Vous êtes ici

imbetsaka no tratrako mandainga ilay vadiko ary indray mandeha tratrako nampirafy. Nanapakevitra aho ny hoe hamela heloka dia tsy nisaraka izahay. Indrisy anefa fa tsy haiko ny manadino fa ohatran'ny voa ny saiko, vao tara kely izy dia mahimahina aho, vao mivoaka kely dia tsy mahatombina aho sns tsy voatanisa ohatran'ny aretina ilay izy. (ary niteraka aretina ohatran ny lasa manao palpitation aho no niafarany). Ahoana no ialàna amin'io olako io. Mba te ho tranquille ohatran'ny olona normal rehetra fa tsy mety mitsy e. Merci

Par : mitelina
Izaho aloha tsy pyschologue
Izaho aloha tsy pyschologue fa torohevitra ny ahy. Miezaha mifampiresaka ianareo mivady. Anjaran'ny vadinao, raha tena tiany ianao, ny mamerina ny fifampitokisana eo aminareo roa. teneno amin'izay zavatra tsy mety nataony izy ka mandratra anao. Ohatra ny ahy ity miainga amin'ireo tranga niainanao ireo. Teneno izy mba hilaza rehefa misy fahatarana ny fahatongavany. Ezaho atao fitsipika an-tokantranonareo izany ka na ianao, na izy eny fa na ny zanakao aza dia tokony hanaja an'io fitsipika io. Faharoa dia ianao koa mila miezaka be mba tsy hiroroa saina. Rehefa namela azy ianao, dia miezaha isan'andro hametraka fitokisana aminy. Marina fa ny famelana heloka tsy midika hoe manadino an'iny heloka iny fa ny fametrahana sy famerenana an'izay fitokisana izay no tena zava-deibe. Mirary soa e.
Par : Tojohasina
Aza tehirizina ho anao ny
Aza tehirizina ho anao ny ahiahinao fa zarao am vadinao mba ho tsapany ny mahazo anao , amin'izay koa izy mitandrina anao fona, izany oe mampahafantatra anao ny zavatra rehetra ataony! Ny ahy izao izany no ataoko am vadiko dia milamina izy!
Par : braeking
mandehana maka rivotra kely
mandehana maka rivotra kely aloha ianareo. hamafiso any amin'ny vacances any ny fifampitokisana. Indraindray koa ilay stress sy routine iainana vokatry ny fitadiavana no maha kizintina sy mampiteraka ny ahiahy.
Par : Maman
Mila mivavaka amin
Mila mivavaka amin'Andriamanitra ianao. Raiso Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy! Rehefa namela ny vadinao ianao, dia mamela tanteraka, tsy mamerina na mitamberina intsony iny zavatra voavela iny. Raha toa mbola miverimberina ny sain dratsy manelingelina anao dia mivavaha, antsoy Jesosy mba hanadio ny fonao, ny sainao, Izy hanampy anao hamela azy tanteraka. Ny fitiavana dia mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, tsy manana ahiahy fa fitiavana tsotra sy madio (1 Korintianina 13), ny fitiavana tsy mihevi dratsy fa mihevitra tsara. Mila mitandrina amin'ny eritreritrao ianao fa io ihany no hanam-poizina ny fiainanao sanatria raha tsy mitandrina ianao. Manàna pensées positives ho an'ny vadinao, ataovy mihitsy hoe vady hendry izy, ataovy ambony be ny moral-nao. Tsy vitan'olombelona izany lazaiko izany fa Andriamanitra ihany no hanampy anao amin'izany fahasoavana izany. Koa mahereza sy matanjaha, mitomboa amin'ny fiainam-bavaka dia ho hitanao fa hihatsara ny fiainanao sy ny ankohonanao.

Ajouter un commentaire

4 + 1 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.