
Vous êtes ici
Miarahaba antsika forumiste, vehvavy ny tenako , efa 25 ans de mariage , maro ny niainana tanatin'zany (sedra,hitsakitsaka, sns...) ,3 ny ankizy ary efa presque mahaleo -tena avokoa na mbola miara-mipetraka aminay mvady ato an-tokantrano aza, ny mahagaga sy voamariko ,raha sendra tafaraka irery izahay mivady ,indrindra eny an-dalana anaty fiara ,ivelan;ny trano no tiako tsindriana,raha sendra misy resaka kely ifanaovana , na sangisangy dia voamariko fa hatezerana sy ompa avy hatrany no sisa valiny mba azoko avy amin'ilay vady anefimandriko raha mbola azo antsoina amin'io anarana io izy noho io toetrany amiko io , Mahatsiaro ny tenako ho very tokoa aho ankehitriny ,eny be ny fahadisoana sy erreur nataoko angamba , tsy nanisy respect ny tenako aho angamba ,satria niharitra ny rehetra rehetra nataony , nohon'ny ftiavana (fitiavana azy hoe efa izy no vady nomen'Atra / fitiavana ny zanako tsy hanan-trano maro satria zanak'olona nisaram-panambadiana ny tena ary nijaly tokoa noho izany nandritry ny fahazazana / fitiavako ny tokantranoko sns...). Mahatsiaro very ankehitriny satria vao haingana no tafara-dalana irery indray izahay mivady , ka teny sangisangy no noteneniko azy izay tsy misy ifandraisany amin'ny valn-teny nomeny ahy ,fa izaho aminy dia "vehivavy tsy misy hasiny ,ary tsy hitany izay mbola hijanonako eo aminy eo " . Ontsa sy marary ny ana, marary ny fo ,ary "ça suffit" ,hozy ny teny vahny , lehibe ny zanako ,tsy vonona intsony hiharitra zany rehetra izany aho na hpetra-drery mandrakizay aza fa hamerina ny " hasiko", ny "zoko",maha-olombelona ahy , ny maha-vehivavy ahy , na mandroso aza ny taonako , aleoko miaina irery milamina ,salama saina sy vatana hiriaria hahita ny zafikely atsy ho atsy ,toy izay ho faty tampoka ny aretim_po , ahoana ny hevitrareo namana ? tsy efa trop kosa ve ? NA DIA NATAO AZA HOE HO MANDRA-MATY FA IZAY NY VOADY NATAO TEO ANATREHAN' aTRA TSY EFA FANITSAKiTSAHANA SY FANAMBANIANA DISO TAFAHOATRA VE ? Misaotra sahady ho an'ireo rehetra hamaly , Mirary soa ho antsika rehetra .
- Créé par le 08/11/2019
- Connectez-vous
Ajouter un commentaire