Vous êtes ici

Ity misy tantarana namana ka zaraina : Mpinamana teny am lycée izy roa ireto no nifakatia ary ny vavy no namako! niaraka foana izy ireo ary niafara tamin'ny fanambadiana, marihina moa fa ity lehilahy vadiny dia tena tia azy ! eo ndrindra nefa ny olana tamin'izy roa satria rehefa vita mariazy 7 taona, ka niteraka 2 ry zareo dia nisy tantara nivoaka ka nandrava ity namako: ilay rangahy ity kay efa manana zanaka anjory , efa 10 taona ilay zaza! Nahay nanafina loatra izy ka gaga sy manontany tena amin'izay fomba handraisana ny resaka ramatoa, marihina moa fa matin'ny aretina ny renin'io zaza io ka tsy maintsy mandray andraikitra ilay rangah! na dia tsara ary ny nafenina dia tsy maintsy nolazaina tam ramatoa ny farany satria hoentiny miara miaina amin'izy efa mianaka ao antrano ilay zaza! Tena mitaraina ilay ramatoa ankehitriny satria ts itany izay atao, moa ilay zaza koa maditra loatra ts azo tenenina ! mb omeo torohevitra anampiana azy

Par : NarindraH
Zavatra tena enjana izany
Zavatra tena enjana izany mahazo azy izany, ary angaha ts misy havan-dreniny afaka mandray ilay zaza e! raha mba any mantsy mety ilamina ilay zaza ary ilamina ihany koa ny tokantranonzareo!
fiber_manual_record Minou
Dernière visite: Il y a 1 year 3 months
A rejoint: octobre 29, 2018
Misy havan-drenin'ilay zaza
Misy havan-drenin'ilay zaza mihitsy fa ny vadinle namako no tsy mety andefa ilay zaza any satria zanany hono ka azy ny mitaiza sy mamelona azy!
Par : piso
Tsy maninona zany fa adidy
Tsy maninona zany fa adidy nomen'Atra anle vevavy vady ny mitaiza azy.Raha mbola teo le reniny dia nanahirana zany fa mba tsy fidiny wanle zaza koa ange ny ho maty reny eh!matoa lay namanao no lasa vadiny dia izy zany no tiany. Mivavaha amin'Atra mba hanana hery hitaiza anle zaza dia ataovy tsapanle zaza koa fa tiana izy fa tsisy tombo sy ala ao an-trano. Ra za le vevavy dia miresaka tsara nareo 3 mianaka (le rainjaza sy le zaza de le vevavy vady) Ny zaza araka ny fampianarana nataon'i General dia tsy ampy affection no mampaditra azy dia atao tsara taiza araka ze tratra (tena tsara fitaizana krisitiana;ampidiro sekoly alahady na scout na ......).Ny olana rehetra refa ankinina amin'Atra dia misy vahaolana foana dia mila mifampiresaka foana.
Par : Samy manana ny sainy
Tsy ametrahako olana
Tsy ametrahako olana rahaizaho manokana satria tsy nisafidy ny situation misy azy ilay zaza nysay tsy nagatahako ho hateraka, tsy misy hadisoany na kely aza, ary raha tiana ny vady dia tiavo koa ny zanany fa raha ny mifanohitra @ izay no zava-misy ny lehilahy tsy dia manilika zana-bady fa isika vehivavy tena sady sakay kelirano no menarana indraindray, maditra ilay zaza hoy ianareo, tsy maditra ilay zazafa sarotra izany namoy reny niteraka izany dia voatery miara-mipetraka @ olona mbola tsy nifanerasera taminao akory na dia in-1 mandeha aza teo @ fiananao, tsy mba afaka hanao effort hy comprendre an'ilay zaza ve dia maka ny fony moramora, marina fa tsy afaka ny hisolo ny toeran'ny reniny mandrakizay fa mba afaka mifampizara fitiavana toy ny olon-drehetra miara-miana, asa aloha eh, malahelo an'ilay zaza aho na dia tsy fantatro azy ny antsipirihan'ilay tantara. Ary ity no tadidio, ny aina tsy mifametra, raha lasa ianao renin'ny zanakao 2 ka ataonny olona zanak'iKala hafa dia mba ahoana? io ange ny tody tsy misy fa ny atao no miverina eh

Ajouter un commentaire

2 + 7 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.