Vous êtes ici

Salama oh, 6 ans nivadiana izahay ary manana zaza2. Tsy mbola niaraka t@ olona hafa tsy izy aho hatr@ zay, satria vo afaka bacc aho t@ za 16 ans d izy no niaraka tamiko voalohany, nandeha ny fotoana d nivady izahay 7 ans taty aoriana ny niarahana.Tao anatin’izay mo d efa betsaka ny sedra nandalovana, toy ny couple rehetra nefa tsy nety tafasaraka mihintsy izahay fa d lasa mpivady ihany.
Ny tena mafy sy sedra nozakaiko t@ fiarahanay hatr@ zay ary tsy mbola foana hatr@ zao d ny ray amandreniny. Vo nanomboka niaraka zahay ka ni présenté ana t@ reniny izy d teo no nanomboka ny tantara satria d nandray tsara mo izy t@ zay ary d nanasa ana hiverina hisakafo ny herinandro taorian’izay, ref nody a d mbola nampitsiahiviny foana ilay fanasana nataony mba hoavy za hisakafo.Tonga ary ilay fotoana nifanomezana d tonga tany za, tao ko ny renibe ani vadiko (renini rafozambaviko), hanomboka hisakafo izahay d nanomboka teo ny teny maharary rehetra. Notabatabain’izy mianaka ireo ilay vadiko (mbola sipa mo t@ zany) hoe tsy tokony miaraka amiko sns.. t@ zany lo ny rafozandahiko mbola tsy nanisy olana ny @ fiarahanay ka d tsara fandraiasana ana foana. Ref tsy afapo t@ tabataba nataony anjanany izy mianaka (rafozambavy sy ny rafozambe) d za no nitambarani zareo. Tsy zakako le izy d nilatsaka ny ranomasoko no tonga d nitsangana za d nody.Nanaraka sy niezaka nanambitamby ana mo ny vadiko t@ zay. Efa décidé za hoe aleo hijanona satria vo manomboka d efa tsisy fankasitrahana sy tso drano.Noho ny fangatanale vadiko t@ zay sy ny nahatsapako fa tena tian aizy d nanaiky ihany a tsy hisaraka. Nande ny fotoana fa tsy nankasitraka ana ilay reniny.Ref tonga t@ dingana manaraka izahay (fiancaille sy soratra) d tena tsy naneho fifaliana ilay ramatoa, niezaka a ni ignoré anzay fihetsiny izay na narary ana ara le izy. hatr@ vava marary azo hoe hisaonako ireo @) soratra, tongan y soratra d akanjo mainty b tokoa ny nanaovany.
Nandeha teny ny ftn, tongan y mariage.Teo d tsisy fanampiana lo na arabola na ara fikarakarana , na mba fanontaniana ara tsisy hoe manao ahoana ny fikarakarana ao.Ny akanjony ara tsy nivakini loha fa ny zanany no manaitaitra azy hoe ny akanjonareo ahoana fa tsy taitra mits.
Tohizako etsy ambany ny tohiny fa somary lavalava 

Par : Suite
Tonga ny mariage d tena
Tonga ny mariage d tena nilonjolonjo ramatoa mandrapahatapitry ny zavatra natao rehetra (na tao ampiangonana na tao @ espace), gaga ny avy aty amiko (fianakaviana sy namana) satria tsy nampafantariko anireo ny zavatra hiainako. Ref nitokatrano izahay 2 d saika hanofa trano, tsy nety ilay bébé any vadiko (voalaza t@ fiandohani tantara) hoe aza manofa trano fa misy trano mipetraka ftsny ao amiko fa ao mipetraka nareo.Nanaiky na vadiko satria ko mo izahay vo nihary d tsy nanana moyen hanofana trano d nanaiky ny decision ani vadiko za, mo ko nihevitra fa niova sy efa ni accépté ana ilay bébéany .Tonga matetika tao amnay ilay bébéany ara mila vanina isan’andro, ny farany mo d nandroaka mints.D lasa izahay. Isaky ny avy any @ m******* mo ny vadiko d gaga za fa lasa miady sy mikorontana zahay, d ndraindray na za na izy tsy mahalala hoe inona mo zany le sujet de dis******* teo fa d mikorontana zahay 2. Lasa nisy hatr@ fikasihantanana ara , ary tena lasa fanaony ilay izy.Somary ela ela aho vao nahazo zaza d efa nanaratsy t@ fianakaviana rehetra mo ilay ramatoa fa tsy niteraka zah nefa d notazomiko t@ mariage ny zanany.Bevoka a taty aoriana ary @ mpanetrentena lehibe fa nanomboka nirotsaka t@ tokatranonay ny fitahiana ka mba nanomboka niaina izahay, nahazo fiara ary nilamindamina teny. Samy miasa mo izahay mivady.Teo ko d niova ny rafozandahiko.Ka rehefa miaraka @ vadiko d mandanindany fahatany @ revy sns… Za mo tsy afaka miteny na maneho hevitra fa raha miteny za d na daroka na opa na fandroahana no azoko. Nanomboka nikorontana zahay mivady ary nisy fotoana izy tena nitondra ny entany ka lasa nody tany @ RAD.tsy namela izy na ariary ara hoanay mianaka, soa mo za fa mba miasa d mba afaka niaina ihany izahay.Herinandro izy tany d lany tany ny karamanay rehetra ary niverina nody izy rehefa fotsy tanteraka ny vola. Hatr@ zao mo d tsisy mi accépté ana izy mivady , ary rehefa mananjavatra izahay toy ny fiara ka soratani vadiko amiko d lasa ady ilay izy satria tsy avelani dadany atao @ anarako fa @ anarani vadiko ihany. Tsy nasiko olana tsony ilay izy fa sady leo za no tsy te hikorontana. Toy izay foana no hiainako.Misy fotoana mo tonga ao amiko ny mamani vadiko io d manopa sy manao menace de mort ana.Rehefa miteny @ vadiko @ zavatra misy za ary efa misy fotoana ary tena imasoni vadiko ny hanopani m******* ana fa d za voahopa no diso. T@ alakamisy teo avy niaraka t@ RAD izy d nanomboka nila vaniny tmaiko ndray,ary na ny antony ilay filambanina ara tsy mazava amiko kory. Nanomboka nanopa, ary nikasitanana ny zanako sy nanakenda ahy.Manao menace fa raha mikitika ny RAD za d vonoiny ho faty.Marihiko nefa fa d izy ireo no manao vava sy manopa ana ary matetika imasoni vadiko zany. Samy miasa sy mampidibola ihany izahay ary tena miasa mafy a, tena miezaka nefa d isaky ny misy ady d lazainy fa anazy daholo ny entana rehetra ao antokatrano ary tsy mahazo mikitika za. Tonga @ le teny hoe tofoka za, nandefitra a hatr@ zay na vono na latsa, na opa (avy aminy sy ny reniny). Fa tena tofoka tanteraka za zao. Inona no ataoko ?? hisaraka ve d ahoana ny zazakely ?? tsy hiasaraka ve ?? d hiverina foana ireo olana RAD ireo.Misaotra anareo @ sosokevitra d miala tsiny fa lava be
Par : anonyme
Ianao angah tsy manana RAD
Ianao angah tsy manana RAD mba itarainana? Tena manambady ny RAD-ny anie ny vadinao e, ianao iharan'ny herisetra tena olana be, raha maty eo ianao mampalahelo ny zanakao satria tsy misy vidiny amzareo, imehezany aza am fandevenana anao. Mametraha ianao fitorina miafina eny am mpiaro ny zon'ny vehivavy, d aleo mandeh raha azo atao, ianao miasa mahavelona ny zanakao koa inona n olana, zaranao aza manambola. Aleo mitory madama ah, fa aza gadraina ftsn fa ataovy raharahampihavanana manjary ananan'ny zanakao alahelo ianao sanatria any aorina. Tsy misy resaka oe fitiavana tsony ngamb entre anareo fa d fiainana mandeh ftsn, d mfapila vanona,
Par : Misaraha
Izaho niaina tao anatina
Izaho niaina tao anatina relation abusive nandritra ny taona maro. Tena nampiova ny personnalité ako ilay izy satria tena hoe malahelo foana aho isanandro. Niafarany misy zavatra negatif kely tenenin'ny olona fotsiny dia efa marary mandraingiraingy marary ny foko hany ka indray andro nanapakevitra a hoe hakatoko amin'ny olona rehetra ny foko. Tiako tenenina hoe tena abus zany anaovan'ny rafozanao sy vadinao anao zany. Marina hoe mila sacrifice am fiainana ary tianao ny zanakao hanana ray sy hahatsapa fitiavandray. Fa ianao koa olombelona manana zo hotiavina, hiaina anaty fahasambarana sy ankasitrahin'ireo izay tiavinao sy karakarainao. Raha ny fitantaranao etsy ambony dia tena efa manao tsinontsinona anao ny vadinao sy ny fianakaviqnao. Ary mampijaly anao izany. Ianao ve dia hiaina anaty fijaliana foana mandritra ny fiainanao? Isaraho any izy rehefa tsy mety hiova toetra. Ianao raha ny fitantaranao dia olona manampanahy, mahay mihary amin'ny fiainana. Velonao foana ny zanakao na misraka aza ianareo. Ary tadidio fa ny zaza taizan'olona sambatra sy milamina na mananontena aza dia milamina kokoa noho ny zaza taizana ao anaty tokantrano miady lava. Raha hampijalian'ny vadinao lava sy tsy ataony mahita andro miratra mihitsy ianao, ho lany amin'ny alahelo sy fitaintainana ny énergie anao, dia aiza intsony ianao no hahita fifaliana sy fitiavana omena ny zanakao? Raha tena tianao ny zanakao dia isaraho izany olona abusif izany dia dia ataovy izay mahafaly anareo mianaka. Ny joie de vivre tsy hita am vola sy statut fa ao anaty io.
Par : hevitra
ny tokatrano fiafina hoy ny
ny tokatrano fiafina hoy ny taolo nefa koa izy nilaza hoe zaza fito tsy mahafehy trano, rehefa tena tsy zaka intsony ry madama de aleo miala tsy mety anefa ny misitaka fa ataovy ara dalana foana de amin zay tsy very ny zo anao sy ny zanakao.
Par : @@@
Mampalahelo ahy ny tantaranao
Mampalahelo ahy ny tantaranao satria dia efa hitako t@ vhv namako mpiara-miasa tamiko (lhl). Saingy ianareo vhv sarotra atoro : tsy hoe @ fisarahana akory fa hoe mba midrikina satria mba olona misy hajany ihany ilay vhv namana sady manankatao. Ny tena koa mila mitandrina @ torohevitra sao lazaina fa faly miheno ny fahoriany fotsiny. Voavono ary voatery nody tany @ fianakaviany mihitsy moa ilay namako, nefa na ny ray aman-dreny koa moa tsy hafaka ny hitazona azy maharitra ka dia niverina tany @ ilay rangahy ihany izy sy ny zanany. Tsy mba hoe nisy fomba manao ahoana akory t@ fampodiana fa dia vita vita ho azy. Izay aloha no mety t@ zanak'izy ireo fa dia i lay ramatoa izany no tsy maintsy ihafy. Ka ny mety hitako satria ianao tsy ahatohitra sy hamolaka an-dramose dia torio izy, fa ny manampahefana no hamolaka azy.

Ajouter un commentaire

3 + 0 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.