahatongavako teto tana sy ny fotoana nahaterahan'io zaza io, izay nipetrak 1 volana talohan'y nahatongavako, niezaka foana aho ny hanafina izany tamin'ireo ray amandreniko fa tsy tanako intsony ilay izy dia namborako tamindry zareo ny marina, ary dia alahelo tokoa no nadrasiandry zareo izany vaovao izany.izaho moa izao mbola aty faritany amin'izao manoratra izao ka ny fanontaniko apetrako ilay hevitra aminareo dia izao: hijaona hivady ihany ve izahay , dia hamelona ny tsy naterako ve za? hisaraka, dia lasa mampalahelo ahy ilay zanako lahy voalohany Tsapakotsy hilamina intsony manko ny ho tokatranonay taorian'ny namborahako ny marina amin'ireo rayamandreniko.Misaotra antsika namaky , ary azafady raha somary lava

fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
inona ny torohevitra omenareo ahy?
Mba ahafantaranao ny tena marina dia manaova test ADN ho anareo 3 mianaka
Fa na inona na inona valiny eo: dia mahaiza mamboatra saina. Dia tezao ireo zaza ireo fa ianao no efa raimpianakaviana. Ianao ihany no tokony ahay miresaka tsara amin'ireo R&R mba hampandry ny sainy fa rehefa hitany ianao fa manaiky tsara izany dia hilamina hoazy koa ry zareo.
Momba ny vadinao sy ny tokatranonareo: resao aminy tsara izay valiny test nataonao (raha tsy ianao no ray) dia azavao azy fa ekenao ho zanakao tokoa izy ireo ary tsy ho asainao resaka intsony momba izany. fa saingy kosa takinao aminy mba hipetrany tsara amin'izay.
Momba anao: midera anao manokana @ izany hoe tsy mba naka vehivavy hafa mihitsy. Fa dia tohizo izany ary ataovy foana ny manatsara ny tokatranonareo. Dia mahaiza mamela heloka.
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
inona ny torohevitra omenareo ahy?
Ataovy ny test ADN dia aza lazaina azy akory aloha , satria sao mahita hevitra hafahafa izy . Rehefa mivaly ilay izy dia ianao ihany no maka azy f'aza alefa poste fa téléphone no omeo . Ra ahoe 99 % hoe anao , dia izay izany raha tsia dia anjaranareo no miresaka milamina . Mampalahelo ilay izy fa ento milamina aloha satria ilay zaza mampalahelo daholo
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
inona ny torohevitra omenareo ahy?
Ohatra an'izao no ataon'ny vehivavy dia ny lehilahy foana no lazaina fa devoly !!
Marina e: mba mamakia anie ianareo sujets @ ity forum moov ity: sexualité; Fitiavana ary Problemes conjugaux fa dia ny lehilahy foana no alika .

vhv-malagasy >>> dia hoy ianao hoe na inona na inona vliny dia tezao tsara ireo zaza ireo........ DIA HATAON'ILAY RAFILAHY FANALANA ANDRO SY FIOMEHEZANA EO IZANY IZY ???

Fa raha lehilahy no miteraka any an-kafa dia tonga dia hoe : manaova divorce fa aza manaiky.

Random >> miala tsiny fa lasa mivoaka kely ilay resako. Mirary an'ise hahita ny marina aho, nefa lanjalanjao tsara ilay fanapahan-kevitra fa iankinan'ny fiainanao sy ny ankizy io na hisaraka ianareo na tsia. Ny vehivavy mantsy mahay manodina resaka mody mitomany sy manao mody mampalahelo eo dia ianao indray no homen'ny zanakao tsiny any aoriana any. Bon courgage
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
inona ny torohevitra omenareo ahy?
randomly >> ny hoe ataon'ny rafilahy fiomehezana sy fanalana andro: inona nohirarahina izay VAVAN'NY OLONA TSY MANJARY REHETRA any ambadika any???? --> sady MAHAVELONY no tsy MITONDRA ARIARY AO AMPAOSY akory izany noho izany === TSY HIVAKIANA LOHA FOTSINY IZAO
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
inona ny torohevitra omenareo ahy?
Faly miarahaba antsika rehetra indray ny tenako, azafady fa zao indray vao tafiditra ato

Tonga aty antananarivo tamin'ny sabotsy teo ny tenako, ary dia nasiana tokoa moa ilay fihaonana tamin'ny ray amandreny roa tonta sy izahay mivady satria tena tsy annaiky mihitsy ireo ray amandreniko raha tsy nisy fihaonana miaraka.

RAD razazavavy:dia manitrikitrika fa tsy marina ny zavamiseho fa zanakay 2 ily zaza.
RAD-ko: ny Rad_ko dia miteny oe tsy zanaky ny zanany lahy ilay izy satria nitovy ny volana nahateraha'io zaza io sy ny anabaviko samy volana decembre, nojeren'ny mamanay ny DR_ny:tapatapaky ny volana mars, izaho anefa tsy teto tanŕ ny volana mars io fa faran(ny Avril vao tonga (ary tena itako marina io hypothese nomen'ny reniko io, ary resy lahatra aho)
Vadiko:tsy dia nahitanteny firy milaza na oe marina na tsia fa dia fifonana no tena nasesiny
IZAHO: efa fantampatako oe tsy ahy io zaza io satria izaho mba nianatra ihany, ary mahafantatra ny niarahanay tamin'io Avril io, ka dia fantra zany oe tsy ahy ilay zaza.
Tena tsy hitako izay atao, ilay zanako lahy mampalahelo ahy, ilay faharoa possible any ialy nametraka azy, mitazana ny aminay, very saiko, hatreto aloha dia tsy misy fitiavana an'io ramatoa vadiko io instony aho fa na mijery azy aza maharikoriko ahy.
Mbola tantara mitohy satria dia ranomaso no nanazava' renik fa tsy an'ny zanany ilay zaza
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
inona ny torohevitra omenareo ahy?
Ny tena tokony ho izy dia ianareo mivady aloha no nanao carte sur table mialohan'ny fihaonan'ny RAD roa tonta na dia teo aza ny tenin'ny RADnao @tsy maintsy hihaonana,hitanao fa tsy mijoro intsony @zay tokony ataonao ianao fa tonga dia influence avy hatrany @tenin'ny RAD hoe zao no atao,dia manaraka fotsiny ianao,tsy hoe ratsy akory lay hevitry ny RADnao fa mialohan'izay tokony nijoro @anaran'ilay tokatrano aloha ianao,fa zany hoe efa zay moa ny nataonao.
Na dia teo aza anefa zany fanehoankevitra rehetra zany dia mipetraka ho fitsarana ety ivelany ihany,fa tokony ataonao ihany lay test mba mi-justifie ny tena zava-misy,efa misy manazava ihany reo ambony reo,ary io test ataonao io tsy ampafatarina an'iza n'iza ary tsy akana ny avis ny RAD ihany koa fa dia ianao irery ihany no manao azy,dia apres ny resultat ianao miresaka @vadinao alohan'ny tena andraisana ny decision finale.
Ary ataovy @filaminana,ny fitoniana sy fifanarahana tsara zay decision ho raisinao eo,esory ihany koa ny fankahalana,na marikoriko anao aza ny mijery lay vadinao dia aza adino fa manana lay zanaka iraisana nareo zay mampalahelo anao,ary tsarovy fa tsy ho azonao esorina na alaina ankeriny @reniny io zaza io,fa reniny fona io na adala na hendry,ka sao ankahala anao koa io zaza io any aoriana any ka zay ianao vao ho voa mafy,ny vady mantsy no azo soloina fa ny reny sy ny zanaka tsy misy mahasolo azy.Dia courage ianao
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
inona ny torohevitra omenareo ahy?
Tsy hiroso amin'ny test ADN za fa efa mazava ny valiny, hieritreritra ny hiroso amin'ny divorce ihany aho, velomiko ny zanako voalohany fa iny ny ahy, raha mikasika ily faharoa, dia hanao "desaveu de paternité) any tribonaly aho , hahafahako tsy hanome pension alimentaire io zaza io, eny na dia tsy manantsiny aza izy, fa ilay zanako voalohany no adidiko foana.Izay ny fanapahakevitro satria tsy hilamina intsony ny fiainantokatranonay.
Misaotra antsika rehetra
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
inona ny torohevitra omenareo ahy?
Manaova test ADN hanamora kokoa ny procédure nao @ le désaveux de paternité ramose a...
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
inona ny torohevitra omenareo ahy?
Marina io tenin'io infinity io,ary mbola manamafy hatrany za hoe ataovy lay test fa teo anatrehanareo sy ny RAD no mitombona @resaka tsotra hoe tsy anao lay zaza fa eo anatrehan'ny tribonaly,ny avocat,na ny olon-kafa tsy afaka ny anaiky mora zany fotsiny fa tsy maintsy mila porofo,dia tsy inona fa ny fanaovana ny test zany,ka tsy haiko hoe inona ny olanao tsy anatanterahana anizany?sady en plus mampiharihary tanteraka ny marina nge zany fa tsy sanatria hoe ny mifanohitra aminy e,ianao rahateo hiroso @divorce ka manamora ny etape rehetra ho tanterahanao ny fanaovana an'io test io,fa dia asakasakao.
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
inona ny torohevitra omenareo ahy?
Dommage raha hisaraka ianao efa nifona ny vadinao marina tokoa fa tokony ianareo mivady aloha no mifandamina avant ny RAD roa tonta, mampalahelo ilay zaza tsy manantsiny fa ho simba tanteraka ny fiainany, tsy misy olona tsy diso eto an tany fa efa nifona izy ary mino aho fa hiezaka ny ho olom banona izy ŕ l'avenir

Pages

Ajouter un commentaire

5 + 10 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.