Vous êtes ici

Miarahaba,
Vehivavy no manoratra, ary manambady. Mifampizara amintsika: Samy miasa izahay mivady, taloha dia izaho no nitantana ny karamanay, ankehitriny dia samy mitantana ny azy, ny ahy aza moa nolazainy fa izy no tokony hitantana azy fa izaho tsy mahay mitantana. Gaga aho ary nalahelo ihany koa. Dia nisy fotoana nomeko azy ny karamako tsy nandrombinana, nefa avy eo hitako fa hiteny aminy foana aho isak'izay mba hisy fandaniana hatao dia nanapa-kevitra aho ny tsy hanome azy intsony ny karamako, ny azy moa tazoniny foana ihany. Tsapako miharo tsy fahatokisana ny fanambadianay...saingy iainana araka izay vita hatreto. Isaorana an'Andriamanitra fa iantohany ny sakafo rehefa mazoto izy, ny jiro, ny rononon-jaza... na dia atako aza hoe misy fampifilafilana izany indraindray. Misy manan-kambara ve? Raisina avokoa SAO MAHASOA. Misaotra e

Par : Anonyme
Lehilahy aho no mamaly. Tamin
Lehilahy aho no mamaly. Tamin'izahay vao mpisipa dia napetraka ho sujet iray nifampidinihina mihitsy ny hoe firy ny zaza ateraka, ny momba ny fitantanam-bola, ny karazana adidy maro samihafa. Mba tsy ao anaty tokantrano vao hisavoritaka sy tratry ny surprise. Momba ny fitantanana ny vola dia nifanarahana tamin'izany fa izy no mitantana ny volanay. Izaho rahateo koa kamo be ny hiasa saina sns...Samy miasa izahay. Mipetraka tsara ny budget ary manana cahier tahaka ireny orinasa ireny izahay. Vao tonga ny vola, dia alefa ny charge fixe rehetra : ecolage, hofantrano, jirama sns...Efa nifanarahana ihany koa ny resaka frais, depense perso (le hividianan-dramatoa silipo, soutien sns...sy le karazana revy na coti cota any am-piasana ho an-drangahy ireny ). Ny depense ankoatra an'izany dia soratana anaty cahier daholo ihany koa. Tonga ny faran'ny volana dia jerena eo hoe : inona no nihoam-pampana, sao misy ahena, nahoana no tsy ampy ny vola sns... Voavaly daholo ny question rehetra. Madio, mangarahara tsara. Fa tena henjana io resaka fitantanam-bola io. Hitako miferin'aina mihitsy ny vadiko mitantana azy.
Par : gagabeny ganagana
Mahagaga ahy ny mpivady
Mahagaga ahy ny mpivady malagasy amin'izao fotoana izao. Toa tsy feno fifampitokisana intsony. Tsy sanatria fifandatsana a, fa inona no hiraisana trano raha tsisy intsony izany. Ny fifampitokisana io no fototry ny fitiavana sy ny fanambadiana nefa. Tsy be moral fa mahagaga izany an.
Par : Olombelona ihany
Zavatra maro no manalasala fa
Zavatra maro no manalasala fa tsy afenina. Tsy ny zavatra rehetra koa no ifampizarana ny anay. Ny resaka feperana satria efa hita taratra fa tsy dia azo ianteherana amin-javatra firy ramose.Eny fa na ataoko aza hoe ny fahasalamana izay zava-dehibe amiko. Manana tombontsoa amin'ny fiahiana ara-pahasalamana sy ny fandraisana an-tànana izany aho nohon'ny fisian'izany any amin'ny toeram-piasany saingy tsy mba misitraka izany, ny assurance ho an'ny zaza tsy "stable" satria tsy mba voaresaka ary toa tsy vaindohan-draharaha. Misaotra tompoko.
Par : Anonyme
Iza no tokony hitantam-bola ?
Iza no tokony hitantam-bola ? Omeo ahy aty raha io no mampiady anareo sy mampisy ny disadisa. Kamboko zany e. Io ze revin'ny mpivady ihany ho tendrena ministry ny finances e. Any aminy ny parotsa, izy no mitantana. Rehefa tsy hainy ny manao an'izany ka tsy ampy ny vola, dia mandeha mivarobody izy (blague ko izany re a). Fa mila olona mahay io fitantananambola io ka. Mila mazava foana na samy mpvady aza
Par : Sasmor
Ny vavy no tokony mitantana
Ny vavy no tokony mitantana,efa ainy io, ny ahy ny karamako tonga de any am bank,ny vadiko no mitantana ny carte rehetra,manome budget de la semaine ftsn izy,ny revireviko indray bizibizina eny o eny tsy misy anakitihina ny any aminy,fa tena hita oe misy economie azo raisina be ao atànana.mme ko nefa tsy de oe mitsitsy fa azony vidiana doly ze tiny poketra,baoty ,...ny tanany mo dia feno anle aingona volafotsy sy reny tsy aiko ren... Iny tsy maintsy mandeh fa tsika mila mme manjakely fona ao antrano koooo.hors sijet kely iny fa .zay le izy oe ny mme tkn itantana fa tsy miangana eo ra bandy.
Par : anonyme
Ny vavy no mitantana fa tsy
Ny vavy no mitantana fa tsy hay sao efa nisy disadisa teo aminareo, lazao azy ze mapalahelo anao e, miresaha toy ny mpianadahy mihitsy aloha, aza avela hisy vary mangatsika mihitsy fa resaho sao masiso voa tsy maintsy arina, mba maka rivotra kely d sad mapiaraka no mihevitra ze ahsoa
Par : eny
Raha izany dia mba jereo
Raha izany dia mba jereo ihany fa mety afeniny any ampiasanany ny fisianao e...mety misy olona hafa any dia izay no antony...mila manam-bola foana izy ho an'ny fiainany any ivelany any...
Par : kalie
amiko aloha , izay
amiko aloha , izay hifanarahan'ny mpivady ihany no zava _ dehibe fa tsy misy hoe i anona na zaroa no mitantana e, nareo mivady afaka samy mitantana daholo , na mety koa hoe miaraka mitantana , zay ataonareo ihany ...fa raha zany ataonareo izany de aleo samy mitana ny volany de zarao fotsiny zay hitantanana ny fiainana , ohatra hoe jirama mizara roa , sakafo mizara roa , gaz , ecolage , sns sns e, nareo ihany mandamina azy eo , fa ny vola zany aza atao olana eo am mpivady fa alamino araka zay eo fotsiny ihany .
Par : Olombelona ihany
Misaotra e.
Misaotra e.
Par : Manjakely
Anonyme> Miaiky anao mits za
Anonyme> Miaiky anao mits za fa any aminao ny expérience à chaque sujet, hafa ian n zanakantitra, za ko na za rery aza de efa mba miezaka manao cahier ary tena ilaina mits zan

Ajouter un commentaire

2 + 3 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.