Vous êtes ici

Vehivavy, 4 taona izay no nialako tany Madagasikara nifindra taty ivelany hianatra. Misy olona miandry ahy any ary efa 10 taona izany ny fiarahanay raha ny tena marina. Izy tena tsapako fa tia ahy, manao izay azony atao rehetra mba hanampiana sy hanohanana moralement araka izay vitany, tsapako fa miezaka be izy.
Izaho anefa aty tena nangatsiaka ny fitiavako, marihiko fa tsy mbola nampirafy azy aho fa saingy hitako fa lasa namana kokoa no handraisako azy fa tsy olona miaraka amiko intsony. Niezaka ihany aho nody indray mandeha isan-taona moa izy koa mba tonga taty.
Ho avy aty indray izy afaka roa volana, efa niresadresaka ihany moa zahay hoe hivady ka fantatro fa rehefa tonga aty izy dia hiresaka momba an'io izahay. Izaho anefa ity tena lasa tsy misy an'ilay fitiavan'olon-droa mitempo intsony.
Inona no tokony ho ataoko?

Par : Marie Ange
Sao mba sanatria lasa
Sao mba sanatria lasa lesbienne enao? izany mantsy no malaza any aminareo any ivelany any. olona niarahana 10 taona ve dia tsinotsinona dia tsy ho tiana tampoka eo nefa enao aza mahatsapa fa tena tia anao izy?
Par : Sarah SMITH
efa teo amin'ny toeranao aho
efa teo amin'ny toeranao aho niala. nanambady vazah aho amzao, fa lazaiko anao fa sarotra ny mahita lehilahy tia. tsy nanenina akory aho fa heveriko fotsiny hoe ity vazah ity angamba no anjarako saingy misy zavatra nomen'ilay anakiray tina tia ahy tsy afaka omen'ity vadiko ity ahy satria ilay sentiment tsy mitovy. asa sendran'ny lhl tsara taiza sy misy fanahy koa aho angamba ka na tsy ao aza ilay passion mety tsara ilay fiarahamonina. rehefa tonga izy hitanao hoe mety ve io fiarahamonina io fa finalement anie ilay fiarahamonina andavanandro no tena fototra e. na mifankatia aza nefa mifampijaly dia inona moa no dikany.
Par : Andraykosa
Mba teneno azy kosa ny tena
Mba teneno azy kosa ny tena ao am-ponao mialoha ny handaniany frais sy tsy hitohizan'ny fikirizany ny aminareo e. Tonga any ve ilay olona vao averinao fotsiny nefa izy mba niandry anao 10 taona be izao? Tsy manome tsiny anao aho fa fitiavana tsy ifanerena, saingy tour-nao ny manatanteraka ny adidinao "farany" aminy, tsory ny marina sao mba mifanena aminy rahampitso ilay tena tia azy nefa bloquenao fotsiny ny fiainany
Par : Tratra
Ny sipa mihitsy no ohatran'ny
Ny sipa mihitsy no ohatran'ny hoe efa omena fitiavana be d lasa mihena ny fitiavany ilay bandy. Za bandy d nisy sipa tena tiko ary tena tia ahy, ka nomeko fitiavana be. Tampoka eo tonga d hitanao hoe tsy misy fitiavana intsony izy ka lasa miezaka mihataka aminao, lasa manao vava tsy ambina, ohatran'ny hoe terena sisa izy hitia. Farany moa mody nitsapaiko izy hoe ndao hisaraka fa ianao ohatran'ny tsy tia ahy, d nanaiky izy. Afaka 6 volana , tonga rasipa nifona sy nilaza fa tsy misy bandy ohatra ahy, saingy ilay saiko mihitsy no tsy mety hoe efa voa tany ve izy vao mahafantatra ahy. D tratran'ny nenina teny izy. Anjaranao ny mandinika fa mampanenina io nefa koa tadidio fa tsy mora ny miaina izany fiarahana tsy misy fitiavana izany
Par : sea
ny sipa mila bandy somary
ny sipa mila bandy somary madiditra kely sy ts de mivaky loha mintsy ka! ts azo anehoana fitiavana be zany fa raisiny ho fahalemena! eritreretiny ngamba inconsciament we ts mahita hafa ts izy no maatonga anao miartra aminy!
fiber_manual_record rahazahenao
Dernière visite: Il y a 2 days 17 heures
A rejoint: juin 19, 2018
Io fitiavana io dia toy ny
Io fitiavana io dia toy ny voninkazo ! mila kolokoloina sy tondrahana isanandro mba halazo! tandremo ny varimbariana ,indrindra ny elanelantany izany tsy ahafahana mihaona firy. Izay ilay oe lavitry ny maso,lavitry fo. Ny fahitako azy ,mila manandratra ambony ny tokantrano izay haorinao enao,mila mahatsapa fa izy ilay hany tokana mendrika hiara-dalana aminao anatin'izany. Noho izany kolokoloy tsara ilay afom-pitiavana aza avela ho faty.Efa misy anie @ zao n tchat ahafahana miresaka en direct e ! Moa raha tena tsy liana intsony enao,inona moa no andrasanao fa tsy lazaina azy izay mety aminao dia mba mitady izay ho anjaranareo ianareo.
fiber_manual_record rahazahenao
Dernière visite: Il y a 2 days 17 heures
A rejoint: juin 19, 2018
.... tondrahana isanandro mba
.... tondrahana isanandro mba tsy halazo....
Par : Hiteny fotsiny
Raha izaho ianao tsorina ny
Raha izaho ianao tsorina ny marina. Fanambadiana tsy raikitra tsy maharatsy fihavanana. Tsofy rano izy ref itanao fa tsy hahasambatra anao e. Amiko tsy misy tokony afanaina sy tondrahana intsony satria mbola tsy nivady akory ianareo. Mpivady vita mariage aza misaraka rehefa tsy mifanaraka koa
Par : jiro
hanenina ianao indray andro
hanenina ianao indray andro any rehefa mahatsiaro azy sy ny fitiavany anao, hafa ny tiana noho ny tia.
fiber_manual_record Sandrina
Dernière visite: Il y a 2 months 4 weeks
A rejoint: juin 27, 2019
bonjour, sao kosa efa misy
bonjour, sao kosa efa misy hafa efa hitanao any ambadika any? Ra tsy mitempo aminy tsony ny fonao dia tsofy rano izy ahita zay olona tena ho tia azy dia tohizo ny fiainanao. Efa nahita cas otran'io aho fa dia après quelques années de mariage fa miodina miafina rasipa refa sendra mahita hafa tena tiany. Bon courage, enao no mahafantatra zay tena ao am-ponao sy mety aminao fa conseil ihany ireo rehetra ireo.

Pages

Ajouter un commentaire

14 + 1 =
Trouvez la solution de ce problème mathématique simple et saisissez le résultat. Par exemple, pour 1 + 3, saisissez 4.