
Vous êtes ici
Izaho dia vehivavy manambady amanjanaka, tsotra toetra na fihetsika, tia fandeferana, tsy tia fifandirana. Toy izao ny momba ahy sy ny fiainako tiako zaraina aminao.
Vao nivady teo @ 6 taona teo ho eo izahay 2 dia tsikaritro fa nanomboka nanana fiainana hafa ivelan'ny tokatrano ny vadiko. Efa nananjanaka izahay t@ izany. Tsapako fa raiki-pitia be tamin'ilay olonkafa izy. Matetika izy tsy mody atrano, nisy fotoana ara nipetraka tany @ilay olona niaraka taminy mihitsy izy. Nifampitondra toy ny efa mpivady mihitsy izy ireo t@ izany. Tsapako fa nihendanja be ny fitiavany ahy. Otrany mijery fako no fijeriny ahy refa sendra mody
tao atrano iny izy. Tsy norarahiny mihitsy izaho sy ny zanako t@ izany. Niezaka ny nifampiresaka taminy aho, nanontany ny antony fa ts niteny mihitsy izy. Ny olonkafa toy ny fianakaviany no nilaza tamiko fa ts voakarakarako hono izy ka izay no nahatonga azy niaraka t@ olonkafa. Izaho moa miasa, zara raha nanana week end nahafahana nikarakarana ny tokatrano tamin'izany. Izy kosa ts niasa. Nandefitra aho tamin'izany satria tiko izy, niezaka ny nanova ny tao atrano rehetra mba ahatamana ilay vady. Nitadiavako asa iany koa izy sao izay no mba mety hampiova azy iany koa. Saingy indrisy ny ataony iany no ataony. Narary fo ny tena t@ izany, niezaka nampiseho ny manodidina ho toy ny vehivavy sambatra anefa na dia ory dia ory arany tamin'izany. Eny fa na ny fianakaviako tsy nampahafantariko ny hitsakitsaka nataony vadiko. Tsy tiako izy mantsy ho ratsy eo anatrehan'ny havako. Nefa na izany arany tsikaritr'ireo havana sasany iany ny nataon'ilay vadiko satria izy ko tena nampiseho be hoe nanana fiainana hafa. Nisy fotoana ary tena nifamaly be izahay raha sendra nody iny izy, nasaiko nentiny avokoa ny entany tao atrano dia nasaiko nandeha izy. Mafy lôtra ilay hitsakitsaka. Nande izy t@ izany dia niverina nody tao atrano indray avy eo. Dia toy izany fôna ny fiainanay nandritra ny taona maro. Nihafy teny fôna aho. Nony taty aorina dia nifanena t@ lehilahy iray aho, nifampiresaka izahay, ary niaraka nony taty aorina. Nambarako t@ vadiko fa manana olontiana aho ... tsy nampoiziky ny zavatra nitranga satria saika torana izy nolazaiko izany. Nolazainy fa tsy miaraka intsony izy sy ilay vehivavy. Efa niova hono izy. Niteny taminy aho hoe tsy mety intsony ny aminay. Saika namono tena mihitsy izy ary nandraiky narary. Izaho anefa efa leo ny hitsakitsaka niainako atramin'izay, na ny ranomaso nalatsaka t@ izany arany efa saika ritra satri tena niaina tao anaty fijalina tokoa.
Nahita ny tia ahy aho sady tiako iany ko ankehitriny.
Tsy naniry ny hanana fiainana toy izao aho, mba te hanana tokatrano vanona sy sambatra. Indrisy fa simba ilay izy, simba nohon'ny fitiavantena.
Nifona ilay vadiko fa ts nety intsony aho, nihafy lôtra aho hatramin'izay.
- Créé par le 02/03/2019
- Connectez-vous
Pages
Ajouter un commentaire