Vous êtes ici

Salama daholo , lehilahy no manaoratra. Ny vadiko dia karazan'olona miavona ireny raha jerena @ endrika ivelany , tsy de ty mijerijery olona, ts manana namana , tsy ty mitakosokosona ny any mba tiany de miaraka @ havany. Tsy de tena oe manahirana ahy ilay izy fa resaka adidy no tena mampifamaly indraindray fa tena tsy mba avy izy hisolo tena na mba andingana indray mandeha @ zay vona mahazo ny akaiky na ny manodidina , eny fa na ny havana aza ka hany ka rehefa tsy afaka ny tena de tsy misy misolo tena marina fa vehivavy izy fa na dia izany aza. Ny atahorako dia ny valin'izay ra sanatria @ tsy maha eo ahy no misy mahazo azy sy ny zanako de tsy aiko oe ho fatatrin'ny fiaramonina ve izy. Iza no mitovy cas amiko ? , tsy aiko ilay nitaizana azy fahakely ve, sa ts fahazarana , sa tena oe miavona. Misaotra anareo namaky sy hanoro hevitra.

Par : liana
ka tokony hazavainao aminy
ka tokony hazavainao aminy ohatra izany leizy oe raha misy mahazo anareo vady aman-janako hoe ka tsy eo aho, mba ho fantatry ny olona ve ianareo, satria ianao tsy maba hita manao adidy mihintsy!
Par : kalie
mila mifampitaiza anaty
mila mifampitaiza anaty tokantrano de tezao araka izany iy fa ny fiainana tsy vitan'ny tena irery fa azo ahitsy anie zany e; aza kivy fotsiny enao mananatra azy
Par : Nah
Akaikezo kokoa ilay vadinao,
Akaikezo kokoa ilay vadinao, mifampianatra dia mifanoro (fa tsy mifamolaka)
fiber_manual_record Ramix85
Dernière visite: Il y a 4 months 2 weeks
A rejoint: avril 24, 2019
Haiko tsara io toe-javatra io
Haiko tsara io toe-javatra io, ny mety dia tsy asiana fifampitaizana izany, satria fantatra fa hainy ny Tokony atao, raha izao ianao dia tohizana foana ny fanaonao, maharary ihany ilay manao mizana tsindrina ila sy ilay havako sy ny havany, fa misy valiny ihany izany any aoriana, amin'ny ora tsy ampoizinao, ny hanova olona tsy tafa, fa ny maha ianao anao aza ovàna
Par : Nah
Efa niteraka v dia mbola
Efa niteraka v dia mbola manana toe-tsaina toy izany? Izaho manokana nodidina tami'ny niteraka, narary tsy afa-nihetsika, tsy afaka nandray an-janako akory. Tena tonga saina za oe hafa ihany ny misy havana sns. Ny tiko tenenina hoe, mbola hisy ny fotoana ahatsapany tena hoe ilaina ny manodidina, ny namana, ny havana. Tsy hoe manozona sanatria fa izany mihitsy ny fiainana. Mety manana ny ampy tokoa ianareo dia manao ny ory tsy havan'ny manana ilay vadinao. Na rangito kely hoe iza ary no mba entiko hanao adidy, sa itady olon-kafa entina any za hoe. Mirary soa
Par : haler
Mbola ho avy ny patsa iray
Mbola ho avy ny patsa iray tsy omby vava e, mahereza ry akama
Par : Triatra
Manambola izy d mbola sahy
Manambola izy d mbola sahy miavona sy manitsaka e, fa boribory ny tany d ho tsapany ihany ny fahadisoany. En attendant, mahereza ise
Par : Lalie
Vehivavy aho, somary nanana
Vehivavy aho, somary nanana toetra otr'zay an'ny vadinao zay. Fa soa fa efa niova na mety tara lotra aza. Vavitokana aho, tsy tia manao adidy ary na nanambady aza d dadanay&neninay fona no ierako. Loza fa hay za tsy mandeha fivoriampianakavina ti efa misy vehivavy entin'ilay vadiko tany , nankasitrahan'ny havany sy ny fianakavina ary ny mpiaramiasa manontolo. Ny tiko tenenina hoe rah mbola azo atao dia avoty izy fa aza ravana ny tokantrano, ampianaro izy fa adidinao

Ajouter un commentaire

16 + 3 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.