Vous êtes ici

Hoy ny ohabolana manao oe " vadin-joky kilalaon-jandry" aona ny hevitrareo amin'io

Par : diso
Ilay ohabolana mihitsy no
Ilay ohabolana mihitsy no disoinao. Vadin-joky kilolohan-jandry no izy. Ny dikan'io dia raha misy fahafatesan'ilay zoky dia anjaran'ilay zandry no miadidy (sy loloha) ilay vady mananon-tena, afaka vadiany mihitsy raha mbola tsy nanam-bady izy
Par : RAKZITINA
ny maatonga ny vadin-joky o
ny maatonga ny vadin-joky o kilalaon-jandry dia mora kely : ny vadin-joky @ maha oe vadin ny zoky dia efa antitra be ka omena ny zandry ataony kilalao mba ho potika haingana satria sao potika am-pitoerana eo fotsiny ka lasa produit périmé avant usage.etsy andaniny : ny zandry dia olona mivoravora sy ts maatandrina ka mora manimba zavatra ,indrindra fanaka "efa" malemy : ka mety gôka na rovitra n matôsy refa ampesain reny zandriolona reny. fifaliana be tokoa ary ny an ny zoky rehefa potika ilay zavatra nindramin ny zandry satria afaka mividy vaovao indray izy !
Par : Brandon
Marina ny tenin'i Diso ary
Marina ny tenin'i Diso ary diso ny tenin-dRakzitina. Ny ahitsiko fotsiny dia tsy maintsy vadian'ilay zandry tsy manambady ilay vehivavy, na vadian'ny zandry manarakaraka ilay zoky na dia efa manambady aza io zandry io. Izay no fomba malagasy teto fahagolan-tany. Io fomba io dia nolovain'ny Malagasy tamin'ny razambe niandohany ( izay tsy Indoneziana velively ) ary voasoratra ao amin'ny bokin'ny Genesisy 38 ( Testamenta taloha ).

Ajouter un commentaire

3 + 4 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.