Vous êtes ici

Miarahaba atsika rehetra eto @ moov aloha ny tenako.

Ny tantara moa dia izao, toxicomane ny tenako kanefa maniry mafy te hiala @ zava- mahadomelina zay manimba tanteraka ny fiainako sy ny fifandraisana misy eo amin'ny fianakaviako. Handrakandrana moa no nanomboako an'ilay izy niaraka nirevy tamin'ireo bandy akama kinanjo lasa accroc taty aoriana. Tsapako fa tsy mety ny ataoko, lasa mangalatra ny entana ao an-trano amidy hividianana dose rehefa tsisy vola .Tsy mifidy zavatra amidy aho rehefa mety azahoako vola kely hividianako dose . Na ny vilia sy vilany ao andakozia, na ny kidoro ao @ efitra fatorina izany ,tapitra namidiko daoly ny entana tao an-trano eny hatramin'ny lamba ankoditro mbola amidiko avokoa. Marary mafy ny vatako refa tsy mahazo dose, lasa mangovitra be , mangatsiaka tampoka na dia mafana be manahoana ary ny andro. Efa tsy mahakarakara vatana tsony, farany leo be ny fianakaviana dia lasa tsy avelany miditra ny trano tsony aho zao ka lasa salany clochard mirenireny eraky ny tanana. Te hiova fiainana aho, te ho sitrana dia niantso dokotera iray malaza fa mahay be amin'ny resaka fitsaboana addiction . Niresaka zahay sy izy ," mila hitako hoy izy ray aman-dreniny ilahy miaraka @ ray tampo @ lahy fa raha tsy zany tsy afaka hitsabo an'ialahy aho". De zao navaliko azy: Efa maty mamanay , dadanay sy ireo ray tampo amiko efa tsy te halala ny momba ahy tsony. Tsy mety hoy izy ,tsy afaka hitsabo anao aho.
Rariny ve dokotera manda marary satria tsisy havana mety tonga hifampiresaka aminy? Tsapako fa tsy mety ny nataoko, efa misedra ny voka-dratsiny isanandro aho, efa nariany havana ve de mbola tsy tsaboiny dokotera ihany koa?. Efa zay ve sazy mendrika ahy? Niteneniko lay dokotera , zaho anie hoa efa majeur eh, tsy hitako zay mbola ilana havana tsy te ho tonga any zany.
Miangavy anareo tompoko, zay manana cordonnées ny hopitaly spécialisé @ resaka cures de désintoxication moa hiangaviako eto mba hanome fa te ho sitrana aho ary misy olona vonona handoa frais rehetra mety lany @ fitsaboana. Misaotra mialoha.
Zao mba hanatra kely azoko omena anareo ray aman-dreny manana zanaka mitovy cas amiko raha tsy mahadiso, aza ariana re ny zanaka ah, ento @ mpitsabo refa vonona ho tsaboina.
Hafatra ho an'ireo tanora te handrakandrana, aza mba miditra @ io resaka drogue io fa tena addictive be lay izy ka sarotra hialana aveo. Tokony hisy fampianarana mitsy any antsekoly sensibiliser na ireo tanora @ voka-dratsy rehetra azo avy @ fihinanana zava-mahadomelina. Efa avoa moa ny tena ka mahay mananatra.
Misaotra anareo mamaky

Par : Nah
Tsara ilay fahatsapan-tena.
Tsara ilay fahatsapan-tena. Voalohany, mivavaha, mibebaha dia atolory an'i Jesoa ny momba anao manontolo, ahatsapa hery manokana ianao iatrehanao ny fitsaboana rehetra. Manantona ny Hopital FLM Ambohibao. Ao no haingana indrindra. Possible mety soloina rà vaovao ny ao anatinao. Aza miandry ela intsony.
Par : mpijery
mety sarotra ho an dr kosa ny
mety sarotra ho an dr kosa ny hitsabo olona drogué tsy manana havana izany, ny antony dia satria mety efa misy simba ny lohanao, mety hivadibadika ary tsy azo raisina lotra izay lazainao, ilay olona vonona hiantoka anao angamba no tokony lazaina fa havanao dia mety tsy naninona, fa ilay hoe efa majeur ianao tsy dia misy lanjany intsony, ianao aza milaza fa ohatrireny clochard mandehandeha ireny, fa io fivavahana misy milaza io dia tena fanafody mety aminao, dia mety afaka manantona ireny mpanao asa soa, mitsabo marary ireny koa , io centre eo ambohibao io dia tena tsara raha vonona ianao
Par : dunne buik
Raha manana moyen kosa anie
Raha manana moyen kosa anie tsy hitako izay olana e, mandehana aloha eny amin'io natoron'i Nah io dia eny ianao mety mahazo soso-kevitra ny amin'ny tokony ataonao. Tsy misy mangidy tsy andramana r'ise ah
Par : te ho sitrana
Nah< Misaotra betsaka anao .
Nah< Misaotra betsaka anao . mpijery< hisaorako ny Avo fa mbola normal tsara ny saiko. Tsisy fahasimbana zany mitsy. Dépendant @ drogue ny tenako fa tsy adala tompoko.
Par : anonyme
Misaotra anao @ fananarana.
Misaotra anao @ fananarana. Mitrakà r'ise ah, na manary ny havana na ny RAD tsisy olana izany, mampianatra an'ise hiady mafy amin'ny fiainana, Atra tsy manary izany. Manomboka izao dia mba mikaramà, amin'izay mba variana amin'ny asa ny saina, fitsaboana alefa fona. Manofà trano kely dia mba manangona izay fananana kely e. Mbola tsy manambady ny fiheverako an'ise, fa tsarovy fa mbola hoavy ny anjaran'ise, mifalia am fanantenana fa hanana taranaka sns, izay lafy tsarany sainina fa raha ny hetraketraky ny tany tena kivy eo ihany
Par : fernandojhon677
En attendant ny fitsaboana
En attendant ny fitsaboana (raha mbola tsy nanomboka) dia rano atao betsaka, hiéliminer ze loto rehetra, manaova ron'angivy matetika dia ajanony mihitsy lé drogue. Saina n mtondra an'io e, banjino ny projet mlay be amn ankohonana rahatrzay d'efa cava
Par : maelys
Vitsy ny olona vonona ny
Vitsy ny olona vonona ny hiova toa anao. Ataovy ny fitsaboana rehetra azo atao, rehefa mikiry ianao dia toa nofy ratsy sisa ilay ianao "voageja" atsy ho atsy
Par : Anonyme
mpidoroka niova fo, tsara
mpidoroka niova fo, tsara ilay fiovana raha tena marina sy misy fahavononana tanteraka, tena mila fahavononana tanteraka satria tokony ho fantatrao fa tsy maintsy mizaka ny vokatry ny nataonao ianao aloha, ny fiatahan ny olona, ny dr sns, dia tsy tokony ahataitra, ahagaga, na ampalahelo anao velively, olombelona daholo, misy kileme, ka tsy omena tsiny raha misy tofoka aminao, tsy sanatria mandatsa akory ny tenako fa hitako ho diso hevitra kely ianao , raha toa tsy misy voa ny sainao, dia ianao ihany dia tokony ahavita hitsabo ny tenanao, be dia be ny olona niala taoka, rongony, paraky sns tsy mila dokotera, ny sosok evitra omeko, misotroa rano betsaka, mihinana voankazo, manaova sport, miasa na mianara mba ho variana @ izany ny sainao,ny mivavaka koa dia manome hery lehibe ho anao raha mety aminao ,
Par : Torohevitra
Tsara ny fiovana f'aza
Tsara ny fiovana f'aza mihaino vavan'olona na mitantara akory ny ezaka tinao atao ref any am fiaraha-monina. Marobe no mikasa handavo anao anie e, ny fiainanao ho avy tokoa banjinina, ohatra oe vady amanjanaka, dia ho itanao fa motivé tsara ianao
Par : rhp
ny saina no mitondra an'io e!
ny saina no mitondra an'io e! za mpisotro kafe gaigilahy fa afaka kafe za @izao e!

Pages

Ajouter un commentaire

2 + 2 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.