Vous êtes ici

Salama! Izaho dia tojo olana toy izao, tara ny règle dia manahy fa mety bevohoka. Ny olana anefa dia tsy mbola afaka miteraka izahay satria anaty fahasahiranana tateraka eo am fianakaviana mihitsy. Izahay rahateo mbola samy mpianatra, mbola mipietraka amin'ny ray aman-dreny ary eo no tena olana satria araka ny teniko hoe manana olana be zay na arabola na amin'ny lafiny hafa. Tsy afaka ny hitazona ilay zaza mihitsy zany ka nga mba mangataka fanampiana hoe aiza no toerana mba afaka hanao izany na dokotera mba tena mahay sy azo antoka? Misaotra indrindra

Par : kopyela
Miala tsiny aminao aho fa
Miala tsiny aminao aho fa raha mbola dokotera manaja ny ethique dia tsy hanala zaza izany! Zavatra tsy azo atao izany n'inon'inona situation anao ! Ny azonareo roa atao dia mandray ny andraikitrareo noho ny ditranareo iany, masika fiteny aho ngamba hoy ianao! Nefa tsy izany, fa misy antony no tsy irosoana am firaisana ara nofo alohan'ny mariazy, io lazainao io ny antony lehibe, amzay koa ianareo tsy mba niaro tena! Efa izao no lahatra ka zakao, Atra tsy manome anao izay tsy zakanao izany! Ataovy hanatra hanarenana ny fiainanao izao, raha toa ilay miaraka aminao koa tena tia anao dia miady ho anao sy io zaza ao akibonao io izy ary mandray ny andraikiny satria izy no nandresy lahatra anao hanao io! Misy fanontaniana: Tara firy andro ny règle anao azafady? Tsarovy koa fa izay misafidy ny lalana mora dia mora mianjera! Tsy be morale akory fa ny zava misy marina no lazaiko
Par : misy
Bonjour,
Bonjour, Hevitra mifanohitra tanteraka amin'ny voalaza eo ambony no lazaiko anao. Misy dia misy tokoa ny dokotera manao IVG, izaho tsy mbola nanao izany fa tranga mateti-piseho izany eto Madagasikara. Ny sihosiho henoko dia hoe misy dokotera ao amin'ny MSI hono toa manao izany (mila confirména). Raha misy miteny hoe Atra tsy manome izay tsy zaka, hitako fa efa maro dia maro tokoa ny olona miaina amorondalana, miteraka sns izy ireo. Tsy mino aho hoe misy ny olona no alahatra hiaina ny fahadiranovana fa safidin'ny raiamandreny raha nisy sy tonga tety antany ny zaza. Anao ny safidy, izay maharesy lahatra anao atao, manan-janaka aho miteny ary sahiko ny miteny fa tsy moramora ny mitaiza. Dia eny mbola tsy mandroso be ny vohokao dia tadiavo ny informations ilainao. Amin'ny manaraka dia aza adino ny miaro-tena rehefa manao firaisana sady miaro anao amin'ny aretina no miaro anao amin'ny vohoka tsy nirina.
Par : Neutre
za njay aza esorina ny
za njay aza esorina ny silakin'ny Ainareo e!mba matahora an'ANDRIAMANITRA re-olon a!
Par : Harty
Zavatra tsotra ihany no
Zavatra tsotra ihany no vahaolana e! Miarova tena rehefa tsy mahandry tantana am RS
Par : Anonyme
Marina fa diso ianareo tsy
Marina fa diso ianareo tsy nitandrina, fa nena ndray tsapako fa tsy mora ny mitaiza zaza, brassiere 1 aza no vidiana 60.000FMG. mety so simba ny fiainanao satri lasa olo.debe tsy fidiny. ataovy anatra ho an'ny amin'ny manaraka kosa anefa ny zavatra toizao fa tsy hoe maita lalana indray mande de aatao lalandririnina
Par : Bera Pôlisy
Mino aho fa vao afaka io zaza
Mino aho fa vao afaka io zaza io (enga anie tsy handray izay fepetra izay ianareo), dia efa avy sahady @ fanamboarana ny manaraka. Mody hoe mifanohana sns, kanefa ny kibo mbola mafana, tsy miandry retour de cycle akory.... Nahoana moa no tsy tenenina ny RAD, dia ho hita eo izay lazainy ? Sa efa izay ihany koa ny fanapahan-keviny ? Raiso ny adidy. Tezao ny zaza. Veuillez assumer tout ce que vous avez fait. En principe, vos parents sont là pour vous soutenir et vous épauler. Quoi que vous fassiez, ils vous aiment. En face, le Diable est également là pour vous encourager à faire ce qui lui plaît. A bon entendeur...
fiber_manual_record ANDRIANANTENAINA
Dernière visite: Il y a 1 week 16 heures
A rejoint: juillet 22, 2018
bonjour mon amis ! mivavaha
bonjour mon amis ! mivavaha tsara

Ajouter un commentaire

1 + 5 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.