Vous êtes ici

Faly miarahaba antsika reetra ato forum, manana olana aratokantrano aho ka inona no mba hevitra omenareo ahy?ty izao ny tantara Lehilahy aho, manambady, 5 taona nivadiana, ary manajanaka 2: ilay voalohany lahy, ary ilay faharoa vavy, izaho dia manao varomandeha ny asako ka misy fotoana tsy eto andrenivohitra.Ny olana dia ity:fantako fa tsy zanako ilay faharoa(ilay vavikely) satria tadidiko ny fotoana nahatongavako teto tana sy ny fotoana nahaterahan'io zaza io, izay nipetrak 1 volana talohan'y nahatongavako, niezaka foana aho ny hanafina izany tamin'ireo ray amandreniko fa tsy tanako intsony ilay izy dia namborako tamindry zareo ny marina, ary dia alahelo tokoa no nadrasiandry zareo izany vaovao izany.izaho moa izao mbola aty faritany amin'izao manoratra izao ka ny fanontaniko apetrako ilay hevitra aminareo dia izao: hijaona hivady ihany ve izahay , dia hamelona ny tsy naterako ve za? hisaraka, dia lasa mampalahelo ahy ilay zanako lahy voalohany Tsapakotsy hilamina intsony manko ny ho tokatranonay taorian'ny namborahako ny marina amin'ireo rayamandreniko.Misaotra antsika namaky , ary azafady raha somary lava

fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
inona ny torohevitra omenareo ahy?
Raha ny hevitro dia zaza tsy manan-tsiny tsy tokony hiantefan'ny naha solafaka ny olon-dehibe. Ny vady dia tolotr'Andriamanitra ka na tsara io na ratsy tsy ariana; ary ny fanambadiana dia tsarovy lalandava fa tsy maintsy asiana fifandeferana. Raha ianao any amin'ny faritra io aza ve dia nahatadri-tena tsy naka vehivavy hafa?
Hilazao ny vadinao fa fantatrao ny zava misy amin'ny fo tony ka ambarao aminy fa tsy misy tsy lavo eto ambonin'ny tany fa izay tsy mahalala ny miarina no manambany tena sy adala indrindra
Io zazakely io dia nomenan'Andriamanitra ho anao. Misy aza anie ka manangana zanakolona hafa e! ary tsy vitsy ny maka vady efa mananjanaka maro.
Rat-Tom
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
inona ny torohevitra omenareo ahy?
Ataovy ny Test ADN, dia zakao ny valiny....
Enga anie ka ho marina ny anao hoe tsy zanakao io, fa ho nenina tsy roa amamn-tany ny anao raha toa ka ny mifanohitra amin'izay no valiny: hoe zanakao ihany ilay izy...
Asa izy raha afaka ny hamela anao...
Vehivavy aho no miresaka eto. Nahazo ahy ilay fanendrikendrehina... T@ zanakay fahatelo. Nipetraka @ daty tokony tsy hahalonaka ahy mihitsy ny zanako ary nandeha regle foana aho nandritra ny 3 volana naha-bevohoka ahy. Fa kosa nahatsapa tena ho misy tsy normal loatra satria nanomboka nihetsika izy dia nanantona dokotera. Efa confirmé hoe bevohoka aho vao nitsahatra ny regle.
Tsy niady tamiko ny vadiko, fa nandresy lahatra ahy hoe aleo hesorina. Satria efa roa ny zaza, sao tsy ho vita fa roa ihany no fikasanay hatramin'izay sns sns... Ny veille n'ny fotoana t@ dokotera hanaovana azy no lasalasa ho azy ny vavany teo ampiresahana alohan'ny hatory hoe:... sady tsy sure akory izy hoe azy ny zaza ka izy ve hono hikarakara ny tsy azy... Hatairana sy hatezerana ny ahy fa teo noho eo ihany aho dia niantso ny dr de famille nay teo imasony nanontany hoe ahoana ny moyen hi confirmerna paternité. Nilaza moa ity farany hoe raha tsy ordre avy @ tribonaly tsy afaka manao izay, fa inona no olana?
Nisara-mpandriana izahay iny alina iny fa navelako teo izy fa lasa aho natory tany an'efitry ny zanako.
Nony ampitso, tsy niomana mihintsy aho. Nihodinkodina teo izy ary nanontany nony farany hoe tokony hikarakara tena fa sao tara @ fotoana.
Novaliako mora hoe: izaho tsy hande, avelao ho teraka dia ho hita eo hoe iza no rainy. Satria raha ho alako dia mipetraka foana ny fisalasalana hoe izy sa tsy izy no rainy.
Ady sy gidragidra lava nandritra ny vohoka satria ozaho tezitra aminy, izy tezitra amiko.
Teraka soa amman-tsara ny zanako lahy voalohany, roa andro taorian'ny nahaterahany nalainy ra izy hanaovany ny test de paternité any. Tsy niteny aho. Tsisy tohiny intsony ny resaka satria fantatr ny valiny tany. Izy tsy nanisy commentaire.
Ny problčme: nandratra ahy sy nampiova ny fitiavako azy ny nataony.... 16 taona ny zanako izao. Kapoka iray ny endrik'izy mianaka. Fa ny aminay mivady efa vita 10 taona lasa izay....
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
inona ny torohevitra omenareo ahy?
1- rehefa bevohoka dia mitombo volana isaky ny zaza ateraka : zaza 1° 8 mois mahery, zaza 2° 9 mois mahery dia mitombo hatrany = mety ho diso izany ny fanisana andro, ary ny zaza tsy teraka tsy @ androny sy ny fotoany)

2- ny tarehin'ny zaza dia mitovy @zay olona eritreretin'ny reniny sy mifanerasera @ny (na olona tiany, na olona tsy tiany surtout hoe tsy eo mandrakariva ny rainy mandritra ny fotoana hiforonany)

3- manamafy ny tenin'ny olona tany ambony aho fa tsy tsara ny mpivady misara-toerana satria na ny lahy na ny vavy dia mila tambitamby (mikaonty daholo ny lacune h@faha zaza), mety marina hoe miresaka t@sipany taloha izy fa mety tsy nanao n'inoninona ihany koa anefa

4- raha momba ny finoana ny teny @namana dia tadidio fa ny olona tsy faly @nao sy ny fiadananao, na ny fiainanao milamina izany foana na namana akaiky indrindra aza

Ny situation-ko : niasa tany @faritany ny vadiko, ary andro maro2 taorian'ny nandehanany vao sűr a hoe bevohoka dia niantso azy, nolazainy fa tsy azy, niverina izy fa tsy nikitika ahy mihitsy ary 1 andro talohan'ny haterahan'ny zaza faha2 tsy namorona anarana ihany izy, teraka ny zaza tena tsy nitovy t@ny mihitsy sy t@zaza voalohany (izy mainty ary izaho zara2), efa 1 taona ny zaza fa tena nalahelo a fa tsy mba lalaoviny mihitsy dia niteny aho fa hanody anao ny ataonao @io zaza, d niteraka indray aho taorian'io izay ninony fa tena zanany : nitovy b t@ ilay zokiny faha2 ilay zaza (satria mpampatory azy tao ankibo ilay zokiny) vao latsaka naharitra herinandro ary avy eo vo naka ny tarehin-drainy = ny olona rehetra zay mijery dia miteny fa mitovy b ny zanakay na dia ts mitovy loko mihitsy ary, izany rehetra izany dia olana nandritra ny 2 taona teo anivonay fa tsy nahahaka t@raiamandreny, fa niravina ihany

5-t@ gazette l'express nisy test adn ŕ 50.000 Ar
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
inona ny torohevitra omenareo ahy?
fALY miarahaba antsika rehetra indray ny tenako, izaho indray vao hita satria dia nanatanteraka tokoa ilay tset ADN ny tenako.
Voaporofo tamin'izany fa TSY AHY ilay zaza.
Teo moa izy vao nilaz atamiko tokoa fa tsy ay ilay zaza fa noho ilay izahay tsy dia mifankahita dia azon'ny fakampanahy izy ary dia mbola mifanerasera ihany indraindray izy sy io olona io, ary io lehilahy io dia mahafantatra tsara ny fisian'io zaza io
Misaotra anareo reetra nanome hevitra, tao ny nanome tsiny oe mijanona eo ihany fa efa vadinao io, tao no niezaka nitovy eritreritra amiko amin'ny hametrahana divorce

Tapaka ny hevitro fa hiroso ary misy ny hanome tsiny fa tsy mampaninona ahy satria tsy ianareo no teo amin'ny toerako. Hoy ny ohabolombazaha oe"LA SEPARARTION ET LE DIVORCE NE SONT pas de tragédie, la tragédie, c'est de mourir ŕ petit feu dans un couple malheureux"
ny zanako zanako foana ary ny tribunal no handrinndra mikasika izay, misaotra antsika rehetra ny tenako ary dia mirary soa ny tokantrano rehetra koa
Par : Anonyme
Ka aiza no misy manao test
Ka aiza no misy manao test ADN eto Madagascar ? ary hoatrinona ny manao azy fa zahay koa mila anio
Par : poposy
salama daholo. za ko mba
salama daholo. za ko mba mitady

Pages

Ajouter un commentaire

3 + 3 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.