Vous êtes ici

Salama tompoko miala tsiny ra eto no anaovako ity sujet ty.Ny Olana dia izao izay angatahako sosokevitra aminareo. Niasa tamina Orinasa somary oe ngeza iany za teo aloha ary ni demissiona ny 9 Octobre 2017. nahazo taratasy soamatsara.Gaga ao anefa fa tsikaritro misy karama nitontona ny fin octobre 2017 , ka niandrasako 10 jour , tsy nisy tohiny de nisontomiko soamatsara , marihiko fa amin'ny orinasako amin'izao fotoana izao moa dia espece ny karamako. tonga anefa ny novembre mbola io ihany fa misy , tsy nokasihiko intsony , tonga ny fin decembre 2017 , bola nisy ihany. Tsitako izay atao ka mba angatahako sosokevitra aminareo fantako fa ho alain banky amiko na ho ela na ho aingana na ireo orinasako taloha.Mety ve ny manantona ny gestionnaire de compteko? , sa manantona ny mpampiasa ahy taloha? , sa avela ftsn ao , ny tsy tiko de anomboka ho virement ny karamako amin'izao ka hifangaro ao ka ho alainy ko ny valinkasasarako misaotra betsaka tompoko.

fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Karama isambolana
1- rehefa maka stc tokony alaina tanana, na @chčque, raha virement dia mandefa mihitsy hoe stc ty
2- mahalala tsara izany ny banky fa tsy tokony hisy vola intsony avy any @io société taloha io
3- mety erreur avy @compta = illogique
4- fa ty no matetim-pitranga, misy mangalatra vola ny mpiasan'ny banky, ka aodiny ao anaty compte-nao le izy, avy eo alainy = normalement volanao daholo zay mitotona ao satria compte-nao io = fa eto Mada tantara b izany satria raha hain'ny mpiasan'ny banky ny nanisy vola tao, hainy ihany koa ny maka an'iny na efa tsy ao intsony ary dia tsy maintsy manolo ianao
5- fa za efa nahalala olona nahazo @na millions satria mana avy any an-danitra nilatsaka tao @compte-ny tsisy arakaraka
6-d anontanio ihany le fiasana taloha aloha ho réglo ianao
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Karama isambolana
Ny vola karama miditra aminy compte-nao, ny fin octobre mety ho solde de tout compte ou divers remboursement suite ŕ la fin du contrat, fa nohony fitohizany ny novembre sy décembre kosa de tokony ho taitra ianao ka manatona ny toera piasanao taloha mi signaler ilay erreur aminy ry zareo. Tsy avy aminy banque-nao no mahatonga izany fa avy aminy comptabilité-ny fiasanao taloha ! service de paie no tsy nanao ny asany, ka mitohy mandoa ny karamanao ry zareo.
Tsy maintsy ho takiany aminao ireo vola ireo, ary mahina, fa misy orin'asa tsy te hahalala, tsy te hitsotra ny hadisoany, fa mety tonga de taratasy commandement de payer no halefany any aminao, mety hampanateriny huissier mihintsy izany taratasy izany.
fiber_manual_record non identifié
Dernière visite: Il y a Jamais
A rejoint: juin 13, 2018
Karama isambolana
Karama
Efa nisy tantara toy izao tao amin'ny orinasanay.Vhv le nidemissiona ary volana novembre toa an'ise izy no lasa .Nomena azy daholo ny solde de tout compte fin novembre .Nanao inventaire izahay mi desambra ary nony nivoaka ny resultat dia positif ny année en cours ,fanaonay ny mizara prime sur résultat ny mpiasa fin d'année .Noho ilay vhv niasa tao aminay ny 01 janvier au 10 novembre dia nahazo prime izy fa prorata .Betsaka ihany le vola ,ka mba hialana amin'ny fisc dia nozaraina roa le prime ( fin decembre ary fin janvier no nirotsaka tamin'ny kaontn'le izy ,debut janvier izy no nandefasanay courrier ,nampahafantatra azy le zava misy .Sao dia mba tantara mitovy ny antsika ,koa antsoy ny mpampiasa teo aloha .

Ajouter un commentaire

1 + 2 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.